Surah Al-Mumtahanah ( The Woman to be examined )

Surah Al-Mumtahanah ( The Woman to be examined ) - Malagasy Aya count 13

Nanana ohatra tsara tokoa ianareo tamin’i Abrahama, sy ireo niaraka taminy, tamin’izy ireo niteny tamin’ny vahoakany hoe : Miala madiodio aminareo izahay, sy izay tompoinareo ankoatran'I Allah. Mandà anareo izahay. Teraka teo aminay sy teo aminareo ny fifampifahavaloana sy ny fifankahalana, raha tsy efa mino an’Allah tokana ianareo. Afa-tsy ny tenin’i Abrahama tamin’ny Rainy hoe : Mangataka famelan-keloka ho anao aho, na dia tsy afaka hanao na inona na inona ho anao aza eo anatrehan’I Allah. Tomponay ô ! Ianao no ianteheranay, ary any Aminao no hiverenanay, fa any Aminao ny fiafarana.
Ianareo mpino, rehefa tonga eo aminareo ireo vehivavy mpino mpifindra-monina dia sedrao izy ireo, mahafantatra kokoa ny finoan'izy ireo Allah. Raha hitanareo fa mpino izy ireo, dia aza averina any amin'ireo tsy mpino intsony, tsy azon'ireo vehivavy mpino atao ny manambady azy ireo, ary izy ireo ihany koa dia tsy afaka hanambady ireo vehivavy mpino. Ary aoka ianareo hamerina amin'izy ireo izay nomeny ho mahary, tsy misy tsiny ho anareo ny manambady azy, rehefa omenareo ny mahary, ary aoka ianareo tsy hitana ireo vehivavy tsy mpino ho vady. Takio izay nomenareo, ary aoka hitaky izay laniny koa izy ireo, izany no fitsaran'Allah izay hitsarany anareo.Fa Allah dia mahalala ny zava-drehetra sy be fahendrena.
Share