Surah Al-Muzzammil (The One wrapped in Garments)

Surah Al-Muzzammil (The One wrapped in Garments) - Malagasy Aya count 20

Mitsangàna ianao mandritry ny alina afa-tsy amin'ny ampahany kely ihany .
Ilay Tompon'ny fiposahana sy ny filentehana. Tsy misy Tompo hafa, afa-tsy Izy. Koa ataovy mpihay anao ary Izy.
Ary avelao aho hiaraka amin'ireo mpiampanga lainga, izay mihaina ao anatin'ny fiadanana ; ary omeo fe-potoana fohy izy ireo.
Ny tena marina dia manana rojo vy mavesatra sy afobe ho azy ireo Izahay.
Amin'ny andro hampihorohoro ny tany sy ny tendrombohitra, ka hiparitahan'ny tendrombohitra ho toy ny vondro-pasika.
Ahoana no hiarovanareo tena raha tsy mino ianareo amin'ilay andro hahatonga ny zaza ho tahaky ny lahy antitra fotsy volo.
Tena fampatsiahivana marina ity. Koa aoka handeha amin'ny lalana mankany amin'ny Tompony izay tia izany.
Fantatry ny Tomponao tokoa, fa mitsangana mandritra ny roa ampahatelon'ny alina ianao, na ny antsasany, na ny ampahatelony. Toy izany koa ny ampahany amin'ireo izay miaraka aminao. Allah no mametra ny andro sy ny alina, fantany fa tsy afaka handany ny alina manontolo amin'ny fivavahana ianareo. Namela anareo Izy. Vakio ary izay vitanareo amin'ny koroany. Fantany, fa misy harary aminareo, misy handeha hivahiny hitady ny fahasoavan'I Allah, ary ny sasany koa handeha hiady amin'ny lalan'I Allah. Vakio ary izay azonareo vakiana. Tanterao ny vavaka fanompoana, omeo ny harena fiantrana, ary mampindrama amin-kitsim-po amin'I Allah ianareo. Fa izay tsara rehetra nomaninareo ho an'ny tenanareo, dia ho hitanareo any amin'I Allah, izany no tsara sy lehibe indrindra ho valisoanareo. Ary mangataha famelan-keloka amin'I Allah ianareo, fa mpamela heloka sy be indrafo tokoa I Allah.
Share