Surah Al-Hujurat ( The Dwellings )

Surah Al-Hujurat ( The Dwellings ) - Malagasy Aya count 18

Ianareo mpino ! Raha misy olona ratsy tonga mitondra vaovao ho anareo, hamarino tsara izany mba tsy hanaovanareo ratsy amin’ny olona nohon'ny tsy fahafantaranareo, sao dia hanenina amin’izay ataonareo ianareo avy eo.
Ary fantaro fa miaraka aminareo ny Irak'I Allah. Raha nankatoa anareo tamin’ny zavatra maro izy, dia ho tao anatin’ny fahasahiranana tokoa ianareo. Saingy nataon’I Allah nitia ny finoana ianareo, sady nohatsarainy tao am-ponareo izany, ary nataony nankahala ny tsy finoana ianareo, ny faharatsiana sy ny tsy fankatoavana. Izy ireo no voatari-dalana tsara.
Fitahiana sy fahasoavana avy amin’I Allah tokoa izany. Fa mahalala ny zava-drehetra sy be fahendrena I Allah.
Mpirahalahy tokoa ireo mpino. Koa aoka ianareo hanatsara ny fifandraisana misy eo amin’ireo rahalahinareo, ary matahora Allah mba hahazoanareo ny famindram-po.
Ianareo mpino ! Alaviro ny ahiahy tafahoatra, satria fahotana ny am-pahany amin’ny ahiahy atao amin’ny olona. Ary aoka tsy hitsikilo olona ianareo, na hifampifosa ianareo samy ianareo. Misy mitia mihinana ny nofon’ny rahalahiny maty va ianareo? Harikoriko amin’izany ianareo. Koa aoka ianareo hatahotra an'I Allah. Fa fatra-pandray fibebahana Allah, ary be indrafo.
Ry olombelona ! Noharianay avy amin’ny lahy sy vavy ianareo, ary nataonay ho vahoaka sy foko, mba hifankahalalanareo. Fa ny mendrika indrindra aminareo eo anatrehan’I Allah, dia izay vonto-pinoana indrindra. Fa mahalala sy mahafantatra tsara ny zava-drehetra Allah.
Mampahatsiaro anao ny fidiran’izy ireo amin’ny finoanan'I Allah tokoa izy, tahaka ny tombontsoa manokana (ho anao) avy amin’izy ireo izany. Lazao hoe : “Aoka ianareo tsy hampahatsiaro ahy ny fidiranareo amin’ny finoana Allah tokana ho toy ny tombotsoa manokana. Na ny mifanohitra amin’izany tombotsoa manokana ho anareo izany aza dia avy amin’I Allah no nitarihany anareo amin’ny finoana raha tena olo- marina ianareo”.
Share