Surah Al-A'raf (The Heights ) - Aya 150
Surah Al-A'raf (The Heights ) - Malagasy - Aya 150 Aya count 206
وَلَمَّا رَجَعَ مُوسَىٰٓ إِلَىٰ قَوْمِهِۦ غَضْبَٰنَ أَسِفًۭا قَالَ بِئْسَمَا خَلَفْتُمُونِى مِنۢ بَعْدِىٓ ۖ أَعَجِلْتُمْ أَمْرَ رَبِّكُمْ ۖ وَأَلْقَى ٱلْأَلْوَاحَ وَأَخَذَ بِرَأْسِ أَخِيهِ يَجُرُّهُۥٓ إِلَيْهِ ۚ قَالَ ٱبْنَ أُمَّ إِنَّ ٱلْقَوْمَ ٱسْتَضْعَفُونِى وَكَادُوا۟ يَقْتُلُونَنِى فَلَا تُشْمِتْ بِىَ ٱلْأَعْدَآءَ وَلَا تَجْعَلْنِى مَعَ ٱلْقَوْمِ ٱلظَّٰلِمِينَ ﴿١٥٠﴾
Ary rehefa niverina tamin’ny vahoakany i Mosesy, tezitra no sady nalahelo ka niteny nanao hoe : “Tena ratsy tokoa izay nataonareo tamin’ny tsy naha-teo ahy ! Moa ve mitady ny hanafaingana ny didin’ny Tomponareo ianareo ?” Natsipiny ny takela-bato, ary noraisiny tamin’ny lohany ny rahalahiny ka nosintoniny teo aminy, dia niteny Izy (Rahalahiny) nanao hoe : “O ry zanaky ny reniko ! Marina fa ny vahoaka dia nandray ahy ho kanosa, ary saika namono ahy mihitsy izy ireo. Koa aza atao ny hampifaly ireo fahavaloko amin’izay manjo ahy, ary aza atao miaraka amin’ireo vahoaka mpanao ny tsy rariny aho”.