Surah Al-Mujadilah ( She That Disputeth )

Surah Al-Mujadilah ( She That Disputeth ) - Malagasy Aya count 22

Henon'I Allah tokoa, ny tenin'ilay vehivavy miady hevitra aminao mikasika ny vadiny, ka mitaraina amin'I Allah. Ary henon'I Allah ny resakareo. Marina tokoa fa I Allah Ilay Mandre sy Mahita ny zava-drehetra.
Izay mampitaha ny vadin’izy ireo amin’ny lamosindreniny, ka miverina amin’ny teniny avy eo, dia tsy maintsy mamotsotra mpanompo iray, alohan’ny hikasihany ny vadiny. Izany no fananarana anareo. Fa Mahafantatra tanteraka izay ataonareo Aممضا.
Fa izay tsy afaka manao izany kosa, dia tsy maintsy mifehy roa volana mifanesy, alohan'ny hikasihany ny vadiny. Fa raha tsy afaka manao izany ihany koa izy, dia aoka izy hanome sakafo olona mahantra enim-polo. Izany dia mba hinoanareo an'i Allah sy ny Irany, izay fepetra napetrak'I Allah. Fa ireo tsy mpino kosa dia hahazo famaizana mamirifiry.
Amin'ny andro hananganan'I Allah azy rehetra amin'ny maty, ka hampahafantariny izay nataon'izy ireo. Nisain'I Allah izany, saingy hadinon'izy ireo. Fa mahita ny zavatra rehetra I Allah.
Ny fanaovana fivoriana miafina hikatsahana ny zava-dratsy dia tsy inona fa avy amin'i Satana, mba hampahoriany izay mino. Saingy tsy afaka hanisy ratsy azy ireo izany, raha tsy alalana avy amin'I Allah. Fa amin'I Allah no tokony hianteheran'ireo mpino.
Tsy hitanao va ireo naka olona ho namana, izay efa nahatezitra an’I Allah ?Sady tsy avy aminareo izy ireny, no tsy avy amin’izy ireo ihany koa ; fa mianiana amin’ny lainga izy ireo kanefa mahafantatra.
Raisiny ho toy ny ampinga ny fianiany, ary misakana ny lalan’I Allah izy ireo. Noho izany, hahazo famaizana mahafabaraka izy ireo.
Amin’ny andro izay hananganan’I Allah azy rehetra amin’ny maty, dia hianiana Aminy izy ireo, tahaka ny hianianan’izy ireo aminareo, mihevitra fa miankina amin’ny zavatra matanjaka izy ireo. Kanefa, izy ireo no mpandainga.
Share