Surah Al-Maidah ( The Table spread with Food ) - Aya 95

Surah Al-Maidah ( The Table spread with Food ) - Malagasy - Aya 95 Aya count 120

يَٰٓأَيُّهَا ٱلَّذِينَ ءَامَنُوا۟ لَا تَقْتُلُوا۟ ٱلصَّيْدَ وَأَنتُمْ حُرُمٌۭ ۚ وَمَن قَتَلَهُۥ مِنكُم مُّتَعَمِّدًۭا فَجَزَآءٌۭ مِّثْلُ مَا قَتَلَ مِنَ ٱلنَّعَمِ يَحْكُمُ بِهِۦ ذَوَا عَدْلٍۢ مِّنكُمْ هَدْيًۢا بَٰلِغَ ٱلْكَعْبَةِ أَوْ كَفَّٰرَةٌۭ طَعَامُ مَسَٰكِينَ أَوْ عَدْلُ ذَٰلِكَ صِيَامًۭا لِّيَذُوقَ وَبَالَ أَمْرِهِۦ ۗ عَفَا ٱللَّهُ عَمَّا سَلَفَ ۚ وَمَنْ عَادَ فَيَنتَقِمُ ٱللَّهُ مِنْهُ ۗ وَٱللَّهُ عَزِيزٌۭ ذُو ٱنتِقَامٍ ﴿٩٥﴾
O ianareo mpino ! Aza mamono biby fihaza ianareo raha mbola ao anatin’ny Ihram . Ary izay mamono izany aminareo an-tsitrapo dia manolo mitovy amin’ izay biby novonoiny izy, ka hitsara izany ny olona roa azo antoka avy aminareo, ho fanatitra amin’ny Ka’aba , na ny onitra dia ny fampihinanana sakafo ireo mahantra, na ny fifehezana mifandanja amin’izany, mba hanandramany ny voka-dratsin’ny asa izay nataony. Namela izay efa lasa i Allah, ary izay mamerina dia ho sazin’i Allah. Ary Allah dia Mahery sy Tompon’ny fanasaziana.
Share