Surah Al-Infitar ( The Cleaving )

Surah Al-Infitar ( The Cleaving ) - Malagasy Aya count 19

Rehefa hisafotofoto ka ho iray ireo ranomasina,
dia ho fantatra ny fanahy tsirairay avy ny nataony sy izay hiandry azy!
O ry olombelona! Inona loatra no nahavoafitaka anareo ka tsy nankatoavanareo ny Tomponareo feno fahamendrehana?
Izay nahary anao sy nandrafitra anao ho feno ary nanome endrika mirindra ho anao,
Ary tamin'ny endrika isan-karazany araka izay tiany no nandrafetany anao,
Tsia! Indrisy anefa fa nolavinareo ny fisian'ny fitsarana farany.
dia ireo anjely mpanoratra be voninahitra.
tena marina, fa ireo izay feno fankatoavana an'I Allah dia ho ao anatin'ny fiadanana tanteraka,
ary ireo mpaniratsira kosa dia ho ao anatin'ny Afo be,
Moa fantatrao ve ny mikasika izany andro fitsarana izany?
Moa tsy fantatrao ve ny mikasika izany andro fitsarana izany?
Andro, izay tsy hananan'ny fanahy fahefana amin'ny fanahy hafa na dia kely aza, satria ny fahefana rehetra amin'izany dia eo am-pelan-tanan'I Allah .
Share