Surah Al-Qalam ( The Pen )

Surah Al-Qalam ( The Pen ) - Malagasy Aya count 52

Noun; Mianiana amin'ny penina sy izay nosoratan'izy ireo aho !
Ary hamafisina fa hisy valisoa tsy hitsahatra mihitsy ho anao.
Hamafisina fa ianao dia ambony toetra mendrika tokoa.
Ho hitanao ary ho hitan'izy ireo ihany koa.
Koa aoka ianao tsy hankato ireo mpilaza lainga.
Fa tian'izy ireo raha mandefitra amin'izy ireo ianao mba handeferan'izy ireo aminao.
Koa aza mankato ireo fatra mpanozona, mendrika ho tevahina.
Koa rehefa torina aminy ny faminaniana avy Amiko dia lazainy fa angano sy ariran'ny Ntaolo izany.
Saingy tsy niteny hoe : raha sitrapon'I Allah izany.
Ary ny marina dia tahaka ny nokakasana avokoa ny zavatra rehetra.
Dia nandeha ary izy ireo no sady niresaka moramora hoe :
Nandeha vao maraina izy ireo, tapa-kevitra ny hahihitra sady natoky fa fahefan'izy ireo izany.
Ka rehefa hitan'izy ireo izany dia hoy izy ireo : Very lalana tokoa isika.
Hoy ny olo-marina indrindra tamin'izy ireo : \"Tsy efa nolazaiko taminareo va raha mba nanome voninahitra an'I Allah mantsy ianareo\"
Dia hoy izy ireo : \"Voninahitra ho an'i Tomponay ! Eny nanao ny tsy rariny tokoa izahay.\"
Maniry izahay ny mba hanoloan'i Tomponay izany amin'ny zavatra tsaratsara kokoa, ny hanantona ny Tomponay no fanirianay.
Fa mahazo ireo zaridainam-pahasambarana eo akaikin'i Tompony kosa ireo vontom-pinoana.
Inona no mahazo anareo ? Fa ahoana ny fomba fitsaranareo ?
Sa nahazo fanomezan-toky marina avy Aminay va ianareo hatramin'ny andro fitsanganana, ka hanomezanay araka izay fanapahan-kevitrareo ?
Na koa manana mpiray antoka va izy ireo ? Aoka ary ho entin'izy ireo izany, raha tena mpilaza ny marina izy ireo !
Amin'ny andro hiatrehan'izy ireo ny zavatra mampihorohoro, ka hiantsoana azy ireo amin'ny fiankohofana, kanefa tsy afaka hanao izany intsony izy ireo.
Dia hiondrika ny fijerin'izy ireo, ary hanarona azy ny fahafaham-baraka, kanefa dia nantsoina ho amin'ny fiankohofana izy ireo tamin'ny fotoana nahasalama azy ireo.
Avelao ary aho hiaraka amin'izay miampanga ity lahateny ity ho lainga, fa ho entinay miandalana amin'izay tsy fantany izy ireo !
Ka omeko fe-potoana izy ireo fa tena azo antoka tokoa ny tetiko !
Sa fantatr'izy ireo va ny zava-miafina ; ka avy amin'izany no anoratany (ny laingany).
Zakao amim-paharetana ny didin'ny Tomponao, fa aza manao tahaka ilay olon'ny trondro (jonasy), izay niantso an'I Allah tao anatin'ny tebiteby mafy.
Kely fotsiny no tsy handratran'ireo tsy mpino anao amin'ny fijeriny (feno fahatezerana), rehefa mandre ny fampahatsiarovana izy ireo, ka miteny hoe: \"Tena adala tokoa izy!\"
Ary tsy inona izany fa fampahatsiarovana ihany ho an'izao tontolo izao.
Share