Surah Ar-Rahman ( The Most Graciouse )

Surah Ar-Rahman ( The Most Graciouse ) - Malagasy Aya count 78

Nampianatra azy niteny mazava Izy.
Mihodina arakan'ny kajy ny masoandro sy ny volana.
Ny lanitra kosa dia nakarina ambony tokoa. Ary napetrany ny fadanjana.
Mba tsy handikanareo lalàna amin’ny fadanjana.
Ny tany indray dia novelarina ho an’ireo zava-manan’aina,
Toy ireo voa amin’ny akorany sy ireo zava-maniry manitra.
Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
Nohariany avy amin’ny tanimanga maneno toy ny vilanitany ny olombelona.
Ary Nohariany avy amin’ny lelan’afo tsy misy setroka ny djiny.
Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
Nomeny falalahana ireo rano masina roa mba hifanena.
Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
Avy amin’izy roa ireo no mivoaka ny voahangy sy ny haran-drano masina.
Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
Tsy maintsy foana avokoa izay rehetra eo amin’ny tany.
Ny tavan’ny Tomponao no hany sisa tavela, izay feno fahamboniana sy fahamendrehana.
Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
Hitsara anareo tsy ho ela Izahay ry olombelona sy djiny.
Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
Amin’izay dia tsy hametrahana fanontaniana mikasika ny fahotany na ny olombelona na ny djiny.
Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
Ho fantatra amin’endriny ireo mpanao ratsy. Ary ho raisina amin’ny volon-dohany sy ny tongony izy ireo .
Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
Hivezivezy eo amin’ny afo sy ny rano mangotraka tena mahamay izy ireo.
Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
Ary ho an’izay matahotra ny hitsangana eo anatrehan’ny Tompony dia hahazo zaridaina roa izy.
Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
Hitehin-kiho eo ambon'ny lamaka misy lamba lasoa kotofo am-bolamena izy ireo, ary ho azony takarina ireo voankazo ao amin’ny zaridaina roa.
Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
Hahita tovovavin’ny paradisa manana fijery madio izy ireo ao, tsy mbola niray ara-nofo, na tamin’ny olona, na tamin’ny djiny talohan’izy ireo.
Fa inona amin’ireo soa avy amin’nyTomponareo àry no lavinareo ?

Ankoatra ireo zaridaina roa ireo dia misy zaridaina roa hafa.
Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
Fa inona amin’ireo soa avy amin’nyTomponareo àry no lavinareo ?
Fa inona amin’ireo soa avy amin’nyTomponareo àry no lavinareo ?
Misy voankazo, hazon'ny palma, sy fototr’amponga ben-danitra ao.
Fa inona amin’ireo soa avy amin’nyTomponareo àry no lavinareo ?
Hisy tsara fitondran-tena sy tsara tarehy ao.
Fa inona amin’ireo soa avy amin’nyTomponareo àry no lavinareo ?
Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
Hitehin-kiho eo ambony ondan-tseza maitso sy karipetra matevina sady tsara izy ireo.
Fa inona amin’ireo soa avy amin’ny Tomponareo àry no lavinareo ?
Hamasinina anie ny Anaran’ny Tomponao, izay feno fahamboniana sy fahamendrehana !
Share