Surah At-Taghabun ( Mutual Loss & Gain )

Surah At-Taghabun ( Mutual Loss & Gain ) - Malagasy Aya count 18

Nahary ny lanitra sy ny tany tamim-pahamarinana tokoa Izy ka nanome endrika anareo, ary endrika tsara tokoa no nomeny anareo ! Ary any Aminy no fiafarana.
Tsy tonga taminareo va, ny vaovao mikasika ireo tsy nino taloha, ka nanandrana ny voka-dratsin’izay nataony ; ary mbola hahazo famaizana mamirifiry izy ireo.
Toy izany no niseho satria tonga niaraka tamin’ny porofo mazava ireo Iraka, ka hoy izy ireo : Olombelona va no hitari-dalana anay ? Tsy nino izy ireo, ka nivily lalana. Tsy nila azy ireo anefa Allah, fa Tompon’ny harena sy mendri-piderana Izy.
Nilaza ireo tsy mpino fa tsy hitsangana amin’ny maty izy ireo. Koa valio hoe : Eny amin’ny anaran’ny Tompoko ! Tsy maintsy hatsangana amin’ny maty tokoa ianareo, ka hilazana izay nataonareo fa mora amin’Allah izany.
Fa izay tsy mino kosa, ka niampanga ireo andininy avy Aminay ho lainga, dia izy ireo no olon’ny afo, izay onenany mandrakizay;ary tena fiafarana ratsy tokoa izany !
O anareo mpino ! Misy amin’ireo vadinareo sy ny zanakareo no fahavalonareo. Koa mitandrema ianareo amin’izy ireo, fa raha leferinareo ny tsinin’izy ireo, adinonareo ny hadisoany, ary avelanareo ny helony, dia hamafisina, fa mpamela heloka sy be Indrafo Allah.
Raha manao fampindramana an-tsitram-po amin'Allah ianareo dia hampitomboiny ho anareo izany, ary avelany ny helokareo, fa mpankasitraka sy be fangorahana tokoa Allah.
Izy no ilay mahafantatra ny zava-miafina sy ny miharihary, ary Izy no Ilay Tsitoha, Ilay be Fahendrena.
Share