Surah Al-Burooj ( The Big Stars )

Surah Al-Burooj ( The Big Stars ) - Malagasy Aya count 22

Mianiana Aho amin'ny lanitra feno ireo antokon- kintana,
sy amin'ny ilay andro nampanantenaina;
sy amin'ny izay manatri-maso izany, ary ny mijoro ho vavolombelona.
Novonoina ireo vahoakan'i Okhdodo ( hantsana lalina )
ary indro izy ireo hipetraka manondidina izany.
Ary vavolombelona koa izy ireo ny amin'ny fampijaliana izay nataon'izy ireo ny mpino.
Ary nefa tsy nankahala ireo mpino izy ireo afa-tsy nohon'ny finoana an'I Allah ilay mahery sy mendri-piderana,
Marina fa ny sazy avy amin'ny Tomponao dia mahery vaika.
Ary Izy ilay mpahary ny tany am-piandohana, ary Izy ihany koa no hanangana indray ny amin'ny maty.
Ilay Tompon'ny seza fiandrianana be voninahitra.
Moa ve tonga tany aminao ny tantaran'ireo tafika?
Dia ny tafik'i Farao sy ny an'i Samodo izany
nefa indrisy, fa ireo tsy mpino dia feno fandavana izany,
Share