Surah Ash-Shams ( The Sun )

Surah Ash-Shams ( The Sun ) - Malagasy Aya count 15

Mianiana Aho amin'ny masoandro sy ny fisandratany.
Sy amin'ny volana rehefa nandimby ny masoandro Izy.
Sy amin'ny andro rehefa mibaliaka ny masoandro,
Sy amin'ny alina rehefa mandrakotra ny andro izy,
Sy amin'ny tany sy izay nampitoviana aminy tamin'ny namelarana azy.
Sy amin'ny fanahy sy izay nandavorariany azy.
Izay nampahafantatra azy ny fitondran-tena ratsy sy ny fahaizana mitandrina.
Nandà tamin'ny alalan'ny fihoaram-pefy ireo vahoaka Thamodo.
Rehefa nitsangana ilay mahantra indrindra tamin'izy ireo mba hamono ilay rameva.
Ka niteny tamin'izy ireo ny irak'I Allah hoe : \" tandremo fa ramevan'i Tompo Allah io ! Avelao izy hisotro rano.\"
Kanefa tsy nino izy ireo ary dia novonoiny ilay rameva. Ary nanafay azy rehetra noho izany ny Tompony, vokatry ny tsy fatahoran'izy ireo.
Tsy nanan-tahotra na dia kely ny amin'ny mety ho vokatr'izany velively i Tompo Allah,
Share