Surah Al-Qamar ( The Moon )

Surah Al-Qamar ( The Moon ) - Malagasy Aya count 55

Raha mahita fahagagana izy ireo, dia manome lamosina, ka miteny hoe : “ Majika maharitra izany ! ”
Ary lazainy fa lainga, ka manaraka ny sitrapony izy ireo, nefa dia ho avy amin ‘ny fotoana ny zavatra tsirairay.
Fahendrena tonga lafatra. Saingy tsy misy ilan’izy ireo ny fampitandremana.
Mialà amin’izy ireo ianao. Ny andro hiantsoan’ny mpiantso ho any amin’ny zavatra mampihoron-koditra.
Hihazakazaka, hanalava tenda mankany amin’ny mpiantso, ka hiteny ireo tsy mpino hoe : “Andro sarotra tokoa ity ”.
Talohan’izy ireo, dia efa niampanga izany ho lainga ny vahoakan’i Noa, ka nolazainy ho mpandainga ny mpanomponay, ary hoy izy ireo : “ Adala izy io ! ”, ary dia voatosika izy.
Dia niantso ny Tompony izy hoe : “ Resy aho, ka apandreseo ! ”
Dia noentinay tamin'ny zavatra vita amin’ny hazo, sy fantsika izy.
Manao ahoana ny famaizako sy ny fampitandremako ?
Niampanga azy ho mpandainga ireo Aad. Nanao ahoana ny famaizako sy ny fampitandremako ?
Manao ahona ny famaizako sy ny fampitandremako ?
Nataon’ireo Thamod ho lainga ny fampitandremana.
Hoy izy ireo: “ Hanarak'olona avy eto amintsika ihany va isika ? Koa dia ho any amin’ny fahaverezana, sy ny hadalàna isika raha izany \".
Nalefa taminy irery va ny hafatra fa tsy tamintsika rehetra ? Tena mpandainga rain-dahiny tokoa io, be hambo sady miavonavona.”
Ho fantatr’izy ireo rahampitso izay mpandainga rain-dahiny, feno fiheboana sady miavonavona.
Nantsoin’izy ireo ilay namany, izay nandray (sabatra), ka namono azy.
Manao ahoana ny famaizako sy ny fampitandremako?
Nataon’ny vahoakan’i Lota ho lainga ny fampitandremana.
Nandefa rivo-mahery tamin’izy ireo izahay, afa tsy tamin’ny fianakavian'i Lota, izay novonjenay talohan’ny mangiran-dratsy,
Nampitandrina azy ireo ny amin’ny famaizana avy Aminay anefa izy. Saingy nampisalasala azy ireo ny fampitandremana.
Araka izany, dia nitady haka fanahy ireo vahinin'izy ireo, ka nataonay jamba ny masony : “Andramo ary ny Famaizako sy ny fampitandremako.”
Andramo àry ny famaizako sy ny fampitandremako.
Tonga tamin’ireo olon’i Faraona tokoa ireo fampitandremana.
Nataon’izy ireo ho lainga avokoa ny famantarana avy Aminay. Dia nosazianay izy ireo, amin’ny fanasazian’ilay tsitoha, ilay mahefa ny zavatra rehetra.
Moa tsara kokoa noho izy ireny va ireo tsy mpino aminareo ? Sa misy fanafahana anareo tsy hanan-tsiny ao amin’ny raki-tsoratra ?
Na hilaza izy ireo hoe : “Andehahitambatra isika, ary handresy.”
Ho rava tsy ho ela ny fitambaran’izy ireo, ka samy handositra.
Fa ny Ora no hifamotoanan’izy ireo ka hahatsiravina tokoa ilay Orano sady hangidy.
Anatin’ny fahaverezana sy ny hadalana tokoa ireo mpanao ratsy.
Ny andro hitaritarihana azy ireo amin’ny tarehiny ao amin’ny afo (dia ho lazaina aminy hoe) : “Andramo ny fikasihana ny afobe.”
Ary voasoratra ao amin’ny Boky avokoa izay nataon’izy ireo.
Ho ao amin’ireo zaridaina sy renirano tokoa ireo vontom-pinoana.
Ao amin’ny toeram-pialan-tsasatra marina eo anatrehan’ilay Tompo Mahefa ny zavatra rehetra.
Share