Surah An-Naba' ( The Great News )

Surah An-Naba' ( The Great News ) - Malagasy Aya count 40

Ny amin'inona moa no ifanontanian'izy ireo ?
Tsia! Mbola ho fantatr'izy ireo.
Tsia! Mbola ho fantatr'izy ireo marimarina tokoa.
Moa ve tsy nataoko ho toeram-pialan-tsasatra ny tany?
Ary ireo tendrombohitra ho toy ny andry iankinany?
Ary nataoko ho fialan-tsasatra ho anareo ny torimasonareo.
Ary nataoko ho toy ny firakotra ho anareo ny aizin'ny alina.
Ary nataoko ho fitadiavam-pivelomana ho anareo ny atoandro.
Ary naoriko eo amboninareo ireo lanitra fito sosona mafy orina.
Ary nasiako jiro manazava izay mafana sy mahery vaika.
Mba hampitsiriako amin'ny alalan'izany ireo voa mahavelona sy zava-maniry isan-karazany.
Ilay andro hitsofana ny anjomara ka hahatongavanareo amin'ny andiany maro.
Ary hihetsika ireo tendrombohitra ka lasa hanana endrika mamitaka ny maso.
ka hitoetra ao izy ireo an-jato taonany maro mifanesy,
afa tsy ny rano mangotraka sy ireo tsiranoka maimbo,
izany no valin'asa tsy ara-drariny
nataon'izy ireo ho lainga mandrakariva ny faminaniana nalefako,
Ny zava-drehetra anefa dia efa noraiketiko an-tsoratra avokoa,
koa dia andramo ary! Tsy hanampy anareo na oviana na oviana Aho afa-tsy ny sazy,
Ireo matahotra an'iAllah kosa dia hahazo ny fahombiazana,
ao ireo saha maintso mavana sy karazam-boaloboka,
ireo tovovavy ao anatin'ny hatanorana lalandava ,
ireo zava-pisotroana mitosaka nohon'ny hafenoany,
Izany dia valisoa avy amin'ny tomponao, fanomezana tena ara-drariny,
Amin'ny andro izay hijoroan'ny fanahy sy ireo anjely amin'ny laharana iray, ka tsy hisy hilao-bava afa-tsy izay nomen'ilay be fiantrana alalana ny amin'izany, dia ilay niteny ny mahatokana an'I Allah,
Izany andro izany no hisehoan'ny fahamarinana, koa izay mila dia mitadiava fialofana any amin'ny Tompo,
Eny! Efa nampitandrina anareo Aho ny amin'ny famaizana tsy ho ela, dia ilay andro izay ahitan'ny olombelona ireo asa nataony, ka hitenenan'ny tsy mpino hoe: \" Tahak'izay anie aho mba nody ho vovoka ihany! \"
Share