Surah At-Talaq ( The Divorce )

Surah At-Talaq ( The Divorce ) - Malagasy Aya count 12

Ary rehefa mahatratra ny fotoana efa voafetra izy ireo dia tazony amin’ny fomba mendrika, na saraho amin’ny fomba mendrika ihany koa, ary dia makà lehilahy roa mpandala ny rariny eo aminareo mba ho vavolombelona. Ka ataovy eo anatrehan’I Allah ny fijoroana ho vavolombelona.Izany no ananarana izay mino an’I Allah sy ny andro farany fa izay matahotra an’I Allah dia omeny vahaolana tsara.
Ary ataovy izay hitoeran’ireny vehivavy ireny amin’izay itoeranareo, araka izay fahefanareo, fa aza mitady hanisy ratsy azy amin’ny fanerena azy ireny hipetraka amin’ny fahaterena, ary raha mitoe-jaza izy, dia omeo izay ilainy hatramin’ny fiterahany. Fa raha mampinono ny zanakareo izy, dia omeo azy ny karamany. Mifampidiniha amim-pahamendrehana mikasika izany ianareo. Fa raha misy olana eo aminareo dia vehivavy hafa no mampinono ny zaza.
Aoka hanao fandaniana amin’ny hareny, izay manana izany, fa izay manana ny kely kosa, aoka hanao fandaniana araka izay nomen’Allah azy. Tsy manery na iza na iza hanao mihoatra izay nomena azy Allah, ary ampanarahan’Allah aorian’ny fahasarotana ny fahamorana.
Dia nanandrana ny vokatry ny fitondran-tenany izy ireo. Fa fahaverezana no vokatra farany tamin’izay nataony.
Share