Surah As-Saff ( The Row )

Surah As-Saff ( The Row ) - Malagasy Aya count 14

Manome voninahitra an’I Allah avokoa izay any an-danitra sy ety an-tany, ary Izy no Ilay tsitoha, Ilay be fahendrena.
Ary rehefa niteny tamin’ny vahoakany i Mosesy hoe : Ry vahoakako ! Nahoana no manao ratsy ahy ianareo, nefa fantatrareo, fa irak’I Allah ho eo aminareo aho ? ka rehefa nivily lalana izy ireo dia navilin’Allah ny fony, fa tsy mitari-dalana ireo ratsy fitondran-tena Allah.
Ary iza no mpanao ny tsy rariny indrindra, mihoatra izay mamoron-dainga hanoherana an’I Allah, kanefa dia nantsoina ho amin’ny fankatoavana (Islam) ? Ary tsy mitari-dalana ny olona mpanao tsy rariny Allah.
Te-hamono ny hazavan’I Allah amin’ny vavany izy ireo, kanefa vao maika mampiseho ny fahazavan'I Allah, na dia mankahala izany aza ireo tsy mpino.
Izy no nandefa ny Irany niaraka tamin’ny tari-dalana, sy ny finoana marina, mba hametrahany azy ho eo ambonin’ny finoana hafa rehetra, na dia mankahala izany aza ireo mpampitambatra an’I Allah amin’ny hafa.
Ary zavatra hafa tianareo ihany koa dia ny famonjena avy amin’Allah sy fandresena tsy ho ela. Ka lazao amin’ireo mpino ny vaovao tsara.
Share