Mba hamelan’I Allah izay mety ho fahadisoanao, na tamin’ny lasa izany na ny ho avy; sy hamenoany ny fahasoavany aminao, dia tarihany any amin’ny lalana mahitsy hatrany ianao ;
Izy no nampidina ny fahatoniana tao am-pon’ireo mpino mba hampitombo ny finoana efa ao amin’izy ireo. An’I Allah ny tafikin'ny lanitra sy ny tany; ary mahafantatra ny zavatra rehetra sy be fahendrena Allah.
Mba ho ampidirana ireo mpino lahy sy vavy ao amin’ireo zaridaina misy renirano mikoriana eo ambaniny, izay hipetrahan’izy ireo mandrakizay, ary hamafany ny asa ratsin’izy ireo. Fahombiazana lehibe tokoa izany eo anatrehan’ny tompo Allah.
Izay manao tokim-panoavana aminao dia manao tokim-panoavana amin’i Allah ihany koa, eo ambonin’ny tanan’izy ireo ny tanan’I Allah. Izay mandika ny fianianana, dia mandika izany ho an’ny tenany ihany; fa izay manatanteraka ny fifanekena tamin’I Allah kosa dia homeny valisoa lehibe tsy ho ela.
Noheverinareo fa tsy hiverina any amin’ny fianakaviany intsony ireo mpino sy ny Iraka. Koa dia nibahana tao am-ponareo izany, ary nanana hevi-dratsy ianareo. Ka lasa olom-bery.
An’I Allah ny fanjakan’ny lanitra sy ny tany .Mamela ny helok’izay tiany havela Izy, ary manafay izay tiany ho faizina. Fa mpamela heloka sy be indrafo hatrany Allah.
Tsy misy tsiny azo omena ireo jamba, sy kilemaina, ary ny marary. Na iza na iza mankato an’I Allah sy ny Irany, dia hampidiriny amin’ireo zaridaina misy renirano mikoriana eo ambaniny. Fa na iza na iza kosa mivily lalana, dia ho saziany amin’ny sazy mamirifiry.
Nankasitrahan’i Allah tokoa ireo mpino, tamin’izy ireo nanao tokim-panoavana taminao teo ambodihazo. Fantany ny ao am-pon’izy ireo, ka nampidininy teo amin’izy ireo ny fahatoniana, ary dia novaliany soa tamin’ny fandresena tsy ho ela izy ireo.
Nampanantena fananana maro voababo ho alainareo Allah, ary nohafainganiny ho anareo izany, ka nampanalaviriny taminareo ny tanan’olona hafa, mba ho famantarana ho an’ireo mpino, ary hitarihany anareo amin’ny lalana mahitsy;
Nampanantena fananana hafa voababo ho anareo, izay tsy ho azonareo mihitsy Izy, kanefa dia nofehezin’I Allah tamin’ny heriny izany, satria mahefa ny zavatra rehetra Allah.
Izy ireo no tsy nino sy nisakana anareo tsy ho any amin’ny trano masina fiankohofana sy nisakana ihany koa ny tsy hahatongavan’ny sorona voafatotra eo amin’ny toerana fanaovana izany. Raha tsy nisy ireo lehilahy mpino sy ireo vehivavy mpino, tsy fantatrareo (tao Lameka) izay saika voahitsakareo, ka nahatonga anareo ho sosotra tamin’izany nohon'ny tsy fahalalana izany dia mba hampidiran’I Allah izay tiany ao amin’ny famindram-pony. Ary raha navahana ireo mpino, dia tsy maintsy nofaizinay tamin’ny famaizana mamirifiry tokoa izay tsy nino tamin’izy ireo (ireo mponin’i Lameka).
Rehefa nataon'ireo tsy mpino tao am-pony ny hatezerana mafy nohon'ny tsy fahalalana, dia nampidinin’I Allah tamin’ny Irany sy tamin’ireo mpino kosa ny fahatoniana avy Aminy, ary nodidiny hanao teny fitiavam-bavaka izy ireo, izay izy ireo no mendrika sy akaiky izany. Fa mahafantatra ny zava-drehetra Allah.
Izy no nandefa ny irany miaraka amin’ny tari-dalana sy ny finoana marina, mba hametrahany azy ho ambonin’ny finoana hafa rehetra. Ampy hahita (ny zava-drehetra)I Allah.