Surah Al-Jinn ( The Jinn )

Surah Al-Jinn ( The Jinn ) - Malagasy Aya count 28

Izay mitarika ho amin'ny lalana mahitsy. Nino izany izahay, ka tsy hampitambatra ny Tomponay amin'ny hafa mihitsy.
Ary saingy nisy ireo lehilahy tamin'ireo olombelona nitady fiarovana tamin'ireo djiny lahy, nefa dia vao maika nampitombo ny fahorian'izy ireo izany.
Ary nihevitra tahaky ny fiheveranareo izy ireo, fa tsy hanangana olona amin'ny maty na oviana na oviana I Allah.
Ary nipetraka nihaino teo izahay. Fa na iza na iza manongilan-tsofina mihaino ankehitriny, dia hifanehitra amin'ny tain-kintana izay hamely tampoka azy izy.
Ary fantatray tokoa fa tsy afaka ny tsy hampanan-kery an'I Allah eny ambonin'ny tany izahay, ary tsy afaka ny tsy hampanan-kery Azy ihany koa amin'ny fandosirana.
Ary nankato an'I Allah tokoa ny sasany taminay ary tsy nankato kosa ny sasany taminay. Ary ireo izay nankato an'I Allah, izy ireo no mikatsaka ny lalana marina.
Ary ho an'ireo izay niala ny lala-marina dia izy ireo no ho akora fandrehitra any amin'ny afobe.
Ary raha mijanona amin'ny lalana mahitsy izy ireo dia hanome rano fisotro betsaka ho azy ireo tokoa izahay.
Ho fisedrana azy ireo ao. Ary izay tsy miraharaha ny fampahatsiarovana avy amin’ny Tompony, dia hotarihiny any amin’ny famaizana mihamafy hatrany.
Fa an’Allah ireo toerana fiankohofana (mosquée), koa aoka àry ianareo tsy hiantso na iza na iza ankoatra an’Allah.
Lazao hoe : \"Ny Tompoko irery ihany no antsoiko ary tsy hampifangaro na iza na iza Aminy aho.\"
Lazao hoe : \"Tsy manana fahefana hanisy ratsy na hanasoa anareo mihitsy aho.\"
Lazao hoe : \"Tsy misy afaka hiaro ahy amin'I Allah mihitsy ary tsy afaka ny hahita fialofana hafa ankoatra Azy ihany koa aho.\"
Ny fampitana ny fanambarana avy amin'i Tompo Allah ho anareo ihany no andraikitro, toy izany koa ireo hafatra avy Aminy. Ary ho an'ireo izay tsy mankatoa an'I Allah sy ny Iraka avy Aminy dia ao ny afon'ny helo izay honenan'izy ireo mandrakizay.
Hanohy tsy hino izy ireo mandra-pahitany izay nampanantenana azy ireo, ary tsy ho ela dia fantatr'izy ireo hoe iza no tena osa eo amin'ny fanampiana, ary iza ireo vitsy an'isa.
Lazao hoe : \"Tsy fantatro na efa atomotra izany nampanantenana anareo izany, na namaritra fetr'andro lavitra ho an'izany ny Tompoko.\"
Izy no mpahalala ny tsy hita maso, ary tsy manambara ireo tsiambaratelony amin'iza na iza Izy.
Mba ahafantarany fa mampita ireo hafatra avy amin'ny Tompony ireo Iraka avy Aminy. Ary miaro ireo rehetra miaraka Aminy Izy no sady mandrakitra ny zava-drehetra koa.
Share