Manontany anao izy ireo mahakasika ireo fananana babo tamin’ny ady. Teneno hoe : “Ireo fananana babo tamin’ny ady dia an’I Allah sy ny Iraka”. Ka matahora an’I Allah ianareo, hatsarao ny fifandraisana eo aminareo samy anareo ary ankatoavinareo I Allah sy ny Iraka nalefany, raha toa ka mpino marina ianareo.
Ireo tena mpino, dia ireo izay mientana ny fony rahefa tsiahivina ny anaran’Allah. Ary rahefa tanisaina eo amin’izy ireo ny teny famantarany, dia mampitombo ny finoan’izy ireo izany, ary amin’ny Tompon’izy ireo no iankinany.
Ary raha nampanantena anareo Allah, ny fandresena iray tamin’ireo vondrona roa. ”Ianareo dia naniry ireo tsy mitam-piadiana, fa Allah kosa dia mila hampandresy ny fahamarinana ami’ny alalan’ny Teniny ka handripaka ireo tsy mpino rehetra.
Ary tsy nataon’I Allah izany afa-tsy filazana vaovao mahafaly, ary hampitony tokoa ny fonareo amin’ny alalany izany, tsy misy fandresena raha tsy avy amin’I Allah. Tena marina fa Allah Ilay Mahery sy be fahendrena.
Raha nosaronan'I Allah tao anaty torimaso ianareo dia fampitoniana avy Aminy ho anareo izany, ary hampidina rano avy any an-danitra ho anareo Izy mba hanadiovany anareo avy amin’izany, ary hanala eo aminareo ny loton’i satana Izy, “Mba hankahery ny fonareo sy hanamafy orina ny famindranareo.\"
Raha nandefa fanambarana tamin’ireo anjely ny Tomponao : “Izaho dia miaraka aminareo tanteraka ka ankaherezo ireo izay nino, atsipiko ao anaty fon’ireo tsy nino ny fatahorana, koa kapohy eo ambonin’ny hatok’izy ireo na veleso amin’izy ireo ny tendron-tànany rehetra.
Ary ireo izay mitodi-damosina amin’izany andro izany, afa-tsy fanomanana tetik’ady na hifandray amin’ny andiany hafa dia: hiaran’ny hatezeran’I Allah ary ny afobe no fialofany, tena ratsy izany fiafarany izany !
Tsy ianareo no namono azy ireo fa i Allah no namono azy ireo, Ary raha nitoraka ianao, dia tsy ianao no nitoraka fa Allah, ary izany dia mba hitsapany ireo mpino amin’ny fitsapana tsara avy Aminy, Tena marina fa Mandre sy Mahalala ny zavatra rehetra Allah.
Raha nitady fandresena ianareo, dia efa tonga taminareo izany fandresena izany. Fa raha mitsahatra ianareo, dia tsara kokoa ho anareo izany. Fa raha miverina kosa ianareo, dia hiverina koa izahay, ary ny hamaroanareo na dia betsaka aza, dia tsy hisy ny ilanareo izany. Tsarovy fa Allah dia momba tokoa ireo mpino.
Ary raha mba nahita hatsarana tamin’izy ireo Allah, dia ho nataony nandre izy rehetra. Fa na dia nataony nandre aza izy ireo, dia ho tsy maintsy hanome lamosina, ary nihataka lavitra.
O ianareo izay nino valio ny antson’I Allah sy ny Irany raha miantso anareo izy amin’izay mahavelona anareo, fantaro fa Allah dia manelanelana tokoa ny olombelona sy ny fony, any Aminy tokoa no hanangonana anareo.
O ianareo mpino ! Raha matahotra an’Allah ianareo, dia homeny ny fahafahana manavaka ianareo (ny tsara sy ny ratsy), ka hofafany ny ratsy vitanareo, ary avelany ny helokareo. satria Allah no loharanon’ny fahasoavana lehibe.
Ary tsarovinao raha niteti-dratsy anao ireo tsy mpino, ka hisambotra anao na hamono anao mihitsy aza, na handroaka anao. Dia niray tetika daholo izy rehetra, nefa noravan’Allah ny tetik’izy ireo, fa avo fitetika indrindra Allah.
Rehefa niteny izy ireo hoe “ o, ry Allah raha izany no fahamarinana avy aminao dia androtsaho vato avy any an-danitra izahay na ko andefaso sazy mangirifiry izahay “
Ary Allah dia tsy hanasazy azy ireo velively raha mbola eo amin’izy ireo ianao ary tsy hanasazy azy ireo koa Allah raha mbola mangataka famelan-keloka izy ireo.
Inona moa no ananan’izy ireo ka hahatonga an’Allah tsy hanasazy azy? Kanefa izy ireo manosika ny mpino hanalavitra ilay Trano masina fiankohofana (Masjid Al-Haram), na dia tsy mpiambina izany aza izy ireo, fa ny mpiambina izany kosa dia ireo olona vontompinoana. Nefa tsy mahafantatra izany ny ankamaroan’izy ireo.
Ireo olona izay tsy nino, dia mandany ny fananan’izy ireo hanakanana ny olona amin’ny làlan’Allah. Ka mitohy hatrany ny fandaniana ataon’izy ireo mandrapahatongan’ny nenina, nefa ho resy ihany izy ireo. Indrisy! Fa ireo izay tsy mino dia any amin’ny afobe no hanangonana azy rehetra.
Mba hanavahan’I Allah ny tsara amin’ny ratsy ary hanaovan’ireo ratsy hifanengitengina ka hitambatra izy rehetra ary ataony any amin’ny afobe izy ireny no matiantoka tokoa.
Mitsangana ianareo hanohitra azy ireo, mba ho foana ny fanakorontanana fa ho an’I Allah ny finoana manontolo. Raha mitsahatra anefa izy ireo (amin’ny fanakorontanana dia voavela ny helony) ary hamafisina, fa hitan’I Allah tsara izay rehetra ataon’izy ireo.
Ary fantaro fa izay fananana azonareo (tamin’ny ady) dia ho an’i Allah ny iray ampahadiminy sy ho an’ilay Iraka ary ho an’ireo havany akaiky, ho an’ireo kamboty, ho an’ireo mahantra, ho an’ireo mpandeha lavitra (sahirana), raha mino an’i Allah sy izay nampidininay tamin’ny Mpanomponay ianareo tamin’ny andron’ny fanavahana sy tamin’ny andro izay nifanenan’ny andian-tafika roa; ary Allah dia mahefa ny zava-drehetra.
Raha tamin’ny fidinana ambany kokoa Ianareo, ary ireo (fahavalo) tery amin’ny ilany lavidavitra, fa ireo andiany mpitaingin-tsoavaly kosa tety ambanimbany kokoa noho Ianareo. Raha toa ka nifanome fotoana ianareo, tsy mba nifanaraka akory tamin’izany fotoana izany Ianareo (natahotra ny amaroan’ireo fahavalo), nefa kosa mba hanatanterahan’i Allah ny didy izay efa notapahany mba handringanany izay ho ringana araka ny porofo mazava, ary mba hamelomany izay ho velona. Ary marina fa Allah dia Maheno sy Mahalala ny zava-drehetra.
Raha tao anaty torimaso Ianao, dia nasehon’i Allah taminao fa vitsy an’isa izy ireo, satria raha ny hamaroany no nasehony dia nilefitra tanteraka Ianareo ary tena nifanditra Ianareo samy Ianareo momba izany, ka nefa i Allah no nanavotra Anareo. Izy dia tena Mahalala izay rehetra ao am-po.
Ary nasandrany teo imasonareo fa vitsy an’isa izy ireo, rehefa nifanatrika Ianareo, ary nasehony teo imason’izy ireo ihany koa, fa vitsy an’isa Ianareo dia mba hanatanterahan’i Allah ny didy izay efa tapaka. Any amin’i Allah no hamerenana ny zava-drehetra.
Ary aoka ianareo hankato an’Allah sy ilay Irany; ary aza mifanditra ianareo fandrao tsy mahomby, ka ho lefy ny herinareo. Ary mahareta ianareo, satria Allah dia momba mandrakariva ireo manam-paharetana.
Ary rehefa nohatsaran’i Satana teo anatrehan’izy ireo ny asan’izy ireo dia niteny izy nanao hoe : \" Tsy misy na dia iray amin’ireo olombelona no afaka handresy Anareo anio, ary Izaho dia tena hanohana Anareo ”, nefa raha vao nifampitazana fotsiny ny andaniny sy ny ankilany tamin’ireo andian-tafika roa, indro izy (satana) nanodina ny vodi-tongony roa sady niteny hoe : “ Eny, hisaraka aminareo aho. Eny tena mahita izay tsy hitanareo aho; marina tokoa fa matahotra an’i Allah Aho, ary i Allah dia tena henjana amin’ny fanasaziana “.
Ary rehefa miteny ireo mpihatsaravelatsihy sy ireo manana aretina ao am-pony manao hoe : “ Ireny olona ireny dia ny finoany no namitaka azy”. Ary izay miantehitra amin’i Allah dia Allah no Mahery sy be Fahendrena.
Raha mba hitanao manko, ny fomba ataon’ireo anjely rehefa maka ny fofon’ain’ireo izay tsy mpino ! Dia mikapoka any amin’ny tarehy sy ny lamosin’izy ireo sady miteny hoe : “ Handramano ny sazin’ny Afobe ”.
Tahaka izany koa no nataon’ireo olon’i Faraona sy ireo izay talohan’izy ireo ka tsy nino ireo porofo famantaran’i Allah, dia nosazin’i Allah izy ireo nohon'ny fahotany. Allah dia tena mahery sy henjana fanasaziana.
Izany tokoa fa i Allah dia tsy manova mihitsy ny fahasoavana izay nomeny ny vahoaka mandra-panovan’izy ireo ny tenany, ary tena marina fa Allah ilay Maheno sy be Fahalalana.
Ary aza mihevitra ireo izay tsy nino fa efa nialoha izy ireo ka votsotra eo am-pelatananay. Tena marina fa izy ireo dia tsy afaka hisakana Anay velively.
Raha mirona mankany amin’ny fandriampahalemana izy ireo dia aoka koa Ianao hirona ho amin’izany, ary hapetraho amin’i Allah ny fitokisanao. Marina fa Izy ilay Maheno, ilay Mahalala ny zava-drehetra.
Ary nampifandray ny fon’izy ireo Izy. Na dia nandàny izay rehetra teto an-tany aza Ianao dia tsy mahavita mampifandray ny fon’izy ireo, fa i Allah kosa no nampifandray azy ireo satria Izy no Mahery sy be Fahendrena.
Ankehitriny i Allah dia manamaivana Anareo satria fantany fa misy fahalemena Ianareo, koa raha misy zato aminareo maharim-pery dia handresy roanjato lahy, ary raha misy arivo Aminareo dia handresy roa arivo lahy izy ireo nohon'ny fahefan’i Allah. Ary i Allah dia miaraka amin’ireo manam-paharetana.
Tsy misy Mpaminany izay tokony haka ireo babo an’ady raha tsy efa nahazo fandresena tety an-tany. Ianareo dia mitady ny harena ety an-tany, nefa i Allah kosa dia mila ny any an-koatra. Ary i Allah dia Mahery sy be Fahendrena.
Noho izany mihinanà Ianareo izay tsy voarara sy tsara amin’izay azonareo babo. Ary matahora an’i Allah Ianareo. Marina fa i Allah dia be Famelan-keloka sy be Fiantrana.
Oh ry Mpaminany, lazao amin’ireo babo eo am-pelatananareo : “ Raha fantatry Allah fa misy zavatra tsara ao am-ponareo, dia hanome Anareo tsara kokoa noho izay nalaina taminareo Izy sy hamela ny helokareo. Allah dia tena Mpamela heloka sy be Indrafo.
Ary raha mila hamitaka Anao izy ireo, dia efa namitaka an’i Allah izy ireo tany aloha; nefa nahita fomba nandresena azy ireo Izy. Ary Allah dia Mahalala ny zava-drehetra sy be Fahendrena.
Hamafisina, fa ireo mpino izay voatery nifindra-monina, ary nitolona tamin’ny fananany sy ny tenany tamin’ny làlan’Allah, ary ireo izay nanome fialofana sy fanampiana azy ireo, dia izy ireny no tena mpisakaiza ny andaniny sy ny ankilany. Fa ireo mpino nefa tsy nifindramonina kosa, dia tsy andraikitrareo ny fiarovana azy irenymandram-pifindrany. Fa raha mangataka vonjy aminareo noho ny finoana izy ireo, dia adidinareo tanteraka ny mamonjy azy, fa tsy amin’ny fanoherana ireo vahoaka nahavita fifanarahana taminareo. Ary Mahita tsara izay ataonareo Allah.
Fa ireo izay tsy nino kosa dia mpisakaiza ny andaniny sy ny ankilany, fa raha tsy mandray andraikitra amin’izany (amin’ny fanapahana ny fifandraisana amin’ny tsy mpino) izany Ianareo dia hisy fifandirana sy fanimbana lehibe eto ambonin’ny tany.
Ary ireo izay nino sy nifindra monina ary nanao Djihad (ary niady) tamin’ny làlan’i Allah, ary koa izay nampiantrano sy namonjy azy ireo. Izy ireny no tena mpino marina ka dia ho azy ireny ny famelan-keloka sy ny anjara omena am-pahalalana.
Ary ireo izay nino taty aoriana ka nifindra monina sy nitolona niaraka Taminao, izy ireny dia anisan’ny namanareo, fa ireo izay manana rohim-pihavanana, dia mifanakaiky kokoa ny andaniny sy ny ankilany, araka ny Bokin’i Allah, ka dia tena marina fa i Allah dia mahalala sy mahafantatra ny zava-drehetra.