Surah At-Takwir ( The Overthrowing )

Surah At-Takwir ( The Overthrowing ) - Malagasy Aya count 29

Rehefa tsy hisy fahazavana intsony ny masoandro,
rehefa hanjavona ny famirapiratan'ireo kintana,
rehefa hihetsika hiala amin'ny toerany ireo tendrombohitra,
rehefa tsy raharahiana intsony ireo rameva akaiky hiteraka,
rehefa voatambatra araka ny sokajiny avy ny fanahy,
rehefa hanontaniana ireo zazavavy nalevim-belona hoe:
mba fahotana inona loatra no antony namonoana azy?
rehefa nampahalalana ireo takela-piraketana ny asa vita,
dia samy hahafantatra ny nataony ny tsirairay avy!
Tsia! Mianiana Aho amin'ireo andian-kintana.
Izay mandeha amin'ny lalana izorany ka indraindray mipoitra ary indraindray manjavona.
ny maraina rehefa miposaka mitondra tsio-drivotra,
izay matanjaka sy manan-danja lehibe eo anatrehan'ny tompon'ny fiandrianana,
tsy marary saina velively akory ny sakaizanareo,
izay efa nahita ny anjely Gabriela tokoa teny am-param-bodi-lanitra mazava.
Ary izy dia tsy kahihitra ka hitana ho azy irery ny faminaniana izay tonga taminy,
Tsy inona akory ity faminaniana ity afa-tsy fampahatsiahivana an'izao tontolo izao,
Ho an'izay manam-paniriana ny hanaraka ny fahitsiana aminareo,
Share