Surah Al-Munafiqoon ( The Hypocrites )

Surah Al-Munafiqoon ( The Hypocrites ) - Malagasy Aya count 11

Izany dia satria nino izy ireo, ary nandà indray ny finoana, ka voahidy ny fony, ary tsy mahafantatra na inona na inona izy ireo.
Fa rehefa mahita azy ireo ianao, dia ho sodokan’ny vatany ; ary raha miteny izy ireo, dia henoinao ny teniny. Tahaka ny kitay miankina izy ireo, ka heveriny ho famelezana azy avokoa ny hiaka rehetra. Izy ireo no fahavalo, koa mitandrema àry ianao amin’izy ireo. Handringana azy ireo anie Allah ! Fa indro mivily lalana izy ireo.
Ary rehefa ilazana izy ireo hoe : Tongava ianareo mba hangatahan’ny irak’Allah famelana ho anareo, ahodin’izy ireo anefa ny lohany, ary hitanao mihataka izy ireo sady mirehareha.
Izy ireo ihany no miteny hoe : Aza manao fandaniana ho an’izay eo akaikin’ny Irak’Allah mihitsy ianareo mba hiparitahan’izy ireo. Kanefa an’Allah ireo tahiry sarobidin’ny lanitra sy ny tany, saingy tsy fantatr’ireo mpihatsaravelatsihy izany.
Fa manaova fandaniana amin’izay natolotray ho anareo, mialohan’ny hahatongavan’ny fahafatesana amin'iray aminareo, ka hiteny hoe : Tompo ô ! raha mba nomenao fe-potoana kely mantsy aho dia ho nanao fanomezana ary ho isan’ireo olo-mendrika.
Tsy manome fe-potoana ho an’izay olona efa tonga eo amin’ny fetr’androny mihitsy anefa Allah. Fa mahafantatra tanteraka izay ataonareo Izy.
Share