Voninahitra ho an’Ilay nampandeha, ny Mpanompony (Mohammad) tamin’ny alina, avy tao amin’ny Al-Masjid Al-Haràm (ao Makka), ka hatrany amin’ny Al-Masjid Al-Aksà, izay nosoavinay ny manodidina azy, mba hanehoanay aminy ny fahagagana avy Aminay. Marina fa Izy no tena mandre sy mahita ny zava-drehetra.
Raha manao ny tsara ianareo, dia nanao tsara tamin’ny tenanareo ihany ; ary raha manao ny ratsy ianareo dia ho anareo ihany. Ary rehefa tonga ny faminaniana farany, dia ny mba hampahorian'izy ireo ny endrikareo sy mba hidiran’izy ireo ao amin’ny toeram-pivavahana tahaka ny nidiran’izy ireo tamin’ny voalohany ary ny mba hanimban’izy ireo tanteraka izay voababon’izy ireo.
Marina fa ity Koroany ity dia mitari-dalana ho amin’ny fahitsiana kokoa, ary milaza vaovao mahafaly ho an’ireo mpino izay manao ny soa; fa tena ho azy ireo tokoa ny valisoa lehibe.
Ary nataonay ny alina sy ny andro ho famantarana roa, ka nofafanay ny famantaran’ny alina ary nataonay ho hita maso ny famantaran’ny andro mba hitadiavanareo ny fahasoavana avy amin’ny Tomponareo sy hahafantaranareo ny isan’ny taona ary ny fanisana ny fotoana. Ary ny zava-drehetra dia nohazavanay amin’ny antsipiriany.
Ary nafatotray eo ambozon’ny olona tsirairay avy ny asany. Ary amin’ny Andro Fitsanganana (amin’ny maty) dia hamoahanay boky izy ho hitany mivelatra eo anoloany.
Na iza na iza nizotra tamin’ny lala-mahitsy, dia nanitsy ny tenany ihany. Ary na iza na iza nizotra tamin’ny lalan’ny fahaverezana, dia namery ny tenany ihany. Ary tsy hisy hitondra ny enta-mavesatry ny hafa. Ary Izahay dia tsy manasazy mihitsy (ny vahoaka iray) raha tsy efa nandefasanay Iraka teo aminy.
N'iza n'iza maniry ny haingana (ny fiainany eto an-tany), dia hafainganinay ho azy izay sitrakay amin’izay tianay. Avy eo dia hataonay ho azy ny afobe, ka hiditra ao izy, voaheso sy voatositosika.
Ny tsirairay dia hampianay na ny andaniny na ny ankilany, amin’ny fanomezan’ny Tomponao. Ary tsy ho lavina (na amin’iza na amin’iza)ny fanomezana avy amin’ny Tomponao.
Jereo, fa ahoana àry ny fanomezanay tombony ny sasany amin’izy ireo mihoatra ny sasany hafa ! Ary ny any ankoatra dia ambony kokoa amin’ny laharana sy amin’ny fahamendrehana.
Ny Tomponareo dia mahalala indrindra izay ao amin’ny tenanareo. Raha tsara fanahy ianareo, dia tena Mpamela heloka tokoa Izy ho an’ireo izay miverina (mibebaka) Aminy.
Ary aza atao eo amin’ny vozonao ny tànanao voafatotra (noho ny fahihirana), ary aza avelatra malalaka loatra ihany koa, raha tsy izany ianao dia ho voan-tsiny sy halahelo.
Tena marina fa ny Tomponao dia mizara malalaka ny anjara fivelomana amin’izay sitrany ary mametra izany ihany koa. Tena mahalala sy mahita ireo mpanompony Izy.
Ary aza vonoina ny zanakareo nohon'ny fatahorana ny fahantrana. Izahay no manome ny anjara fivelomana ho azy ireo, toy izany koa ny anareo.Tena marina fa ny famonoana azy ireo dia hadisoana lehibe.
Ary aza mamono ny aina izay nofadian’I Allah ianareo, raha tsy amim-pahamarinana. Ka n'iza n'iza novonoina tsy ara-drariny, dia omenay fahefana ny havany, ka aoka izy tsy hihoa-pampana amin’ny famonoana satria tena ho voavonjy (amin’ny alalan’ny lalàna) izy.
Ary aza manakaiky ny haren’ny kamboty ianareo, afa-tsy amin’izay fomba mendrika indrindra, mandra-pahalehoany tena. Ary tanterahanareo ny fifanarahana, marina fa ny fifanarahana dia ho anontaniana.
Ary ataovy feno tsara ny famarana, raha mamatra ianareo, ary mandanjà amin’ny fandanjana marina ianareo, fa izany no tsara (ho anareo), ary tena mendrika tokoa ny vokany.
Ary aza manaraka izay tsy anananao fahalalana ianao. Marina fa ny fandrenesana, ny fahitana, ny fo, izy rehetra ireny dia ho anontaniana ny olombelona avokoa.
Ary aza manitsaka eny amin’ny tany amim-pireharehana ianao, marina fa ianao dia tsy hahavaky ny tany mihitsy, ary tsy hahatratra na oviana na oviana ny haavon’ny tendrombohitra ianao.
Izany dia anisan’izay nambaran’ny Tomponao taminao momba ny fahendrena. Ary aza atao mihitsy ny mampitambatra an'I Allah amin’ny zanahary hafa, raha tsy izany dia hatoraka ao anaty afobe ianao, voarahona sy voatosika.
Moa ve ny Tomponareo nanokana ho anareo ny zazalahy, fa nandray ny zazavavy ho Azy kosa Izy amin‘ireo Anjely ? Marina fa ianareo dia miteny teny tsy mendrika tokoa.
Tena efa namelabelatra (ny zava-drehetra) ao anatin’ity Kor’any ity Izahay mba hieritreretan’izy ireo. Nefa (izany) dia tsy nampitombo afa-tsy ny fanalaviran’izy ireo (ny marina).
Teneno hoe : “Raha nisy zanahary hafa miaraka Aminy (Allah), araka ny filazan’izy ireo, dia ho nitady lalana izy ireo mba ho Tompon’ilay Seza fiandrianana.
Mankalaza ny Voninahiny ireo lanitra fito sy ny tany, ary izay rehetra eo anelanelany. Tsy misy na inona na inona, ka tsy mankalaza ny voninahiny sy ny fiderana Azy. Kanefa tsy fantatrareo ny fomba fideran’izy ireo Azy. Izy dia tena be Fangorahana sy be Famelan-keloka tokoa.
Na ho zava-boary hafa izay heverinareo fa lehibe ao amin’ny fonareo! Ary dia mbola hiteny izy ireo manao hoe : “Iza àry no hamerina anay indray avy eo ?” Teneno hoe : “Izay nahary anareo voalohany tany am-piandohana”.Hanifikifi-doha aminao izy ireo sy hiteny manao hoe : “Rahoviana izany ?”. Ka teneno hoe : “Angamba tsy ho ela intsony izany”.
Ary teneno amin’ireo mpanompoko mba hiteny ny (teny) izay tena tsara. Marina fa ny satana dia mamafy korontana eo amin’izy ireo. Hamafisina, fa ny satana dia fahavalo miharihary ho an’ny olombelona.
Ny Tomponareo dia mahalala anareo tokoa. Raha sitrany dia hamindra fo aminareo Izy, ary raha sitrany dia ho faiziny ihany koa ianareo ary tsy nalefanay ho mpiantoka azy ireo ianao.
Ary ny Tomponao dia mahalala tokoa izay eny amin’ireo lanitra sy ny tany. Ary efa nomenay tombony tokoa ny sasany tamin’ireo Mpaminany noho ny sasany hafa, ary dia nomenay an’i Daoda (Davida) ny «Zabora».
Na ireo izay antsoin’izy ireo aza dia mitady amin’ny Tompon’izy ireo ny fomba hanatonana Azy bebe kokoa. Ary manantena ny famindram-pony izy ireo sy matahotra ny famaizany. Marina fa ny famaizan’ny Tomponao dia atahorana tokoa.
Ary rehefa noteneninay ianao, fa ny Tomponao tokoa dia mamehy ny olombelona rehetra. Ary tsy nasehonay taminao ny fahitana (ny fahagagana), raha tsy fitsapana ho an’ireo olona ihany, toy ny hazo voahozona ao amin’ny Kor’any. Ary ampatahorinay izy ireo, nefa izany dia vao maika mampitombo ho azy ireo ny fihoaram-pefy lehibe.
Niteny Izy (Allah) nanao hoe : “Mandehana ianao ! Fa n'iza n'iza manaraka anao amin’izy ireo dia ny afobe no tena hamaliako anareo, valiny lehibe tokoa izany!
Ny Tomponareo izay mampisosa ho anareo ny sambo eny amin’ny ranomasina, mba hitadiavanareo ny fahasoavany.Tena marina fa Izy dia tena be Indrafo aminareo.
Mino ve ianareo fa ho voaaro, tsy handentika anareo ao anaty rindrin-tany Izy na tsy handefa rivo-mahery aminareo ? Ka tsy hahita mpiahy ho anareo ianareo !
Ny andro izay hiantsoanay ny olona rehetra avy amin’ny mpitarika azy ireo, ka izay omena ny bokiny amin’ny tanany havanana, izy ireny dia hamaky ny bokiny (amim-pifaliana), ary tsy hanaovana ny tsy rariny mihitsy na dia kely aza.
Noho izany, dia hampandramaninay anao ny roa avo henin’ny sazy eto an-tany sy ny roa avo henin’ny sazy amin’ny fahafatesana; avy eo dia tsy hahita mpanavotra hanohitra Anay ianao.
Ary manokàna ny ampahan’ny alina, amin’ny fanatanterahana ny fanompoana fanampiny ho anao (Tahadjoud), mba hananganan’ny Tomponao anao amin’ny toerana mendri-piderana.
Ary raha fenoinay fahasoavana ny olombelona, dia mitodi-damosina sy mivily lalana izy, fa raha misy ratsy mianjady aminy kosa, dia ketraka tanteraka izy.
Teneno hoe : “Na dia hitambatra aza ny olombelona sy ny jiny, mba hamorona ny mitovy amin’ity Kor’any ity, dia tsy hahavita hanao izay mitovy amin’izany mihitsy izy ireo, na dia hifanampy aza izy ireo”.
Ary marina tokoa fa nasehonay tamin’ny olombelona ao anatin’ity Kor’any ity ny karazana ohatra maro. Nefa nandà izany ny ankamaroan’ny olona, afa-tsy ny tsy finoana.
Na koa hanana trano feno haingo ianao, na koa hiakatra any an-danitra ianao. Ary tsy hino velively ny fiakaranao any an-danitra izahay mandraka ampidinanao ny boky aty aminay ho vakianay”. Teneno hoe : “Voninahitra anie ho an’ny Tompoko ! Moa ve tsy olombelona no sady Iraka ihany aho ?”
Ary tsy nisy, na inona na inona nanakana ny olona tsy hino, rehefa tonga tamin’izy ireo ny fahamarinana afa-tsy ny tenin’izy ireo manao hoe : “Moa ve I Allah no nandefa olombelona ho Iraka ?”
Ary izay tarihin’I Allah lalana, dia izy no voatari-dalana tsara. Fa izay vereziny kosa, dia tsy hahita mpiahy ho azy ireo ianao ankoatr'Azy (Allah). Ary havorinay izy ireo amin’ny Andro Fitsanganana no sady ho tarihina amin’ny tavany izy ireo, ho jamba, ho moana, ho marenina. Ary ny afobe no hialofan’izy ireo, ka isaky ny mihena ny afo dia haredaredanay mivaivay ho azy ireo ny lelan’afo.
Tsy hitan’izy ireo ve, fa Allah izay Nahary ireo lanitra sy ny tany dia afaka hamorona ny mitovy amin’izy ireo ?Ary nametraka fe-potoana ho azy ireo Izy, izay tsy hisalasalana ny amin’izany, nefa mandà ireo mpanao ny tsy rariny, afa-tsy ny tsy finoana.
Teneno hoe : “Raha ianareo no nanana ny haren’ny famindram-pon’I Tompoko, dia ho nofihininareo mafy tokoa, nohon'ny tahotra amin’ny fandaniana. Ary ny olombelona dia tena mahihitra.”
Niteny izy (Mosa) : “Efa fantatrao tsara, fa tsy nisy nampidina ireny (fahagagana) ireny afa-tsy ny Tompon’ireo lanitra sy ny tany ihany, mba ho porofo miharihary, ary tena mihevitra tokoa aho fa very ianao ry Faraona !”
Ary niteny Izahay, taorian’izany, tamin’ireo zanak’Israely nanao hoe : “Honenanareo ny tany !”. Ary raha tonga ny fampanantenana ny (fiainana) any ankoatra, dia hataonay tonga maro ianareo.
Ary tamim-pahamarinana no nampidinanay azy (Kor’any), ary nidina niaraka tamin’ny fahamarinana izy, ary tsy nalefanay ianao raha tsy ho mpilaza (vaovao mahafaly) sy ho mpampitandrina.