Ankalazaina anie ny halehiben’Ilay Nampidina ny Bokin’ny Fanavahana (Kor’any, izay manavaka ny tsara sy ny ratsy) tamin’ny mpanompony mba ho mpampitandrina an’izao tontolo izao izy.
Ilay Tompon’ny fanjakan’ireo lanitra sy ny tany, izay tsy manan-janaka velively, sady tsy misy mpiara-miombon’antoka Aminy eo amin’ny Fanjakana ary Izy no nahary ny zava-drehetra sy nandahatra azy araka ny tokony ho izy.
Ary nandray tompo hafa ankoatra Azy izy ireo, izay tsy mahary na inona na inona, fa noharian'izy ireo, sy tsy manana fahefana hanao na ny ratsy na ny tsara ho an’ny tenany izy ireo; ary tsy tompon’ny fahafatesana, na ny fahavelomana na ny fitsanganana amin’ny maty ihany koa izy ireo.
Ary raha atoraka ao aminy izy ireo, amin’ny toerana tery, ary ny tanany roa mifatotra aorian’ny vozony, dia mangataka ny fanapotehana tanteraka ny tenany izy ireo.
Ary ny Andro izay hanangonany azy ireo, sy izay tompoin’izy ireo ankoatr’I Allah dia hiteny Izy hoe : “Moa ve ianareo no nanary ireo mpanompoko ireo, sa izy ireo ihany no very lalana ?”
Hiteny izy ireo hoe : “Voninahitra anie ho Anao ! Tsy mendrika ho anay ny haka mpiahy hafa ankoatra Anao, nefa nomenao fahafinaretana kosa izy ireo sy ireo razambeny, ka nahatonga azy ireo nanadino ny Fampahatsiarovana. Ary izy ireo dia vahoaka very”.
Ary efa nilaza anareo ho mpandainga izy ireo amin’izay noteneninareo. Ka tsy afaka hahita fandosirana na fanavotana ianareo. Ary na iza na iza aminareo manao ny tsy rariny, dia hapanandramanay azy ny famaizana lehibe.
Ary tsy nandefa Iraka Izahay talohanao ka tsy nihinana sakafo sy tsy nandeha teny an-tsena. Ary ny sasany aminareo dia nataonay fitsapana ho an'ny sasany, Moa manam-paharetana va ianareo? Fa ny Tomponao dia mahita ny zava-drehetra.
Ary niteny ireo izay tsy manantena ny fihaonana Aminay hoe: “Raha mba nampidinina taminay ireo Anjely, na mba nahita ny Tomponay izahay!”. Tena efa nanambony ny tenany izy ireo, ary nihoa-pefy mihitsy tamin’ny fiavonana.
Tena marina fa nanary ahy lavitry ny fampatsiahivana izy, taorian’ny nahatongavan’izany (fampatsiahivana) tamiko. Ary satana dia mpamadika ny olombelona.
Ary ny vahoakan’i Noa, rehefa nilaza ireo Iraka hoe mpandainga izy ireo, dia narendrikay sy nataonay ho famantarana (fampitandremana) ho an’ny olombelona. Ary nanomana famaizana mangirifiry Izahay ho an’ireo mpanao ny tsy rariny.
Saika hamily lalana anay hiala amin’ireo zanaharinay Izy, raha tsy naharitra izahay tamin’izany !”. Ary ho fantatr’izy ireo, rehefa mahita ny famaizana izy ireo, iza no tena very lalana !
Na koa mihevitra ve ianao fa ny ankamaroan’izy ireo dia maheno tokoa na misaina ? Tsy misy mitovy amin’izy ireo afa-tsy ireo biby, fa raha ny marina dia izy ireo no tena very lalana tokoa.
Moa ve tsy hitanao, ahoana no namelaran’i Tomponao ny aloka ? Ary raha ny sitrany dia nataony tsy nihetsika izany. Avy eo dia nataonay ny masoandro, ho mpamaritra azy.
Ary Izy no nampikoriana ireo ranomasina roa, ny anankiray dia mamy manala hetaheta, ny iray hafa kosa dia masina sy mangidy. Ary nasiny elanelana eo amin’izy roa, sy sakana tsy azo dinganina.
Ary Izy no nahary avy amin’ny rano ny olombelona, ka nataony mifandray izy ireo amin’ny alalan’ny rohim-pihavanana sy rohim-panambadiana. Ary ny Tomponao dia manam-pahefana (amin’ny zava-drehetra).
Ary izy ireo dia manompo ankoatr'I Allah, izay tsy manome tombontsoa azy ireo sy tsy manome fahoriana. Ary ny tsy mpino dia manampy lalandava ny fahavalo amin’ny fanoherana ny Tompony.
Ary ankino ny fitokisanao amin’Ilay Velona Izay tsy mba maty mihitsy. Ary ankalazao ny fahadiovany sy ny voninahiny amin’ny alalan’ny fiderana Azy. Ary Ampy tanteraka Izy hahafantatra ny fahotan’ireo mpanompony.
Izay nahary ireo lanitra sy ny tany sy izay rehetra eo anelanelan’izy roa, nandritra ny enina andro. Avy eo nitoetra amin’ny Seza fiandrianana Izy, Ilay be Fiantrana, ka anontanio ny momba Azy amin’izay manam-pahalalana.
Ary ireo izay tsy miantso zanahary hafa miaraka amin’I Allah, sy tsy mamono aina izay voararan’I Allah raha tsy amin’ny fahamarinana, ary tsy mijangajanga ; koa na iza na iza manao izany dia ahazo sazy.
Afa-tsy izay mibebaka sy mino ary manao asa soa ; izy ireny dia hovan’I Allah ho asa tsara ny asa ratsiny, ary Allah dia be Famelan-keloka sy be Indrafo.