Surah Al-Hashr ( The Gathering )

Surah Al-Hashr ( The Gathering ) - Malagasy Aya count 24

Fa raha tsy efa nodidin’I Allah mialoha ny fialan’izy ireo tamin’ny taniny, dia nosaziany teto an-tany tokoa izy ireo, ary hahazo famaizan’ny afo any ankoatra.
Izay hazo na palma notapahanareo na izay navelanareo hitsangana amin’ny vahatrany, dia alalana avy amin’I Allah izany, ary mba hanalany baraka ireo ratsy fitondran-tena.
Ho an’ireo mpifindra-monina sahirana izay voaroaka tamin’ny fonenany sy ny fananany (mahazo anjara amin’izany koa), adidin’izy ireo anefa ny mitady ny fahasoavana sy ny fankasitrahan’I Allah, ary mitondra famonjena izay momba an'I Allah sy ny irany. Izy ireny no olo-marina.
Raha voaroaka izy ireo, dia tsy hiaraka aminy velively izy ireny ; ary raha misy manafika izy ireo, dia tsy hamonjy akory izy ireny, fa na hamonjy aza, dia azo antoka fa hanome lamosina, ka tsy ho voavonjy mihitsy izy ireo.
Mitovy amin’ny devoly miteny amin’ny olombelona hoe : aza mino ianao ! Ka rehefa tsy nino izy, dia hoy ny devoly : miala aminao madiodio aho, fa matahotra an’I Allah Tompon’izao tontolo izao.
Izy no Allah, tsy misy tompo hafa, afa-tsy Izy ; Ilay Tompo, Ilay masina, Ilay mampitony, Ilay mampatoky, Ilay mahery indrindra, Ilay tsitoha, Ilay mpifehy, Ilay mpirehareha. Voninahitra ho an’I Allah ! Ambony lavitra noho izay atambatr’izy ireo Aminy Izy.
Izy no Allah, Ilay mpahary, Ilay manome ny fiandoahan'ny zava-drehetra, Ilay mpanome endrika azy ireo ny anarana tsara indrindra, manome voninahitra Azy avokoa, izay rehetra any an-danitra sy ety an-tany, ary Izy no Ilay tsitoha, Ilay be fahendrena.
Share