Surah Al-Mulk ( Dominion )

Surah Al-Mulk ( Dominion ) - Malagasy Aya count 30

Ilay Nahary ny fahafatesana sy ny fiainana mba hisedrany anareo,iza aminareo no manao asa tsara indrindra,ary Izy no Ilay tsitoha, Ilay mpamela heloka.
Ilay Nahary ny lanitra fito mifanaingina, ka tsy ahitanao fikorontanana amin'izay noharian' Ilay be fiantrana azy. Koa atopazo amin'izany ary ny masonao. Moa mahita hirika kely amin'izany va ianao?
Nohaingonay tokoa ny lanitra akaiky indrindra, tamin'ny alalan'ireo jiro (kintana), izay nataonay ho fitorahana ireo devoly, ary dia nanomana ny famaizan'ny afo mamaivay ho azy ireo Izahay.
Kely fotsiny no tsy ipoahany, vokatry ny Hatezerany. Isaka izay misy andiany atsipy ao dia manontany ireo mpiambina hoe: \"Moa tsy nisy mpampitandrina tonga teo aminareo va ?\"
Dia hoy izy ireo namaly : \"Eny ! Nisy tokoa ny mpampitandrina tonga teo aminay, saingy nataonay ho mpandainga, ka hoy izahay : \"Tsy nampidina na inona na inona I Allah, fa very lalana tanteraka ianareo\".
Tsy ho fantany va izay namboariny kanefa dia Izy no Ilay feno fahamoram-po, Ilay tena mahafantatra.
Izy no nametraka ny tany ho anareo koa tetezo ary ny fivelarany. Ary mihinàna amin'izay anjaram-pivelomana nomeny anareo. Fa ho any Aminy ny fitsanganana amin'ny maty.
Voaaro amin' Ilay any an-danitra izay mandentika anareo amin'ny tany va ianareo? Ary indro fa efa mihovitrovitra Izy!
Sa voaaro amin' Ilay any an-danitra izay mandefa tafio-bato aminareo ? Ary ho fantatrao amin'izany, ahoana ny fampitandremana avy aty Amiko.
Nilaza izany ho lainga ireo talohan'izy ireo. Nanao ahoana ary ny fanakianako (famaizana)!
Na koa iza no hanome anjaram-pivelomana anareo, raha mitsahatra tsy manome izany Izy ? Saingy mikiry amin'ny famingavingana sy ny fankahalana izy ireo.
Ary lazao hoe : \"Izy no nanaparitaka anareo teto an-tany, ary any Aminy no hanangonana anareo.\"
Ary miteny izy ireo hoe : “Rahoviana no ho tanteraka izany fampanantenana izany, raha marina tokoa ianareo ?”
Valio hoe : \"An'I Allah irery ny fahalalana ny amin'izany. Fa izaho dia mpampitandrina mazava ihany no anjarako.\"
Dia lazao hoe : \" Ahoana ny hevitrareo ? Raha ho vonoin'I Allah aho sy ireo miaraka amiko, na hamindra fo aminay Izy. Fa iza kosa àry no mba hiaro ireo tsy mpino amin'ny famaizana mamirifiry ?\"
Lazao hoe: \" Izy no Ilay be fiantrana. Mino Azy izahay, ary Izy no ianteheranay. Ho fantatrareo tsy ho ela izay ho any amin'ny fahaverezana tanteraka\".
Lazao hoe : “Fa ahoana ny hevitrareo? Raha milentika any amin’ny farany lalina indrindra any anaty tany ny rano, dia iza àry no hitondra loharano ho anareo?”
Share