Surah Al-An'am ( The Cattle ) - Aya 148
Surah Al-An'am ( The Cattle ) - Malagasy - Aya 148 Aya count 165
سَيَقُولُ ٱلَّذِينَ أَشْرَكُوا۟ لَوْ شَآءَ ٱللَّهُ مَآ أَشْرَكْنَا وَلَآ ءَابَآؤُنَا وَلَا حَرَّمْنَا مِن شَىْءٍۢ ۚ كَذَٰلِكَ كَذَّبَ ٱلَّذِينَ مِن قَبْلِهِمْ حَتَّىٰ ذَاقُوا۟ بَأْسَنَا ۗ قُلْ هَلْ عِندَكُم مِّنْ عِلْمٍۢ فَتُخْرِجُوهُ لَنَآ ۖ إِن تَتَّبِعُونَ إِلَّا ٱلظَّنَّ وَإِنْ أَنتُمْ إِلَّا تَخْرُصُونَ ﴿١٤٨﴾
Hiteny ireo izay nanakambana an'I Allah amin’ny zavatra hafa manao hoe : “Raha sitrak’I Allah dia tsy nanakambana Azy amin’ny zavatra hafa izahay sy ireo raibenay teo aloha, ary tsy nampifady na inona inona izahay”. Tahaka izany koa no nampandaingan’ireo izay teo alohan’izy ireo (ireo Iraka) mandra-panandraman’izy ireo ny hatezeranay. Teneno hoe : “Moa ve misy sombim-pahalalana ianareo ka avokanareo ho anay izany ? Tsy manaraka ianareo afa-tsy ny vinavina, ary tsy manao ianareo afa-tsy ny famoronan-dainga”.