Surah Al-Ma'arij (The Ways of Ascent )

Surah Al-Ma'arij (The Ways of Ascent ) - Malagasy Aya count 44

Nisy mpanontany iray nanontany ny famaizana hihatra.
Amin’ireo tsy mpino, izay tsy azon’iza na iza ho toherina.
Avy amin’I Allah, ilay Tompon’ny lalan’ny fiakarana.
Ary kanefa tena akaiky ny fahitanay azy.
Ary ireo tendrombohitra ho toy ny volon'ondry voahety.
Ary tsy hanontanian’ny namana mahatoky ny namany intsony.
Na dia mifankahita aza izy ireo. Amin’io andro io dia te-hanakalo ny famaizana azy ireo amin’ny fanomezana ireo zanany ny mpanao ratsy.
Eny, fa na dia ireo mpiara-monina taminy nampiantrano azy aza.
Ary rehefa nahazo fahasoavana kosa dia fatra-pandà.
Afa-tsy ireo manatanteraka ny vavaka fanompoana.
Marina tokoa fa tsy misy manana fahatoniana manoloana ny famaizan'ny Tompony.
Ary ireo izay mitandrina amin'ny fahadiovam-pitondran-tenany.
Ary izay mitandrina ny fananana nankinina taminy sy manaja tanteraka ny fifanekena .
Inona ary no mahazo ireo tsy mpino no mihazakazaka manantona anao, manalava tenda ?
Moa samy mitsiriritra ny ho ampidirina ao amin'ny zaridainan'ny fahasambarana va izy ireo ?
Tsia !Mianiana amin'ny Tompon'ireo fiposahana sy ny filentehana Aho, fa Izahay dia manana fahefana.
Avelao ary izy ireo ho tafalatsaka lalina amin'ny tsy finoany sy ho variana mandra-pifanenany amin'ilay andro nampitandremana azy ireo.
Share