Surah At-Tahrim ( The Prohibition )

Surah At-Tahrim ( The Prohibition ) - Malagasy Aya count 12

Ry mpaminany ! Nahoana no mifady izay efa nataon’Allah ara-dalàna ho anao ianao, ho fitadiavanao ny fankasitrahan’ireo vadinao ? Fa mpamela heloka sy be indrafo Allah.
Hamafisina, fa nandidy anareo Allah mba hiala amin’ny fianianana ianareo. Allah no Tomponareo ; ary Izy no mahalala ny zava-drehetra, be fahendrena.
Ary rehefa nilaza ny tsiambaratelo tamin’ny iray amin’ny vadiny ny mpaminany, dia naparitany, ary nasehon’Allah ny mpaminany izany, ka nampahafantariny azy ny ampahany, fa navelany kosa ny ampahany hafa. Ary rehefa nilazany izany ilay vadiny, dia namaly hoe : iza no nilaza izany taminao ? Hoy ny mpaminany : Ilay mahalala ny zava-drehetra, Ilay mahafantatra tanteraka no nilaza izany tamiko.
O ry Mpaminany ! Tohero ireo tsy mpino sy ireo mpihatsaravelatsihy, ary aoka ianareo ho henjana amin’izy ireo. Ny afobe no ho fialofan’izy ireo ary tena fiafarana ratsy tokoa izany !
Nataon’Allah fanoharana ho an’ireo tsy mpino ny vadin’i Noa sy ny vadin’i Lota. Teo ambany fahefan’ireo mpanomponay roa tena tsara fitondran-tena izy ireo, namitaka avokoa izy roa, ka tsy nahavitana na inona na inona teo anatrehan’I Allah izy ireo, ary dia voalaza fa miditra ao amin’ny afo izy roa vavy, miaraka amin’ireo izay miditra ao.
Toy izany koa i Maria, zanaka vavin’i Imran, izay nitandrina ny maha virijiny azy, ka notsofinay taminy ny fanahy avy Aminay. Natoky tanteraka ny tenin’ny Tompony sy ireo Boky izy, ary isan’ireo nanokan-tena feno fankatoavana.
Share