Surah Abasa ( He frowned )

Surah Abasa ( He frowned ) - Malagasy Aya count 42

tsy fantatrao angamba izy tonga mba hanadio ny fanahiny! Sao dia mba misy fahatsampan-tena ao aminy,
dia nanatona azy am-pahazotoana ianao,
fa izay tonga nanantona anao am-pahavitrihana kosa,
sady feno fahatahorana an'I Allah,
Tsia! Aza manao toy izany intsony ianao! Raha ny tena marina ity dia fampahatsiahivana fotsiny ihany,
ka izay maniry izany dia hahatsiaro,
izay voarakitra ao amin'ny takelaka manan-kaja,
Loza anie ho an'izay olombelona mikomy ny amin'izany,
avy tamin'ny piti-dranon'aina no nahariana azy, ary avy eo dia nofaritany ny anjaran'io olona io,
ary avy eo dia nakamorainy ny lalan-kombany,
Dia nampandaloviny fahafatesana izy ary nalevina,
koa raha sitrak'I Allah dia mbola hatsangany amin'ny maty izy,
Nefa indrisy! Fa tsy nanatanteraka ireo izay nandidiana azy izy!
ka nampitsimoako avy ao ireo voa mahavelona,
dia ny voaloboka sy ny anana amam-bilona,
ny hazo ny oliva sy ny hazo ny antrendry
koa rehefa ho tonga ilay antso tsy hifandrenesana,
amin'ny andro izay handosiran'olombelona ny rahalahiny,
ny olona tsirairay amin'izy ireo, amin'izay andro izay dia ny hahasoa ny tenany no himasoany.
hisy amin'izany andro izany ireo endrika feno hazavana,
ao koa anefa, amin'izay andro izay, ireo endrika mihosom-bovoka,
Share