Allah, izay Azy ny zavatra rehetra, any andanitra sy ety ambonin’ny tany. Ary loza ho an’ireo tsy mpino, amin’ny famaizana mafy (izay ho azon’izy ireo).
Ireo izay tia ny fiainana eto an-tany nohon'ny fiainana any an-koatra, misakana ny làlan’i Allah sy mitady hampiolaka izany : Izy ireny dia ho very tanteraka tokoa.
Tena marina fa, nandefa an’i Mosa (A,s) (Mosesy) Izahay niaraka tamin’ny fahagagana avy Aminay (sady niteny taminy hoe) : ” Avoahy ao amin’ny haizina ny vahoakanao ho any amin’ny fahazavana ary ampahatsiahivo azy Ireo ny andron’i Allah ” (Ireo fahasoavany) ”. Tena marina fa amin’izany rehetra izany, dia misy Famantarana ho an’izay be faharetana sy feno fankasitrahana.
Ary raha nilaza ny Tomponareo hoe : “Raha mahay mankasitraka ianareo, dia ampitomboiko marina ho anareo tokoa ny Fahasoavako. Fa raha tsy mahay mankasitraka kosa ianareo, dia tsarovy fa ho mafy ny sazy avy Amiko.
Ary niteny i Mosa (Mosesy) ka nanao hoe : “ Raha tsy mahay mankasitraka Ianareo sy izay rehetra ety ambonin’ny tany, tena marina fa i Allah dia manana ny ampy ho n’i Tenany ary mendri-piderana Izy ”.
Niteny tamin’izy ireo, ireo Irak’izy ireo ka nanao hoe : “ Marina fa, tsy Inona akory Izahay fa Olombelona tahaka Anareo ihany. Nefa i Allah kosa dia manome fahasoavana ho an’izay sitrany amin’ireo mpanompony Tsy anjaranay ny mitondra porofo Aminareo, raha tsy alalana avy amin’i Allah. Ary amin’i Allah no tokony hametrahan’ireo mpino ny fitokisany.
Fa inona no mbola tsy hametrahantsika ny fitokisana amin’i Allah, ka nefa Izy no nitarika Antsika tamin’ireo làlantsika ? Tsy maintsy hiaretanay ny fampijaliana izay Ataonareo Anay. Ary amin’i Allah no tokony hametrahan'ireo izay manana fitokisana ny fitokisany.”
Ka ezahany hatelina tsikelikely izany nefa zara raha afaka hitelina izany Izy. Ary ho tonga Aminy ny fahafatesana n'aiza n'aiza misy Azy nefa tsy ho faty Izy, ary aorian’izany dia sazy mahery vaika no hanjo Azy.
Moa ve tsy hitanao fa i Allah dia Nahary ireo lanitra sy ny tany tamim-pahamarinana ? Raha sitrany dia ho nofoanany tanteraka Ianareo, ary hampisy zava-boary vaovao Izy.
Ary hiseho eo anatrehan’i Allah daholo izy rehetra, ka hiteny ireo kanosa amin’ireo mpanambony tena nanao hoe : “ Izahay dia tena mpanaraka Anareo teo aloha. Moa ve Ianareo afaka hiaro Anay kely amin’ny sazin’I Allah ? ” Hiteny ireo sasany ka nanao hoe : “ Raha notarihan’i Allah làlana Izahay dia ho notarihinay làlana ihany koa Ianareo. Mitovy ihany izany ho antsika, na mitaraina na miharitra, tsy ahita làlana hivoahana mihitsy Isika.
Ary hiteny i Satana, rehefa tapaka ny didy rehetra ka nanao hoe : “ Marina fa i Allah dia nampanantena Anareo fampanantenàna marina, fa izaho kosa dia nampanantena Anareo (zavatra) izay tsy notanterahiko ary tsy nanana fahefana taminareo Aho, fa niantso Anareo fotsiny Aho, ary dia namaly Ahy Ianareo. Aza manome tsiny Ahy Ianareo, fa ny tenanareo no omeo tsiny. Tsy afaka hamonjy Anareo Aho, ary Ianareo koa dia tsy afaka hamonjy Ahy. Izaho dia mitsipaka tanteraka izay natambatrareo Tamiko tany aloha. Marina fa ireo mpanao ny tsy rariny dia ho azy ireo ny sazy mamirifiry.
Ary hampidirina ireo izay nino sy nanao ireo asa soa ao anatin’ireo zaridaina (Paradisa) izay misy rano mikoriana ao ambaniny, hitoetra ao mandrakizay izy ireo nohon'ny fanomezan-dàlan’ny Tompon’izy ireo. Ary ny fiarahabana azy ireo[89] ao dia : “ salama (fiadanana).”
Tsy hitanao va ahoana no nanaovan’i Allah fanoharana ny teny tsara ? Dia mitovy amin’ny hazo tsara iray, izay miorina tsara ny fakany, ary ny rantsany dia manakatra ny habakabaka.
Manome ny voany isam-potoana avy amin’ny alalan’ny Tompony izy. Ary i Allah dia manome fanoharana ho an’ny olombelona, angamba ahatsiaro tena izy ireo (hifandinika, hifananatra).
Teneno amin’ireo mpanompoko izay nino mba hanatanteraka ny Soalat, sy hizara ny fanomezana izay nomenay azy ireo, ankihafina na ankarihary, alohan’ny fahatongavan’ny Andro izay tsy misy fifanakalozana ara-barotra na fihavanana.
Nomeny Anareo izay rehetra nangatahanareo Taminy. Raha hitanisa ireo fahasoavana avy amin’i Allah Ianareo, dia tsy ho voahisanareo izany. Marina fa ny Olombelona dia mpanao ny tsy rariny sy tena tsy mankasitraka.
Tompo o ! Izy ireny dia tena nanary tokoa ny maro tamin’ny olombelona. n'iza n'iza manaraka Ahy, Izy no Oloko, ary izay tsy mankato Ahy kosa... Ianao no tena Mpamela-heloka sy be Fiantrana.
Tomponay o ! Ianao tokoa no mahafantatra izay afeninay sy habaribarinay, ary tsy misy miafina amin’i Allah na dia kely aza, na eto an-tany na any an-koatra.
Dera sy voninahitra anie ho an’i Allah ! Izay nanome Ahy tao anaty fahanterana an’i Ismaely sy Isaka. Marina fa ny Tompoko dia mihaino ireo fangatahana.
Ary aza mihevitra Ianao fa i Allah dia variana amin’izay ataon’ireo mpanao ny tsy rariny, fa omeny fe-potoana kosa izy ireo, mandra-pahatongan’ny andro izay hampidiridiry tsy ankihetsika ny mason’izy ireo.
Efa tena nampiasa teti-dratsy izy ireo, kanefa ny teti-dratsin’izy ireo dia efa eo amin’i Allah, na dia afaka manafoana ireo tendrombohitra aza ny teti-dratsin’izy ireo.
Ity dia fanambarana (Koroany) ho an’ny zanak’olombelona mba hitandreman’izy ireo amin’ny alalan’izany, ary mba ahafantaran’izy ireo ihany koa fa marina tokoa, fa Izy ilay Zanahary tokana (Allah), mba ahafantaran’ireo matsilo saina.