Surah Qaf ( The Letter Qaf )

Surah Qaf ( The Letter Qaf ) - Malagasy Aya count 45

Qâf. Mianiana amin’ny Koroany ilay be voninahitra Aho.
Saingy talanjona izy ireo nahita ny iray tamin’izy ireo, tonga mpampitandrina teo aminy ka hoy ireo tsy mpino : ‘’ Zava-mahatalanjona izany ‘’.
Rehefa maty sy lasa vovoka va izahay(dia hatsangana indray) ? Fiverenana tena lavitra izany ’’.
Fantatray tokoa izay ho kikisan’ny tany amin’izy ireo ary manana boky mitahiry ny zava-drehetra izahay.
Fa noampangan’izy ireo ho lainga ny marina izay tonga teo aminy, ka indro izy ireo fa ao anatin’ny raharaha manalasala.
Ary ny tany, novelarinay izy ka nalentikay mafy teo aminy ny tendrombohitra, ary nampanirianay zavatra mahafinaritra isan-karazany tsiroaroa,
Mba ho fahiratan-tsaina sy fampahatsiarovana ho an’ireo mpanompo mibebaka.
Ho sakafon’ireo mpanompo. Ary avy aminy (rano) no namelomanay indray ny tanàna efa maty.Toy izany ny fitsanganana amin’ny maty.
Talohan’izy ireo nilaza (ny fahamarinana) ho lainga avokoa, ireo vahoakan’i Noa, ireo olon’i Ar-rassy ary ireo Thamod,
Toy izany koa ireo Aad sy i Faraona ary ireo ralahan'i Lota,
Ary ireo olon’i Al-Aykah sy ny vahoakan’i Tobba. Niampanga ireo iraka ho mpandainga avokoa izy rehetra, ka dia tanteraka tokoa ny fampitandremako.
Tsy mamoaka teny na iray izy, ka tsy hisy mpanara-maso azy eo akaikiny, vonona hanoratra izany.
Mampiseho ny marina ny fangirifirian’ny fialan’aina : “ Izao àry ilay tadiavinao handosirana ”.
Ka ho tsofina ny anjomara, indro ilay andron’ny (fanatanterahana) fampitandremana.
Dia ho avy ny olona tsirairay, miaraka amin’ny mpitarika sy vavolombelona iray.
Ary hiteny ilay mpiaraka aminy hoe : “ Ity no miaraka amiko, akaiky indrindra ”.
“ Ianareo roa, atsipazo any amin’ny afobe ny tsy mpino rehetra mafy loha sy mpikomy.
Niezaka mafy hisakana ny tsara, mpandika lalàna, mpisalasala.
Hiteny ny namany (devoly) hoe : “ Tomponay o ! Tsy izaho no nampandika lalàna azy, fa efa tao anatin’ny fahaverezana lalina izy ”.
Ary hiteny Izy hoe: “Aza mifamaly eto anatrehako ianareo ! Satria efa nanome fampitandremana anareo Aho.\"
Amin’ny andro hilazanay amin’ny afobe hoe : “Feno va ianao ?”.Dia hamaly izy hoe : “ Mbola misy ihany va ?\".
“Indro ilay nampanantenana anareo, ho an’izay rehetra feno fanenenana sy mitandrina,\"
Izay matahotra ilay be fiantrana, na dia tsy hitany aza, ary tonga amin’ny fo feno fanekena.
Hisy izay rehetra ilan’izy ireo ao. Ary mbola misy mihoatra noho izany aza eo Aminay.
Hiafio àry izay lazain’izy ireo, ary ankalazao ny fiderana ny Tomponao alohan’ny fiposahan’ny masoandro sy alohan’ny filentehany.
Ary ankalazao ny voninahiny, ampahany amin’ny alina sy aorian’ny fiankohofana.
Ary aoka hihaino ianao, amin’andro izay hiantsoan’ny mpiantso avy amin’ny toerana akaiky.
Ilay andro izay handrenesan’izy ireo amim-pahamarinana ny hiaka. Fa Andro fitsanganana amin’ny maty io.
Amin’andro izay hampitresaka ny tany dia hivoaka haingana avy ao izy ireo. Fanangonana mora ho Anay tokoa izany.
Fantatray tsara tokoa izay lazain’izy ireo. Tsy ny hanery azy ireo no nanirahana anao. Fa antsoy amin’ny alalan’ny Koroany àry izay matahotra ny fampitandremako.
Share