Marina fa ny Tomponareo dia i Allah, izay nahary ireo lanitra sy ny tany nandritry ny enin’andro, avy eo dia nitoetra “ Istaoa ” teo amin’ny seza fiandrianany Izy, mandrindra ny zava-drehetra. Tsy misy ho mpanelanelana raha tsy mahazo alalana avy Aminy. izany ilay Allah Tomponareo. Tompoinareo àry Izy ! Moa ve tsy mahatsapa izany Ianareo ?
Any Aminy no hiverenananareo rehetra, izany no fampanantenan’i Allah amim-pahamarinana ! Izy no nanao ny fahariana voalohany, avy eo dia hamerina izany Izy mba hanomezany ireo izay nino sy nanao asa soa ny valisoa ara-drariny. Ary ho an’ireo izay tsy nino kosa dia ny zava-pisotro mangotrakotraka sy ny sazy mamirifiry, noho izy ireo tsy nino !
Izy no nanao ny masoandro ho famirapiratana sy ny volana ho fahazavana ary nalahany ho manana ambaratongam-piovaovana izany, mba hafantaranareo ny isan’ny taona sy ny fikajiana ny fotoana. Tsy nahary izany Allah raha tsy amim-pahamarinana. Hazavainy antsipiriany ireo famantarana ho an’ireo vahoaka manam-pahalalana.
Marina fa eo amin’ny fifadimbiasan’ny alina sy ny andro ary koa eo amin’izay rehetra noharian’i Allah any amin’ireo lanitra sy ny tany dia tena misy famantarana maro ho an’ireo vahoaka manam-patahorana (an’i Allah).
Marina fa ireo izay nino sy nanao ny asa soa dia tarihin’ny Tompony làlana izy ireo nohon'ny finoan'izy ireo. Hikoriana eo ambanin’izy ireo, ireo renirano ao anatin’ireo zaridainan’ny fahafinaretana.
Ny fitalahoan’izy ireo ao (am-paradisa) dia manao hoe : \" Voninahitra anie ho Anao, ry Allah ”, ary ny fiarahaban’izy ireo ao dia ny hoe : \" Fiadanana ” ary faran’ny fitalahoan’izy ireo dia ny hoe : \" Dera ho an’i Allah izay Tompon’izao tontolo izao.\"
Ary raha hafainganin’i Allah amin’ny Olona ny fahoriana tahaka ny fitadiavan’izy ireo hanafainganana ny hasoavana, dia efa tapitra izay ny fe-potoana hiainan’izy ireo ka nefa avelanay ireo izay tsy manantena ny fihaonana Aminay ao amin’ny fihoaram-pefin'izy ireo ka hiaina tanteraka ao anatin’ny fahajambana izy ireo.
Ary rehefa misy loza manjo ny Olombelona dia miantso Anay ho eo ankilany izy, na am-pipetrahana na am-pitsanganana. Ary rehefa navotanay tamin’ny fahoriany izy, dia toy ny tsy niantso Anay mihitsy izy tamin’ny fahoriana izay nanjo Azy. Tahak’izany no nampihaingoana tamin’ireo mpanao fandanindaniam-poana ny asa izay ataony.
Naringanay ireo taranaka talohanareo raha nanao ny tsy rariny izy ireo, nefa ny Irak’izy ireo dia tonga teo aminy miaraka amin’ireo porofo mazava, fa tsy te-hino izy ireo. Toy izany no hamalianay ireo olo-meloka.
Fa iza no tena mpanao ny tsy rariny indrindra mihoatra izay mamoron-dainga mahakasik’i Allah na koa milaza fa lainga ireo teniny ? Tena marina, fa tsy ahazo fahombiazana ireo mpanao heloka bevava.
Ary raha nampandramananay ny famindram-po ireo Olona taorian’ny fahoriana nahazo azy dia indro izy ireo manomana teti-dratsy mikasika ireo Teninay. Teneno hoe : ” Allah no haingana indrindra amin’ny fanomanana tetika. Tena marina fa ireo Irakay (ireo Anjely) dia manoratra ny teti-dratsinareo.
Izy no mampandeha Anareo eto an-tany sy eny ambonin-dranomasina, ka rehefa ao anaty sambo mitondra Olona Ianareo, izay misosa nohon'ny rivotra tsara dia faly amin’izany izy ireo. Dia tonga tampoka tamin’izy ireo ny rivo-mahery ary tonga tamin’izy ireo ihany koa ny onja avy amin’ny lafiny rehetra, dia nihevitra izy ireo fa voadidin’ny loza ka nitalaho tamin’i Allah izy ireo tamim-pinoana Azy tanteraka (no sady niteny hoe) : \" Raha avotanao amin’izao izahay dia anisan’ireo mpankasitraka Anao.”
Nony novonjeny anefa izy ireo, dia indro, teny an-tanety fa nandika tsy ara-drariny ny lalàna. “Ry olombelona! Tsy hiantefa afa-tsy aminareo ihany ny fandikanareo lalàna, fa fahafinaretana mandalo amin’izao fiainana izao izany. Avy eo, dia any Aminay no fiverenanareo, ka ampahatsiarovinay anareo izay nataonareo.
Tena marina fa ny fiainana eto an-tany dia oharina toy ny rano, izay nampidininay avy any an-danitra ka mifangaro taminy ny zava-manirin’ny tany izay ho hanin’ny Olombelona sy ny biby. Ka rehefa namoaka ny haingony ny tany sy nihatsara, dia nihevitra ny mponina ao Aminy fa eo ambanin’ny fiadidiany tanteraka izany. Dia tonga taminy (tany) ny didinay andro aman’alina, ka nataonay tany voanjinja izany, tahaka ny tany tsy nisy vokatra mihitsy omaly. Tahak’izany no hanazavanay antsipiriany ho an’ny vahoaka manam-pahalalana ireo fanambaranay.
Ho an’ireo izay manao soa dia ho azy ireo ny valisoa mendrika indrindra ary mihoatra izany aza.Tsy handrakotra ny tarehin’izy ireo na ny vovoka na ny fahafaham-baraka. Izy ireny no Olon’ny Paradisa, hitoetra ao mandrakizay izy ireo.
Ary ireo izay nanao asa ratsy kosa dia ho azy ireo ny valiny mitovy amin’izany. Ary handrakotra azy ireo ny fahafam-baraka. Tsy manana mpiaro izy ireo hiatrika i Allah toy ny voarakotry ny sombin’ny haizin’ny alina ny tarehin’izy ireo. Izy ireny no Olon’ny Afobe ka hitoetra ao mandrakizay izy ireo.
Teneno hoe : \" iza no manome anjara ho Anareo avy any an-danitra sy ety an-tany, na koa iza no mitantana ny fandrenesana sy ny fahitana ary iza no mamoaka ny velona amin’ny maty sy mamoaka ny maty amin’ny velona ary iza no mandrindra ny raharaha rehetra ? ” dia hiteny izy ireo ka hanao hoe : \" Allah ”, ka teneno hoe : \" ka moa tsy matahotra Azy va ianareo ? ”
Teneno hoe : \" Amin’ireo mpiombon’antoka Aminareo, iza no manomboka amin’ny fahariana avy eo izy no mamerina izany aoriana (fahafatesana) Teneno hoe : i Allah irery ihany no manomboka ny fahariana sy mamerina izany. Nahoana Ianareo no mivily làlana (amin’ny fanopoana Allah.
Ary ny ankamaroan’izy ireo dia tsy manaraka afa-tsy amin’ny eritreritra. Ny eritreritra anefa dia tsy afaka manao na inona na inona eo anatrehan’ny fahamarinana ! Marina fa i Allah dia tena mahalala izay rehetra ataon’izy ireo.
Ary raha manao Anao ho mpadainga izy ireo dia lazao fa hoe : \" Ahy ny asako ary ho Anareo ny asanareo. Ianareo dia tsy tompon’andraikitra amin’ny asa izay Ataoko ary Izaho dia manalavitra Anareo amin’ny asa izay Ataonareo.
Na hampahitanay Anao ny sasany amin’izay nampitandremanay azy ireo, na ho tamperinay tanteraka ny fiainanao ary tsy maintsy aty Aminay ihany no hiverenan’izy ireo. Manarak’izany, i Allah dia vavolombelona amin’izay rehetra ataon’izy ireo.
Teneno : \" Izaho dia tsy manana na inona na inona hampahory na hanasoa ny tenako afa-tsy izay sitrak’i Allah. Ny vahoaka tsirairay dia samy manana fe-potoana hiafarany. Rehefa tonga ny fe-potoan’izy ireo, dia tsy misy afaka hampihemotra na dia adiny iray aza izy ireo na hampandroso izany.
Teneno hoe : \" Moa ve hitanareo raha tonga eo Aminareo ny Saziny amin’ny alina na amin’ny atoandro, mba inona no azon’ireo mpanao heloka bevava hafainganina amin’izany ? ”
Ary dia ho tenenina amin’ireo izay nanao ny tsy rariny hoe : \"Andramonareo ny sazy maharitra mandrakizay! Moa va ho valiana ianareo afa-tsy izay nataonareo.
Ary raha ny Olona tsirairay izay nanao ny tsy rariny nanana izay rehetra eto an-tany, dia tena nataony onitra izany. Ary nafenin’izy ireo ny fanenenany rehefa hitany ny famaizana. Fa ho tsaraina izy ireo amin’ny rariny ary tsy hiangarana mihitsy.
Tena marina, fa an’i Allah izay rehetra any amin’ireo lanitra sy ny tany. Moa va tsy marina ihany koa ny fampanantenan’i Allah ? Ka nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mahalala izany.
Ry olombelona! Tonga taminareo ny fananarana avy amin’ny Tomponareo, sy fanasitranana izay ao an-tratranareo, ary tari-dàlana sy famindram-po ho an’ireo mpino.
Teneno hoe : \" Amin’ny fahasoavan’i Allah sy ny indrafony, ka amin’izany no tokony hifalian’izy ireo. Izany dia tsara kokoa noho izay angonin’izy ireo ”.
Teneno hoe : \" Moa ve hitanareo ny anjara izay nampidinin’i Allah ho Anareo ka nataonareo ho misy amin’izany, ny voarara sy ny tsy voarara ? ” Teneno hoe : \" Moa ve i Allah no nanome alalana anareo amin’izany ? Na koa momba Allah no hamoronanareo lainga ? ”.
Ary inona no eritreritr’ireo izay mamoron-dainga momba i Allah amin’ny Andro fitsanganana ? Marina fa i Allah no Tompon’ny fahasoavana ho an’ny Olona, nefa ny ankamaroan’izy ireo dia tsy mahay mankasitraka.
Moa tsy marina fa an’i Allah izay rehetra any amin’ireo lanitra sy izay rehetra eto an-tany. Inona no arahin’ireo izay miantso ny mpiara- miombon’antoka ankoatr’i Allah ? Tsy manaraka izy ireo afa-tsy ny eritreritra ary tsy manao izy ireo afa-tsy ny mandainga.
Izy izay manao ho Anareo ny alina mba hialanareo sasatra ary ny andro mba ahafahanareo mahita ny mazava. Tena marina, fa ao anatin’izany dia misy famantarana maro ho an’ny vahoaka mihaino.
Izany dia fahafinaretana mandalo eto an-tany ary dia aty Aminay no fiverenan’izy ireo, avy eo ihany koa dia hampandramananay azy ireo ny sazy mahery vaika nohon'izy ireo tsy nino no sady tsy manampinoana.
Tantarao amin’izy ireo ny vaovao mahakasika i Noe (Noa), rehefa niteny izy, tamin’ireo vahoakany nanao hoe : \" Oh ry vahoakako, raha mavesatra Aminareo ny fipetrahako eto Aminareo sy ny fampahatsiahivako ireo famantarana mahakasika an'i Allah, dia any amin’i Allah no hametrahako ny fitokisako. Atambaro ny hevitrareo sy ireo mpiombon’antoka aminareo ary aoka tsy afeninareo izay didy tapahanareo. Avy eo, tanterahanareo ny fanapahan-kevitra momba ahy ary aza avelanareo hiandry mihitsy aho.
Raha mitodi-damosina Ianareo, dia tsy nangataka tambiny Aminareo Aho... tsy misy hanome tambiny Ahy afa-tsy i Allah irery ihany. Ary nodidiny Aho mba ho anisan’ireo mpanaiky Azy tanteraka ”.
Nolazain’izy ireo fa mpandainga Izy. Ka navotanay Izy sy ireo izay niaraka Taminy tao amin’ilay Sambo fiara ary nataonay ho mpandimby eto an-tany izy ireo. Ary narendrikay ireo izay nilaza fa lainga ireo porofonay. Ka jereo ahoana no niafaran’ireo izay nahazo fampitandremana !
Avy eo dia nalefanay taorian’izy ireny i Moussa (Mosesy) sy i Harona (Arona) tamin’i Faraona sy ny loholony niaraka tamin’ireo porofonay. Ka nefa nanambony tena izy ireo ary izy ireo dia vahoaka efa mpanao heloka bevava.
Niteny izy ireo ka nanao hoe : moa ve tonga aty Aminay Ianao mba hampitodika Anay hiala amin’izay efa hitanay tamin’ireo razambenay, ka ho lasanareo roa lahy ny fahamboniana eto an-tany ? Ary Izahay dia tsy hino Anareo roa mihitsy.
Ary rehefa nanipy izy ireo dia niteny i Moussa (A.s) ka nanao hoe : \" izay rehetra nentinareo dia majika tokoa ! \" Marina fa i Allah dia hanafoana izany. Ary i Allah dia tsy hampahomby ny asan’ireo mpanao ny ratsy.
Ary niteny i Moussa ka nanao hoe : “ Oh ry vahoakako, raha nino Allah marina Ianareo, dia apetraho Aminy tanteraka ny fitokisanareo raha mpankato Azy marina Ianareo ”.
Ka niteny izy ireo ka nanao hoe : “Amin’i Allah no hametrahanay ny fitokisanay.Tomponay oh ! Aza atao ho lasibatry ny hetraketrakin'ny vahoaka mpanao ny tsy rariny Izahay ”.
Ary niteny i Moussa ka nanao hoe : \" Tomponay oh ! Ianao dia nanome an' i Faraona sy ny loholony haingo sy fananana maro eto amin’ny fiainana an-tany. Tomponay Oh ! mba hiatahan’izy ireo amin’ny làlanao ihany izany. Tomponay Oh ! ravao ny fananan’izy ireo ary hamafiso ny fon’izy ireo mba tsy ho mpino izy ireo mandra-pahitany ny sazy mamirifiry”.
Niteny Izy ka nanao hoe : \" Efa novalinay ny hatakanareo roa. Ka aoka Ianareo mba hahitsy toetra mandrakariva, aza manaraka ny làlan’ireo izay tsy mahafantatra na inona na inona.
Ary nampandalovinay ny ranomasina ireo zanak’Israely, izay nenjehin’i Faraona sy ireo tafiny tao anatin’ny fahatezerana sy ny fankahalana. Ka rehefa teo ampaharendrehana izy, dia niteny hoe: “Mino aho fa tsy misy tompo hafa, afa-tsy izay ninoan’ireo zanak’Israely, ary izaho dia isan’ireo mpankato”.
Anio dia avotanay ny vatanao mba ho famantarana ho an’ireo avy ao aoriana. Tena marina fa ny ankamaroan’ny Olona dia tsy miraharaha ireo famantarana avy Aminay.
Raha mba misy tanàna iray nino, ankoatra ny Vahoakan’i Jonasy, dia nahasoa azy ireo ny finoana ! Ary ho nesorinay tamn’izy ireo ny fampijaliana amin’ny fiainana eto an-tany sy nomenay fahafinaretana izy ireo ao anaty fotoana voafetra.
Teneno hoe : “ jerenareo, inona no any amin’ireo lanitra sy ny ety ambonin'ny tany ? ” Ary tsy hitera-boka-tsoa ho an’ireo vahoaka tsy nino na ny famantarana na ireo Mpampitandrina (Mpaminany).
Teneno hoe : ” O! Ianareo Olombelona, raha ohatra ka ao anatin’ny fisalasalana Ianareo mikasika ny finoako, fa izaho kosa dia tsy hanompo mihitsy izay tompoinareo Ankoatran'i Allah, fa dia manompo kosa an’i Allah izay manala ny fofon’ainanareo. Ary nandidy Ahy Izy ho anisan’ireo mpino.
Ary aza mangataka Ianao raha tsy amin’i Allah, amin’izay tsy azahoanao tombony na tsy hampahory Anao, fa raha manao izany Ianao, dia tena ho anisan’ireo mpanao ny tsy rariny.
Ary raha ataon’Allah hihatra aminao ny ratsy, dia tsy misy na iza na iza afaka hanala izany, ankoatra Azy. Fa raha te-hanao soa anao kosa Izy, dia tsy misy na iza na iza afaka hisakana ny fahasoavany izay homeny ny mpanompony araka izay sitrany, fa Mpamela heloka sy Mpamindra-fo Izy.