Surah Al-Fajr ( The Dawn )

Surah Al-Fajr ( The Dawn ) - Malagasy Aya count 30

Mianiana aho ny amin'ny maraina vao mangiran-dratsy.
Ny amin'ny alina folo (alin'ny volana Zol-Hijjah).
Moa va tsy nodinihinao ny nanaovan'I Allah ireo vahoaka'i A'ad ?
Ary i Iramah izay nanana andry niankinana ?
Ary i Farao nanana miaramila maro aman-defona.
Noho izany dia nandefasan'ny Tomponao kapoka mavaivay izy ireo.
Tena marina ! Ny tomponao dia manara-maso fatratra.
Ary rehefa notsapàny koa izy ireo ka nampianjadiany fahasahiranana ; dia hiteny izy ireo hoe : \"tsy norarahin'ny Tompoko aho\".
Tsia ! indrisy anefa fa manao tsinotsinona ny kamboty ianareo.
Ary tsy mifamporisika amin'ny fanomezana sakafo ireo mahantra ianareo.
koa amin'izany andro izany dia haseho ny Afobe, dia ilay andro izay hahatsiarovan'ny olombelona, nefa inona intsony moa no ilany ny fahatsiarovana amin'izany fotoana izany ?
ka hiloa-bava hoe : \"tahaka izay aho mba nanao hatsarana ho amin'ny fiainako ho avy !\"
Amin'izany andro izany dia tsy hisy famindram-po ny famaizan'I Tompo Allah,
ary tsy hisy famindram-po tahaka izany ihany koa ny famatoran-drojon'I Allah,
Miverena ianao any amin'ny Tomponao am-pahatoniana sy feno fakansitrahana.
Ary midira ho ao amin'ny Paradisako.
Share