Surah Al-Jumu'ah ( Friday )

Surah Al-Jumu'ah ( Friday ) - Malagasy Aya count 11

Izy no nandefa Iraka ho amin’ireo olona tsy nahafantatra namaky teny sy nanoratra, izay avy ao amin’izy ireo ihany, ka namaky tamin’izy ireo ny andininy avy Aminy, nanadio azy ireo sy nampianatra ny Boky, ary ny fahendrena, na dia tao anatin’ny fahaverezana tokoa aza izy ireo tany aloha.
Ary toy izany koa, tamin’ny hafa, izay tsy mbola nanaraka azy ireo. Fa Izy no Ilay Tsitoha, Ilay be Fahendrena.
Ary nefa dia tsy haniry izany mihitsy izy ireo, noho izay efa nataon’ny tanan’izy ireo ihany. Fantatr’Allah tsara anefa ireo mpanao ny tsy rariny.
Ary rehefa mahatazana varotra na fialam-boly izy ireo dia miparitaka mankany, ka mamela anao hitsangana irery. Lazao hoe : tsara nohon'ny fialam-boly sy ny varotra izay any amin’Allah, fa mpanome mendrika indrindra ny anjaram-pivelomana Allah.
Share