Surah Al-Muddaththir ( The One Enveloped )

Surah Al-Muddaththir ( The One Enveloped ) - Malagasy Aya count 56

Mitsangana ianao ary mampitandrema.
Ary ankalazao ny halehiben'ny Tomponao.
Ary aoka ianao tsy hampatsiahy ny soa vitanao mba hahazoanao misimisy kokoa.
Ary mahareta ianao ho an'ny Tomponao.
Dia ho sarotra tokoa io andro io amin'izany fotoana izany.
Sy zanaka maro hiaraka aminy hatrany.
Kanefa dia mbola maniry homeko maro kokoa noho izany izy.
Aoka ho faty izy ! Araka izay fanapahan-keviny !
Eny ! Aoka ho faty izy ! Araka izay fanapaha-keviny !
Avy eo dia nijery izy !
Nikentrona izy no sady nanjombona ny endriny.
Ary nanome lamosina izy no sady nanambon'ny tena.
Hodorako ao anaty afo mahamay izy.
Fa iza no hilaza aminao ny atao hoe saqar ?
Tsy mamela na inona na inona izy ary tsy mitsitsy .
Ary Anjely ihany no nataonay mpiambina ny afo. Hisedranay ireo tsy mpino no antony namerenanay ny isany, sady hampiaiky ireo nomena ny boky, sy hampitombo ny finoan'ireo efa nino, ary tsy hampisalasala ireo izay nomena ny boky sy ireo mpino ; ka hitenenan'ireo misy aretina ao am-pony, sy ireo tsy mpino hoe : \"Inona ary no tian'I Allah ho lazaina amin'izany fanoharana izany ?\" Toy izany no amerezan'I Allah lalana izay tiany ho very, sy itariany lalana izay tiany ho tarihina. Tsy misy mahafantatra ny tafiky ny Tomponao afa-tsy Izy irery. Fa fampahatsiarovana ho an'ny olombelona ihany izany.
Tsia !Ary mianiana amin'ny volana Aho !
Ary amin'ny mangiran-dratsy rehefa vao miposaka.
Fa isan'ny iray amin'ny loza lehibe indrindra izany afo izany.
Iza no nandefa anareo ao amin'ny saqar ?
Hiteny izy ireo hoe : \"Tsy isan'ireo nanatanteraka vavaka fanompoana izahay\"
Ary niaraka tamin'ireo nanao resaka tsy misy antony izahay.
Hatramin'ny fahatongavan'ny tena fahamarinana taminay .
Tsy hahazoan'izy ireo tombotsoa intsony ny fanelanelanana hataon'ireo mpanelanelana.
Inona àry no nahatonga azy ireo tsy niraharaha ny fampahatsiarovana ?
ka izay maniry izany dia hahatsiaro.
Ary saingy tsy hahatsiaro izany izy ireo, raha tsy sitrak'I Allah. Izy no mendrika indrindra hatahorana, ary Izy no Tompon'ny famelan-keloka.
Share