Ao anaty fahitsiana tanteraka, mba ho entiny hampitandrina amin’ny fahoriana mafy (fanasaziana) avy Aminy, sy mba ho entiny hanambarana vaovao mahafaly ireo mpino izay manao asa soa, fa “tena ho azy ireo ny valisoa tsara”.
Izahay dia mitantara aminao (ry Mohamady) ny tantaran’izy ireo, amim-pahamarinana. Marina fa izy ireo dia tanora nino ny Tompony, ka nohamafisinay tamin’izy ireo ny tari-dàlana.
Ary nataonay mafy orina tao am-pon’izy ireo, rehefa nitsangana izy ireo, ny fiitenenana hoe : “Ny Tomponay no Tompon’ireo lanitra sy ny tany, tsy hitalaho na oviana na oviana amin’ny zanahary hafa ankoatra Azy izahay, raha tsy izany, dia namoaka fiteny miala ny fahamarinana izahay.
Ireny vahoakanay ireny dia nandray zanahary hafa ankoatr'Azy (Allah). Maninona moa izy ireo no tsy nitondra porofo mazava mikasika izany ? Ka iza no tena mpanao ny tsy rariny mihoatra izay mamoron-dainga mahakasik'I Allah ?
Ary raha nihataka tamin’izy ireo ianareo sy momba izay notompoin’izy ireo ankoatr’I Allah, dia miafena ao anaty lava-bato ianareo : ny Tomponareo dia hampiely ny famindram-pony aminareo sy hanamora ny momba anareo, amin’ny raharaha ilainareo.
Ary hahita ny masoandro mihilana miankavanana miala ny lava-baton’izy ireo ianao, rehefa miposaka izy, ary rehefa milentika kosa izy dia miala amin’izy ireo miankavia, nefa izy ireo dia eo amin’ny toerana malalaka ao anaty (lava-bato). Izany dia isan’ireo fahagagana avy amin’I Allah ! Izay tarihin’i Allah amin'ny lalana dia izy no tena voatari-dalana. Fa izay naviliny lalana kosa dia tsy hahita mpiahy sy mpitarika azy ianao.
Ary heverinao toa mifoha izy ireo nefa matory. Ary navadibadikay amin’ny ilany havanana sy amin’ny ilany havia izy ireo, ary ny alikan’izy ireo kosa dia manampatra ny tongony roa aloha eo am-pidirana. Raha mahatazana azy ireo ianao dia tena hitsoaka ka handositra azy ireo ary tena ho feno tahotra eo anatrehan’izy ireo ianao.
Ary toy izany no namohazanay azy ireo, mba hifampanontany, niteny ny iray tamin’izy ireo hoe : “Hatramin'oviana no nijanonanareo (teto)? ”Niteny izy ireo hoe : “Andro iray na ampahan’ny andro no nijanonantsika”. Niteny (ny sasany) hoe : “Ny Tomponareo no tena mahafantatra ny fotoana nijanonanareo. Koa alefaso ny iray aminareo mankany an-tanàna miaraka amin’ity volanareo ity mba hitady sakafo tena madio, ka hitondrany anjara sakafo ho anareo avy amin’izany. Ary aoka izy hitondra ny tenany amim-pahamalinana sy tsy hampahafantatra ny momba anareo na amin’iza na amin’iza.
Tena marina fa raha mahatsikaritra anareo izy ireo dia ho torahan’izy ireo vato ianareo, na haverin’izy ireo amin’ny finoany, ka dia tsy hahita fahombiazana intsony ianareo.
Ary noho izany, dia nataonay ho aseho izy ireo mba ahafantaran’ireo (olona tao amin’ny tanàna) fa ny fampanantenan’I Allah dia tena marina tokoa ary marina fa ny ora dia tsy hisalasalana ny momba izany. Dia niady hevitra izy ireo (ireo olona tao amin’ny tanàna) ny mikasika azy ireo (olon’ny lava-bato), ka niteny izy ireo nanao hoe : “Hanorenanareo fonenana eo ambonin’izy ireo”. Ny Tompon’izy ireo no tena mahalala tokoa an'izy ireo. Niteny ireo izay nandresy (tamin’ny ady hevitra) momba azy ireo nanao hoe : “Tena hataontsika toeram-pivavahana eo ambonin’izy ireo.\"
Teneno (ry Mohamady) hoe : “Allah no tena mahafantatra ny fotoana nijanonan’izy ireo tao”. Azy ny zava-miafin’ireo lanitra sy ny tany. Tena Mahita sy Mandre tokoa Izy ! Tsy manana mpiahy na iray aza ankoatr'Azy (Allah) izy ireo ary tsy misy na iza na iza atambany Aminy amin’ny fiadidiany.
Ary mahareta ny tenanao miaraka amin’ireo izay miantso ny Tompon’izy ireo maraina sy hariva, (izay) mitady ny zava-drehetra amin'ny fotony Tompony. Ary aoka ny masonao tsy hiala azy ireo mihitsy, ho amin’ny fitadiavana ny rendrarendran’ny fiainana eto an-tany. Ary aza mankatò izay nataonay variana amin’ny fampahatsiahivanay ny fony sy manaraka ny hetahetam-pony ary ny raharahany rehetra dia fahaverezana sy fahapotehana avokoa.
Ary teneno : \"Ny fahamarinana dia avy amin’ny Tomponareo”. Ka izay tia hino, dia aoka izy hino ary izay mankasitraka ny tsy finoana, dia aoka izy tsy hino. Tena marina fa nomaninay ho an’ireo mpanao ny tsy rariny ny afo, izay manodidina azy ireo ny lel’afo mivaivay. Ary raha mitady rano izy ireo, dia ho ampisotroina rano tahaka ny menaka mangotraka mandoro ny tarehy. Tena zava-pisotro ratsy tokoa ary fonenana tena mahatsiravina izany !
Ary tsy mieritreritra mihitsy aho fa ho avy ny Ora, ary raha miverina any amin’ny Tompoko aza aho dia tena hahita tsara kokoa noho izao (zaridaina izao) ho takalony.
Tamin’ny fotoana nidiranao ny zaridainao, naninona ianao no tsy mba niteny hoe : \"Izaho no sitrak’I Allah ! Ary tsy misy hery ka tsy avy amin’I Allah”, rehefa hitanao fa tsy manan-karena sy kely anaka kokoa noho ianao aho.
Ary anaovy fanoharana izy ireo (ry Mohamady) amin’ny fiainana eto an-tany : tahaka ny rano izay nampidininay avy any an-danitra; ka mifangaro aminy (rano) ny zava-manirin’ny tany, avy eo dia lasa ahitra maina izay aparitaky ny rivotra. Ary Allah dia mahery amin’ny zava-drehetra.
Ny harena sy ireo zanaka dia haingon’ny fiainana eto an-tany. Ary ireo asa soa maharitra dia mbola ahazoana valisoa tsara (noho izany) eo anatrehan’ny Tomponao sy fanantenana tsara.
Ary (ampahatsiahivo azy ireo) amin’ny andro izay hampandehananay ny tendrombohitra, ka hahita ny tany misongadina ianao. Ary havorinay izy ireo ka tsy misy na dia iray aza avelanay amin’izy ireo.
Ary napetraka ny Boky mba ho hitanao ireo mpanao heloka bevava matahotra izay ao anatiny. Ary hiteny izy ireo hoe : “Loza ho anay ! Fa inona ity boky ity no tsy mamela (ireo fahotana) kely na lehibe raha tsy notanisany ?” Ary ho hitan’izy ireo miharihary eo anoloany izay nataony. Ary tsy manao ny tsy rariny na amin’iza na amin’iza ny Tomponao.
Ary (tsarovy) rehefa niteny tamin’ireo Anjely Izahay nanao hoe : \"Miankohofa amin’i Adama ianareo”, dia niankohoka daholo izy rehetra afa-tsy i Iblisy (Satana) izay avy amin’ny djiny nanohitra ny didin’ny Tompony. Dia mbola noraisinareo ho mpiahy ve izy sy ny taranany ankoatra Ahy (Allah), nefa izy ireo dia fahavalonareo ? Takalo ratsy tokoa no nataon’ireo mpanao ny tsy rariny !
Tsy nataoko vavolombelon’ny faharian’ireo lanitra sy ny tany izy ireo na amin’ny fahariana ny tenan’izy ireo. Ary tsy nandray ireo very lalana ho mpanampy Aho.
Ary efa nanazava amin’ny alalan’ny ohatra maro isan-karazany Izahay ho an’ny olona, ao anatin’ity Koro’any ity, nefa ny olombelona no be fifandirana indrindra amin’ny zava-drehetra.
Ary iza moa no mpanao ny tsy rariny mihoatra izay nampahatsiahivina ireo andian-tenin’ny Tompony kanefa nitsipaka izany sy nanadino izay nataon’ny tanany roa ? Nosaronanay ny fon’izy ireo, mba tsy ahazoan’izy ireo izany (ny Koro’any) sy (nasianay) marenina ao anatin'ny sofin’izy ireo. Ary na dia miantso azy ireo mankany amin’ny lala-mahitsy aza ianao dia tsy hanaraka ny hitsin-dalana na oviana na oviana izy ireo
Ary raha niteny i Mosesy tamin’ny mpanampiny lahy nanao hoe : “Tsy hijanona aho raha tsy tonga eo amin’ny fihaonan’ny ranomasina roa na koa handeha mandritry ny taona maro”.
Ary rehefa tonga teo amin’ny fihaonan’ny (ranomasina) izy roa, dia nanadino ny trondrony izy ireo ka dia nandray ny lalany mora foana nankany any an-dranomasina izy (ilay trondro).
Niteny i Mosesy ka nanao hoe: ” Raha mbola manontany Anao Aho na amin’inona na amin’inona aorian’izao, dia aza mandray Ahy ho namana intsony Ianao. Ary tena ho afa-tsiny Amiko Ianao.
Dia nanohy ny diany àry izy Roa lahy, ka rehefa tonga tao amin’ny tanàna iray izy ireo, dia nangataka sakafo tamin’ireo mponina tao, nefa nandà ny hampiantrano izy Roa izy ireo. Avy eo dia nahita rindrina mila hianjera izy roa, ka dia nareniny (ilay mpanompo) izany. Niteny izy (Mosa) nanao hoe : \" Raha sitrakao dia nakanao tambiny Izao ”.
Niteny Izy (ilay mpanompo) ka nanao hoe : \" Eto Izaho sy Ianao no misaraka ary ho ambarako Anao amin’izay ny dikan’ireo izay tsy nanananao faharetana.
Raha ny amin’ilay sambo, dia an’ireo Olona mahantra izay miasa eny an-dranomasina. Tiako ny hanimba azy, satria misy mpanjaka aorian’izy ireo izay maka an-keriny ny sambo rehetra (izay tsara).
Raha ny amin’ilay zazalahy kely kosa, dia mpino ny Ray aman-dreniny , ka atahoranay sao dia hanery azy Roa hihoam-pefy sy tsy hino Izy (ilay zazalahy kely).
Fa raha ny amin’ilay rindrina kosa, dia an’ny Zaza kamboty Roa lahy tao amin’ilay tanàna. Ary misy tao ambanin’izany ny harena sarobidin’izy Roa lahy. Ary ny Rain’izy ireo dia tsara fanahy, ka tian’ny Tomponao ho tonga amin’ny fahamatoran-tsaina no hitrandraka ilay haren'izy Roa ireo nohon'ny famindram-pon’ny Tomponao.Tsy nanao azy ireny tamin’ny sitrapoko manokana Aho ; Izany no fanazavana ireny (zavatra) izay tsy nanananao faharetana ireny.
Niteny izy (Zol-Karnainy) hoe : ” Fa izay manao ny tsy rariny dia ho sazinay izy, avy eo dia haverina any amin’ny Tompony dia ho faizinay amin’ny famaizana mahatsiravina.
Niteny izy ireo ka nanao hoe: “ O ! Ry Zol-karnainy, marina fa Yajojo (yagoga) sy Majojo (magoga) dia mpanao asa fanimbana eto an-tany, Moa ve azonay atao ny manome ampahan-karena mba hanangananao fefy mampisarakanay sy izy ireo ”.
Moa ve mihevitra ireo izay tsy mino, fa afaka handray ireo mpanompoko ho Mpiahy ankoatra Ahy ? Tena marina fa nomaninay ny Afobe ho fonenan’ireo tsy mpino.
Izy ireny izay mitsipaka ireo famatarana avy amin’ny Tompony, sy ny fihaonana Amin'i Allah. Ka dia ho foana ny asan’izy ireo ”. Tsy omenay lanja na dia kely aza amin’ny Andro Fitsanganana (amin’ny maty) izy ireo.
Teneno hoe: “ Raha ny ranomasina no ranomainty hanoratana ireo tenin’ny Tompoko, dia ho ritra izany mialoha ny hahataperan’ireo tenin’ny Tompoko, na dia ampinay mitovy amin’izany koa aza ”.
Teneno hoe : “ Izaho dia tena Olombelona tahaka Anareo ihany koa. Nanambara tamiko Izy, fa ny Zanaharinareo dia Zanahary tokana ! Koa na iza na iza manantena ny hihaona amin’ny Tompony, dia aoka Izy hanao asa soa; ary aoka tsy hampikambana zavatra hafa amin’ny Tompony, amin’ny fanompoana Azy.