Surah Fussilat ( Explained in Detail )

Surah Fussilat ( Explained in Detail ) - Malagasy Aya count 54

Hà, Mîm.
Fanambarana nidina avy tamin’Ilay be fiantrana, Ilay be indrafo.
Boky misy andininy izay voalaza amin’ny antsipirihany, Koroany amin’ny fiteny arabo, ho an’ireo vahoaka mahafantatra izany,
Mpilaza vaovao mahafaly sy mpampitandrina. Nefa ny ankamaroan’izy ireo, dia nihataka izany, ka tsy mandre izy ireo.
Lazao hoe: “tsy inona izaho, fa olombelona tahaka anareo ihany. Nambara tamiko, fa tokana ny Zanaharinareo. Koa tadiavo ny lalana mahitsy mankany Aminy, ary mangataha famelan-keloka Aminy ianareo”. Fa loza ho an’izay mampikambana Azy amin’ny hafa,
Hamafisina, fa ireo izay mino sy manatanteraka ny asa soa kosa, dia ho azy ireo ny valisoa tsy hanana fahataperana.
Ary Izy no nampitoetra ireo tendrombohitra eo amboniny (tany), sy nitsodrano azy, ka nametraka vokatra ara-tsakafo nandritra ny efatra andro katroka, mamaly ny filan’ireo rehetra izay mangataka.
Avy eo dia niroso tamin’ny fihariana ny lanitra Izy izay mbola setroka fotsiny tamin’izany, ka niteny taminy sy tamin’ny tany hoe : “ Avia avokoa ianareo roa, na tianareo, na tsy tianareo!”. Dia samy niteny izy roa hoe: “Tonga amim-panekena izahay ”.
Ka nanapa-kevitra Izy, fa hanamboatra lanitra fito ao anatin’ny roa andro, sady nanambara ny anjara asan’ny lanitra tsirairay avy. Ary noravahinay jiro maro ny lanitra izay akaiky indrindra, ary narovanay. Izany no rafitra napetrak’Ilay Tsitoha, Ilay mahalala ny zava-drehetra.
Fa raha tsy miraharaha izany izy ireo, dia teneno hoe : “ Mampitandrina anareo aho amin’ny varatra mitovy amin’izay nahavoa ireo Ády sy ireo Tamody ”.
Rehefa tonga tamin’izy ireo ny Iraka, teo alohany sy taoriany, izay niteny hoe : “Aza manompo afa-tsy I Allah ihany ianareo”. Dia hoy izy ireo hoe: “Raha sitrakin'ny Tomponay, dia hamafisina, fa ireo Anjely mihitsy no nampidininy. Noho izany dia tsy mino izay nanirahana anareo Izahay”.
Ka ireo Ády, dia nirehareha tamin’ny tsy rariny teto an-tany, ary niteny izy ireo hoe: “Iza no matanjaka indrindra mihoatra anay?”. Moa tsy hitan’izy ireo ve, fa raha ny marina dia matanjaka lavitra noho izy ireo I Allah, Ilay nahary azy ireo? Fa nolavin’izy ireo ny famantarana avy Aminay.
Ary nalefanay tamin’izy ireo ny rivo-mahery sy mamirifiry, izay nisafotofoto tamin’izy ireo nandritra ny andro ratsy, mba hampanandramanay azy ireo ny famaizana, fahafahambaraka amin’ny fiainana eto an-tany. Mbola mahamenatra noho izany anefa ny famaizana any ankoatra, ary tsy ho vonjena izy ireo.
Fa ireo Thamody kosa, dia nitari-dàlana azy ireo Izahay, nefa naleony ny nisafidy ny fahajambana toy izay ny tari-dàlana. Ka dia niharan’ny varatry ny fampijaliana izy ireo, noho izay nataony.
Ary amin’ny andro izay hanangonana ireo fahavalon’I Allah ho any amin’ny afo dia hatosika izy ireo.
Ary hiteny amin’ny hodiny izy ireo hoe : “ Nahoana ianareo no mijoro vavolombelona manohitra anay ? ”. Dia hamaly ny hoditra hoe : “ I Allah no nampiteny anay, izay nampiteny ny zava-drehetra. Ary Izy no nahary anareo voalohany, ary any Aminy no hamerenana anareo ”.
Raha maharitra amin’izany izy ireo, dia ny afo no toeram-ponenany, ary raha mialatsiny izy ireo, dia tsy ho isan’ireo hahazo fialan-tsiny velively.
Ary nanokananay namana (devoly) tsy misaraka aminy izy ireo, izay nampihaingo ny teo aloha sy ny taorian’izy ireo. Ary nihatra ara-drariny tamin’izy ireo ny lalàna, tahaka ny niharan’izany tamin’ny vahoaka maro izay efa nandao talohan’izy ireo, amin’ireo Jiny sy olombelona izay niaina talohan’izy ireo. Fa matiantoka tokoa izy ireo.
Hamafisina, fa hampanandramanay famaizana mafy tokoa ireo izay tsy nino, ary ny valin-kasasarana homenay azy ireo dia ho ratsy kokoa noho izay nataony.
Hamafisina, fa ireo izay niteny hoe: “Allah no Tomponay, ary mifikitra amin’ny lalana mahitsy, dia hidina eo amin’izy ireo ny Anjely. “ Aza matahotra ianareo, ary aza malahelo, fa aoka ianareo hifaly amin’ny Paradisa izay nampanantenaina anareo ”.
Toeram-pandraisana avy amin’Ilay be famelan-keloka, Ilay be indrafo.
Ary iza no manana teny tsara indrindra noho izay miantso mankany amin’I Allah, manao asa soa ary miteny hoe : “ Isan’ireo mpankato tokoa aho ”.
Fa anisan’ireo fahagagana avy any Aminy ny alina sy ny andro, ny masoandro sy ny volana, koa aoka ianareo tsy hiankohoka na amin’ny masoandro, na amin’ny volana, fa miankohofa kosa ianareo amin’I Allah izay nahary azy ireo, raha Izy tokoa no tompoinareo.
Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy, ny fahitanao tokoa fa ny tany dia manetry tena. Ka raha vao nampidinanay rano teo aminy, dia indro izy fa nahazo aina sy lasa lonaka. Hamafisina, fa Ilay namelona azy, no hamelona indray ny maty, satria Izy tokoa no mahefa ny zava-drehetra.
Hamafisina, fa rehefa tonga tamin’izy ireo ny teny fampahatsiahivana, dia tsy nino izany izy ireo (Koroany), nefa dia Boky manan-kery tokoa izany.
Tsy hahitana hadisoana izany, na tany alohany na taty aoriany, satria fanambarana avy amin’Ilay be fahendrena, sy mendri-piderana izany.
Tsy misy teny izay lazaina aminao afa-tsy izay efa voalaza tamin’ireo Iraka talohanao ihany. Marina fa ny Tomponao dia Tompon’ny famelan-keloka sy famaizana mamirifiry.
Ary raha nataonay tamin’ny fiteny hafa ankoatra ny teny arabo ny Koroany, dia mbola hiteny toy izao izy ireo: “Nahoana no tsy natao mazava tsara ireo andininy? Koroany tsy amin’ny fiteny arabo, nefa ny Iraka kosa dia arabo? Lazao hoe: “Izy io dia tari-dalana sy fanasitranana ho an’ireo izay mino”. Fa ho an’ireo izay tsy mino kosa, dia marenina izy ireo ary jamba ny masony manoloana izany, antsoina avy amin’ny toerana lavitra izy ireo.
Ary efa nomenay an’i Mosesy (Mosa) ilay Boky, tsy nitovy hevitra momba izany izy ireo. Raha tsy efa nisy didy mialoha avy tamin’ny Tomponao, dia efa nisy fanampahan-kevitra noraisina momba azy ireo. Ary tena marina fa feno fisalasalana momba izany tokoa izy ireo.
Fa izay manao asa soa, dia manao izany ho an’ny tenany ihany, fa izay manao ny asa ratsy kosa, dia fahavoazana ho azy irery ihany izany, ary ny Tomponao dia tsy miangatra velively amin’ny mpanompony.
Any amin’I Allah ny fahafantarana ilay Ora. Tsy misy voa mivoaka amin’ny akorany, na vavy mitoe-java, na miteraka, ka tsy fantany. Ary amin’ny andro hiantsoany azy ireo hoe: “Aiza ireo natambatra Amiko? ”. Dia hiteny izy ireo hoe : “Ambaranay aminao, fa tsy misy vavolombelona amin’izany mihitsy aminay ”.
Ary rehefa fenoiNay fahasoavana ny olombelona, dia mandositra izy ireo ka manalavitra. Fa rehefa misy zavatra ratsy mahazo azy kosa, dia mitalaho maharitra izy.
Lazao hoe : “Moa hitanareo va, raha avy tamin’I Allah izy ity (Koroany), nefa dia maniratsira izany ianareo avy eo iza no very lalana indrindra, raha tsy izay nanalavitra tanteraka (finoana) ? ”
HasehoNay azy ireo ny famantarana avy Aminay eo amin’izao rehetra izao, sy amin’ny tenan’izy ireo, mandra-pahitan’izy ireo mazava fa izany no fahamarinana.Tsy ampy va ny fahitan’ny Tomponao ny zavatra rehetra?
Share