Surah Al-Mursalat ( Those sent forth )

Surah Al-Mursalat ( Those sent forth ) - Malagasy Aya count 50

Mianiana amin'ireo nalefa nifanesy Aho.
Ary niparitaka tanteraka (tamin'ny toerana rehetra).
Mianiana amin'ireo mpanasaraka mazava (ny tsara sy ny ratsy) Aho,
ho fialan-tsiny, na ho fampitandremana !
fa tsy azo ialana izay nampanantenana anareo.
Rahoviana àry vao ho voafafa ireo kintana,
Andro inona àry no nanemorana izany ?
Amin'ny andron'ny fanapahan-kevitra !
Fa iza no hilaza aminao ny andron'ny fanapahan-kevitra !
Toy izany no nandaharanay azy, fa tonga lafatra tokoa ny fandaharana ataonay.
Tsy nataonay toerana hipetrahan'ny rehetra ve ny tany ?
Ary tsy nataonay mafy orina tsara va, ireo tendrombohitra avo eo aminy ? Ary tsy nampisotronay ranomamy va ianareo ?
izahay sady tsy manaloka, no sady tsy miaro amin'ny lel'afo.
loza ho an'ireo izay mpandà amin'izany andro farany izany.
ilay andro izay tsy hahafahan'izy ireo miteny,
loza ho an'ireo izay mpandà an'izany andro farany izany.
Raha manana hafetsena ianareo, dia manaova àry hafetsena Amiko.
loza ho an'ireo izay mpandà an'izany andro farany izany.
loza ho an'ireo izay mpandà an'izany andro farany izany.
ka rehefa tenenina izy ireo hoe : \"Miondreha ianareo\", dia tsy miondrika izy ireo.
Share