Surah Al-A'la ( The Most High )

Surah Al-A'la ( The Most High ) - Malagasy Aya count 19

Ankalazao ny anaran'ny Tomponao, ilay Avo indrindra!
afa-tsy izay sitrak'I Allah ho hadinonao ihany satria Izy no mahalala ny mibaribary sy izay miafina,
Eny! Hotarihiko ianao ho any amin'ny lalan'ny fahamorana,
Ary mampahatsiahiva ! Raha toa ka ilaina ny fampahatsiahivana.
fa hahatsiaro izany izay manam-pahatahorana
Hanalavitra izany kosa ireo olon'ny fijaliana,
avy eo dia sady tsy ho faty izy ireo ao no sady tsy ho velona ihany koa!
Nahazo fandresena tokoa izay manadio ny tenany,
nefa indrisy! Ankafizinareo kokoa ny fiainana ety an-tany,
kanefa ny fiainana any ankoatra dia tsara lavitra no mandrakizay.
Izany rehetra efa voalaza tamin’ireo rakitsoratra Masina teo aloha,
dia ny rakitsoratr’i Abrahama sy ny an’i Mosesy
Share