Tsy noharianay ny lanitra sy ny tany sy izay eo anelanelany raha tsy tamim-pahamarinana, ary ho amin'ny fotoana voafetra.Tsy miraharaha amin'izay nampitandremana azy ireo ny tsy mpino.
Na miteny izy ireo hoe : \"Noforoniny izany !\". Valio hoe : \"Raha namorona izany aho, dia tsy afaka hanampy ahy eo anatrehan'ny fanasazin'Allah ianareo. Fantany tanteraka izay ahelinareo, fa ampy ahy sy ianareo I Allah ary Izy no Ilay Mpamela heloka, Ilay be Indrafo.\"
Ary nisy Bokin'i Mosesy teo alohany, ho tari-dalana sy ho famindram-po. Ary ity Boky ity dia manamarina izany, amin'ny fiteny arabo,mba hampitandremana izay manao ny tsy rariny, sy hilazana vaovao mahafaly ho an'ireo mpanao soa.
Hamafisina, fa ireo izay miteny hoe : \"Allah no Tomponay \" avy eo manaraka ny lalana mahitsy, dia tsy misy hatahoran'izy ireo na hampalahelo azy ireo.
Ary nodidianay ny olombelona hanao ny tsara amin'ireo ray aman-dreniny, mafy ny nitondran-dreniny sy ny niterahany azy, ary maharitra telopolo volana ny fitondrany azy am-bohoka ka hatramin'ny fisaraha-nonony ; ary rehefa tonga eo amin'ny fahamatorany tanteraka izy, ka mahatratra efapolo taona dia hoy izy : \"Tompo o ! Tariho hisaotra nohon'ny soa nomenao ahy aho, sy nomenao ireo ray aman-dreniko, mba hanaovako asa soa ankasitrahanao. Ataovy mendrika ireo taranako. Mibebaka aminao aho, ary isan'ireo mpankato anao.\"
Fa izay miteny amin'ny ray aman-dreniny kosa hoe : \"Esy ! mandehana any ianareo ! mampanantena ahy va ianareo, fa havoaka avy ao amin'ny tany aho, nefa maro ny taranaka efa lasa any ?\". Ary nangata-bonjy tamin'I Allah izy roa : \"Loza ho anao ! Aoka ianao hino, fa marina ny fampanantenan'I Allah.\" Ka hamaly izy hoe : \"anganon'ny taloha izany.\"
Ary misy laharana ho an’ny tsirairay, araka izay nataony, mba hizaran’I Allah amin’izy ireo ny valin’asa feno, ka tsy hiangarana mihitsy izy ireo amin’izany.
Fa tsarovy ny rahalahin'ireo Aad, nampitandrina ny vahoakany izy tao Al-ahqaf, kanefa dia nisy mpampitandrina nandalo talohany sy taoriany, \"aoka ianareo tsy hanompo afa-tsy I Allah. Hatahorako ho aminareo ny famaizana amin'ilay andro mahatsiravina.\"
Hoy izy ireo : ‘’Tonga eto aminay mba hampihataka anay amin’ireo andriamanitray va ianao ? Raha izany, ento eto aminay izay nampitandremanao anay raha isan’ireo mpilaza ny marina ianao.‘’
Ary rehefa nahita rahona nankeny amin’ny sahany izy ireo, dia niteny hoe : “Indro ny rahona mitondra ranon’orana ho anay.” Ny mifanohitra amin’izany anefa, no ilay tadiavinareo hafainganina, dia ny rivotra mitondra famaizana mamirifiry,
Handrava ny zava-drehetra, nohon'ny didin’ny Tompony. Ary ny ampitson’iny, dia ny fonenan’izy ireo ihany no sisa tazana.Toy izany no hamalianay ireo olona mpanao ratsy.
Nomenay fahefana izay tsy nomenay anareo izy ireo. Ary nomenay fandrenesana, fahitana sy fo, saingy ny fandrenesany, ny fahitany, ny fony, dia tsy nahazoan’izy ireo tombotsoa, na amin’inona satria nandà ireo famantarana avy amin’I Allah izy ireo, ka dia voafatotr’izay nohesoiny.
Tsy hitan’izy ireo va, fa Allah no nahary ny lanitra sy ny tany, izay tsy mbola sasatra tamin’ny fahariany izany, ary afaka mamerina indray ny aina amin’ireo maty ? Izany mihitsy. Mahefa ny zava-drehetra tokoa Izy.
Mihareta àry ianao, tahaka ny niaretan’ireo Iraka nanam-piniavana, ary aoka ianao tsy ho maika hahita azy ireo hiharan’ny famaizana. Ny andro hahitan’izy ireo izay nampitandremana azy, dia ho tsaroan’izy ireo ho toy ny ora iray monja amin’ny andro iray, no nijanonan’izy ireo (teny ambon’ny tany). Fampandrenesana izany. Ka iza ary no ho potika raha tsy ireo olona mpanao ny ratsy ihany.