Surah An-Najm ( The Star )

Surah An-Najm ( The Star ) - Malagasy Aya count 62

Mianiana amin’ny kintana izay efa hilentika Aho !
Fa tsy diso lalana ny namanareo, ary tsy tafiditra anatin'ny fahadisoana.
Izay nampianarin’ilay hery lehibe taminy.
Manan-tsaina ; ary niseho tamin’ny endrika maha izy azy.
Raha teo amin’ny fara-vodilanitra ambony izy.
Avy eo dia nanatona sy nidina ambanimbany kokoa izy.
Hatreo amin’izay tratran’ny zana-tsipika indroa, na akaiky kokoa noho izany.
Eo akaikiny no misy ny zaridainan’ny fialofana (mandrakizay).
Tamin’ny fotoana izay nahasarona ny hazo na mokonazy, tamin’izay nandrakotra azy.
Tsy nivily ny fahitany na nihoatra ny tokony ho izy.
Hitany tokoa ny sasany tamin’ireo fahagagana lehibe avy amin’ny Tompony.
Ho anareo va ny zazalahy, fa ho Azy kosa ny zazavavy ?
Sa efa nahazo izay rehetra niriny kosa ny olombelona.
An’I Allah ny fiainana any ankoatra, sy ny fiainana eto an-tany.
Ary firifiry ireo anjely any an-danitra, no tsy hahazoana tombotsoa mihitsy ny fanelanelanan’izy ireo, raha tsy aorian’ny alalana avy amin’I Allah, ho an’izay tiany sy ankasitrahany.
Nefa tsy manana fahalalana avy amin’izany izy ireo, fa izay fiheverany ihany no arahiny, nefa tsy misy ilaina ny fiheverana eo anatrehan’ny fahamarinana.
Koa misintaha ary ianao amin’izay tsy miraharaha ny fampahatsiarovana avy Aminy, ka tsy maniry afa-tsy ny fiainana ankehitriny.
Ireo izay mihataka ny fahotana lehibe, sy ny fahavetavetana, ka tsy manao afa-tsy ny hadisoana madinika, dia hamafisina, fa lehibe tokoa ny fahamelan-kelokan'ny Tomponao. Izy no tena mahafantatra anareo, rehefa nahary anareo avy amin’ny tany Izy, sy fony ianareo mbola zazarano tao an-kibon-dreninareo. Aza manadio tena ianareo, fa Izy no tena mahalala izay tena vonto-pinoana.
Tsy nambara taminy va izay tao anatin’ny takelak’i Mosesy.
Ary raha ny marina dia arakaraka izay fiezahan'ny olombelona ihany no azony.
Ary hamafisina, fa ny fiezahany dia haseho azy.
Ary hamafisina , fa ho any amin’ny Tomponao avokoa ny zavatra rehetra.
Toy izany koa ireo Tamod, ka nataony tsy nisy tavela.
Naringany toy izany koa ireo tanàna nivadika.
ka nosaronany tamin’izay nanaronany azy.
Inona amin’ireo fahasoavan’ny Tomponao àry no mampisalasala anao ?
Indro mpampitandrina, mitovy amin’ireo mpampitandrina taloha.
Manantona ilay akaiky (ilay Ora Fitsarana).
Ka mihomehy amin’izany ianareo fa tsy mba mitomany akory ?
Variana tanteraka amin’ny fialambolinareo.
Koa miankohofa amin’I Allah àry ianareo, ka tompoy Izy.
Share