Surah Nooh

Surah Nooh - Malagasy Aya count 28

Hoy izy : \"Ry vahoakako ! Mpampitandrina mazava ho anareo tokoa aho.\"
Koa aoka ianareo hanompo an'I Allah, matahora Azy ary mankatoava ahy.
Mba hamelany ny helokareo sy hanomezany fanemoram-potoana ho anareo, hatramin'ny fotoana voafetra. Saingy rehefa tonga ny fotoana noferan'I tompo Allah dia tsy ho azo ahemotra intsony izany, raha mba fantatrareo mantsy !
Kanefa tsy nampitombo afa-tsy ny fandosiran'izy ireo ny antsoko.
Ka hoy aho : \"Mangataha famelan-keloka amin'ny Tomponareo ianareo, fa Mpamela heloka tokoa Izy.\"
Mba handefasany ranon'orana maro ho anareo avy eny amin'ny lanitra.
Koa inona no tsy hanajanareo an'i tompo Allah araky ny tokony ho izy ?
Ary anefa dia namboariny tamin'ny dingana isan'ambaratongany ianareo.
Ary Allah no nampitombo anareo avy amin'ny tany tahaka ireo zava-maniry.
Ary niteny izy ireo hoe : \"Aza mandao ireo andriamanitrareo mihitsy ianareo, ary aza miala amin'ny sampy \"wadd\", \"sowa'a\", \"yaghouth\", \"ya'ouq\" ary \"nasr\" na oviana na oviana.
Ary efa nahavery olona maro izy ireo. Ary tsy nampitombo afa-tsy ny fahaverezan'ireo mpanao ny tsy rariny.
Tompo o ! Mamelà ny heloko sy ireo Ray aman-dReniko, ary izay mpino miditra ao an-tranoko, ary koa ireo lehilahy sy vehivavy mpino ; fa ny fahaverezana ihany no hampitomboy ho an'ireo mpanao ny tsy rariny\".
Share