An’I Allah ny finoana madio, fa ireo izay maka piahy hafa ankoatr’Azy kosa dia milaza hoe: “ny hampanakaiky anay kokoa amin’I Allah no anompoanay azy ireo”. Hamafisina, fa hitsara azy ireo amin’izay mampifanditra azy ireo I Allah. Tsy mitari-dàlana izay mpandainga sy tsy mahay mankasitraka tokoa I Allah.
Raha maniry te-hanan-janaka I Allah, dia afaka nisafidy tamin’izay namboariny Izy. Voninahitra anie ho Azy! Fa Izy no Allah, Ilay Tokana, Ilay Mpifehy faratampony.
Fa tamim-pahamarinana no nahariany ny lanitra sy ny tany. Mampifandimby ny alina amin’ny andro Izy, ary mampifandimby ny andro amin’ny alina, ary nofeheziny ny masoandro sy ny volana ho samy manohy ny diany tsirairay avy amin’ny tanjona voafetra. Fa Izy no Ilay Tsitoha, Ilay fatra mpamela heloka.
Nahary anareo avy tamin’ny vatana tokana Izy, avy eo notsoahiny avy tamin’izany ny vadiny. Ary nampidina biby fiompy valo ho anareo Izy. Nahary anareo tao an-kibon’ny reninareo Izy, fahariana taorian’ny fahariana, tao anatiny haizin’ny fonom-pananahana telo, izany no Allah Tomponareo ! Azy ny fanjakana rehetra. Tsy misy Zanahary hafa afa-tsy Izy ihany, ka ahoana àry no iatahanareo Aminy?
Raha tsy mino ianareo, dia tsy mila anareo mihitsy I Allah. Tsy mankasitraka ny fikomiana amin’ny mpanompony Izy. Ary raha mahay mankasitraka kosa ianareo, dia mankasitraka anareo koa Izy. Tsy hisy hibaby ny fahotan’ny hafa. Avy eo, dia any amin’ny Tomponareo no hiverenanareo, ka dia hambarany aminareo izay nataonareo, satria Izy no mahafantatra izay raiketin’ny fo.
Ary raha misy loza mahazo ny olombelona, dia miantso ny Tompony amim-pibebahana izy. Avy eo, rehefa omeny fahasoavana avy Aminy izy, dia hadinony ny antony niantsoany Azy teo aloha, ka ampitoviany amin’ny hafa I Allah, mba tsy hizoran’ny olona amin’ny lalany. Lazao hoe: “Mifalia amin’ny tsy finoanao mandritra ny fotoana fohy ianao, fa ianao dia anisan’ny olon’ny Afobe”.
Izay mifantoka amin’ny fivavahana, mandritra ny alina, miankohaka sy mitsangana, mitandrina ny any ankoatra, ary manantena ny famindram-pon’I Tompony. Lazao hoe: “Moa mitovy ve ireo izay mahalala sy tsy mahalala?”. Hamafisina, fa ireo manan-tsaina mahiratra ihany no mahatsiaro izany.
Tompoy àry izay sitrakareo ho tompoina ankoatra Azy .Lazao hoe : “ ny tena matiantoka, dia ireo izay nanao izay hahavery ny tenany sy ny fianakaviany,ny amin’ny andron'ny fitsanganana”. Moa tsy izany ve no tena fatiantoka miharihary ?
Ary izay mihataka ny fanompoan-tsampy, tsy hanompoany azy, ka niverina amin’I Allah, dia ho azy ireo ny vaovao mahafaly ! Koa lazao amin’ireo mpanompoko izany,
Fa ireo izay matahotra ny Tompony kosa, dia ho any amin’ny rihana ao amin’ny Paradisa, izay misy rihana hafa ao amboniny, ary renirano mikoriana ao ambaniny. Izany dia fampanantenana avy amin’I Allah. Satria tsy mivadika amin’ny fampanantenany I Allah.
Moa tsy hitanao ve, fa mampidina rano avy any an-danitra tokoa I Allah, ka alefany amin’ny loharano ao anatin’ny tany izany, avy eo, amin’ny alalan’izany no hampaniriany ny zava-maniry maro, samy hafa loko, izay mihamalazo avy eo, ka ho hitanao mihamavo, ary hataony ho potipotika izany. Hamafisina, fa izany dia misy fampahatsiahivana ho an’izay manan-tsaina.
Izay nosokafan’i Allah ny fony ho amin’ny fanoloran-tena ho Azy (miditra Islamo), dia ao anatin’ny hazavana avy amin’ny Tompony izy. Loza ho an’izay mafy fo amin’ny fahatsiarovana an’i Allah. Izy ireny no ho ao anatin’ny fahaverezana tanteraka.
Nampidinin’I Allah ny tantara tsara indrindra, dia ilay Boky misy andininy mitovitovy sy miverimberina. Mihoron-koditra amin’izany ireo izay matahotra ny Tompony, avy eo, dia tony ny hodiny sy ny fony amin’ny fahatsiarovana an’I Allah. Izany no tari-dalana avy amin’I Allah, hitarihany izay tiany hotarihana lalana. Fa izay verezin’I Allah kosa, dia tsy hanana mpitarika intsony.
Moa ve izay miaro ny tarehiny amin’ny haratsian’ny famaizana amin’ny andro fitsanganana dia hitovy amin’ireo any amin’ny Paradisa ? Ary ho lazaina amin’ireo mpanao ny tsy rariny hoe : “ andramo ny vokatr’izay nataonareo ”.
Nampanandraman’i Allah azy ireo ny fahafaham-baraka, tamin’ny fiainana eto an-tany. Mbola lehibe noho izany anefa ny famaizana any ankoatra, raha mba fantatr’izy ireo anefa !
Nanome fanoharana I Tompo Allah amin’ny lehilahy iray izay an’ny mpiara-miombon’antoka maro tsy mifanaraka, ka mifamaly momba azy izy ireo, sy lehilahy iray an’olona tokana ihany, moa mitovy ve ireo fanoharana roa ireo ? Dera ho an’I Allah ! Kanefa dia tsy mahafantatra izany ny ankamaroan’izy ireo.
Iza no mpanao ny tsy rariny indrindra mihoatra izay mamoron-dainga momba an’I Tompo Allah, ary milaza fa lainga ny fahamarinana rehefa tonga aminy! Moa tsy any amin’ny Afobe ve no misy toeram-pialofana ho an’ireo tsy mpino?
Tsy ampy ho an’ny mpanompony ve I Allah ? Ka hampitahorin’izy ireo amin’izay ankoatra Azy ianao, fa izay verezin’I Allah lalana, dia tsy hanana mpitarika.
Raha anontanianao izy ireo hoe : “Iza no nahary ny lanitra sy ny tany ?”. Dia hiteny tokoa izy ireo hoe : “Allah”. Lazao hoe: “Moa hitanareo ve izay italahoanareo ivelan’I Allah, raha te-hanisy ratsy ahy I Allah, moa afaka hampitsahatra izany ve izy ireo? Na te-hamindra fo amiko Izy, moa afaka hitazona izany famindram-po izany ve izy ireo?”. Lazao hoe: “Ampy ahy I Allah, Aminy no hanakinan’ ireo mpiantehatra ny fianteherany”.
Dia lazao hoe: “ Ry vahoakako ! Manaova ianareo araka ny fomba fiasanareo, fa izaho koa dia hiasa araka ny fomba fiasako. Tsy ho ela dia ho fantatrareo izany;
Allah no mandray ny fanahy amin’ny fotoana hahafatesany (olona), toy izany koa ireo izay mbola tsy maty nandritra ny torimasony. Ary tazoniny izay voadidy ho faty amin’izy ireo, fa haveriny kosa ny hafa hatramin’ny fotoana efa voafetra. Hamafisina, fa misy porofo ho an’ireo olona mieritreritra tokoa amin’izany.
Moa nandray mpanelanelana ankoatra an’I Allah ve izy ireo? Dia valio hoe : “ Na izy ireo aza tsy manana na inona na inona, no sady tsy misaina akory ! ”
Ary rehefa ampahatsiahivina ny maha tokana an’i Allah, dia sorena mafy ny fon’ireo izay tsy mino ny fiainana any ankoatra, fa rehefa ampahatsiahivina kosa ireo izay ankoatra Azy, dia indro fa feno hafaliana izy ireo.
Lazao hoe : “ Ô Allah, Ilay Mpahary ny lanitra sy ny tany, Mpahalala ny miafina sy ny hita-maso, Ianao no hitsara ireo mpanomponao, amin’izay tsy nampitovy hevitra azy ireo ”.
Koa nianjady tamin’izy ireo ny voka-dratsin’izay nangoniny. Izay nanao ny tsy rariny tamin’izy ireo, dia hihatra amin’izy ireo ny voka-dratsin’izay nangoniny, fa tsy afaka hanohitra velively ny herin’I Allah izy ireo.
Moa tsy fantatr’izy ireo ve, fa mizara an-kalalahana ny fanomezany (Anjaramasoandro) amin’izay sitrany I Allah, na mametra izany ? Ary hamafisina, fa misy porofo tokoa ho an’ireo vahoaka izay mpino.
Lazao hoe: “Ô ianareo mpanompoko, izay nanao ny tafahoatra (fahotana lehibe) tamin’ny tenany, aza very fanantenana amin’ny famindram-pon’I Allah ianareo. Satria hamafisina, fa I Allah no mamela ny fahotana rehetra. Eny, Izy no Ilay Mpamela heloka, Ilay be indrafo.
Ary amin’ny andro fitsanganana, dia ho hitanao maloka ny tarehin’ireo izay namoron-dainga momba an’i Allah. Moa tsy any amin’ny Afobe tokoa ve no hisy ny fitoeran’ireo mpanambony tena ?
Efa nambara taminao sy tamin’ireo izay talohanao hoe : “ Raha manambatra Allah amin’ny zavatra hafa ianao, dia ho very maina tokoa ny asanao, ka tsy maintsy ho anisan’ireo matiantoka ianao”.
Tsy nanome haja an’I Allah izy ireo, araka ny tokony ho izy, kanefa dia ho raisiny am-pelatanany ny tany manontolo amin’ny andro fitsanganana. Ary hiforitra eo amin’ny tanany havanana ny lanitra. Voninahitra anie ho Azy ! Izy no tena Ambonin’izay atambatr’izy ireo Aminy.
Ary ho tsofina ny Anjomara, ka rava izay any an-danitra sy ety an-tany, afa-tsy izay sitrak’I Allah. Avy eo dia ho tsofina fanindroany, ka indreo hitsangana hijery izy ireo .
Ary hamirapiratrin'ny hazavan’ny Tompony ny tany, napetraka ny Boky dia hantsoina ireo Mpaminany, sy ireo vavolombelona, ary amim-pahamarinana no hanapahana ny amin’izy ireo, ka tsy hisy hiangarana mihitsy izy ireo.
Ary homena ny tsirairay ny valin-kasasarana feno tanteraka, araka ny asa izay nataony. Ary Izy (Allah) no mahalala tanteraka izay rehetra nataon’izy ireo.
Ary ho tarihina amin’ny andiany ihany koa ireo nanam-pahatahorana ny Tompony, ka ho any amin’ny Paradisa. Rehefa tonga eo anoloany izy ireo, dia hisokatra ny varavarany, ka hiteny amin’izy ireo ny mpiambina izany hoe: “Fandriampahalemana ho anareo! Olo-mendrika tokoa ianareo, ka midira, ary mitoera ao mandrakizay ianareo”.
Ary ho hitanao ireo Anjely, izay manao fari-bolana manodidina ny Seza fiandrianana, ka midera ny voninahitry ny Tompony. Ary ho tsaraina amim-pahamarinana izy ireo, ary ho lazaina hoe: “Dera ho an’i Allah, Tompon’izao tontolo izao! ”