قَالُوا۟ ٱتَّخَذَ ٱللَّهُ وَلَدًۭا ۗ سُبْحَٰنَهُۥ ۖ هُوَ ٱلْغَنِىُّ ۖ لَهُۥ مَا فِى ٱلسَّمَٰوَٰتِ وَمَا فِى ٱلْأَرْضِ ۚ إِنْ عِندَكُم مِّن سُلْطَٰنٍۭ بِهَٰذَآ ۚ أَتَقُولُونَ عَلَى ٱللَّهِ مَا لَا تَعْلَمُونَ ﴿٦٨﴾
Miteny izy ireo hoe : “Nanan-janaka Allah”, Azy anefa ny Voninahitra sy ny Fahadiovana! Izy no Ilay manana ny ampy tanteraka. Azy avokoa izay rehetra any an-danitra sy ety ambonin’ny tany; tsy manana porofo amin’izany ianareo. Hiteny zavatra mifanohitra amin’Allah amin’izay tsy fantatrareo va ianareo ?