Surah Al-Qiyamah ( The Resurrection )

Surah Al-Qiyamah ( The Resurrection ) - Malagasy Aya count 40

Tsia ! Mianiana amin'ny andro fitsanganana amin'ny maty Aho.
Ary tsy mianiana amin'ny fanahy izay fatra-panome tsiny aho.
Rehefa ho jamban'ny hazavana ny fijery.
Hiteny ny olombelona amin'io andro io hoe : \"Aiza no handosirana ?\"
Ho lazaina amin'ny olombelona amin'io andro io, izay asa nataony taloha sy taty aoriana.
koa rehefa mamaky azy àry Izahay, dia araho tsara ny vakiteny.
Amin'izany andro izany, dia hisy endrika miramirana,
Tsia ! rehefa tonga eo amin'ny taolam-panavy ny aina,
Ka hiteny hoe : \"Iza no mpamoaka devoly ?\"
Any amin'ny Tomponao no hitondrana anao amin'io andro io.
Saingy tsy nino izy ireo, no sady tsy nanao ny vavaka fanompoana ;
Fa niampanga izany ho lainga izy, sady nitodi-damosina,
Avy eo, dia lasa any amin'ny fianakiviany izy, nandeha amim-piavonavonana.
Mihevitra va ny olombelona fa ho avela amin'izao, tsy manana adidy iandraiketana ?
Avy eo, dia vaingan-drà, ary nohariany sy namboariny tsara ;
Share