Surah Al-Jathiya ( Crouching )

Surah Al-Jathiya ( Crouching ) - Malagasy Aya count 37

Hà, Mîm.
Ny fanambarana ny Boky dia avy amin’I Allah, ilay Tsitoha, ilay be Fahendrena.
Ary amin’ny nahariana anareo sy amin’ireo biby naparitany, dia misy famantarana maro ho an’ireo olona tena mino.
Toy izany koa ny amin’ny fifandimbiasan’ny alina sy ny andro, ary izay ampidinin’I Allah avy eny amin’ny lanitra, amin’ireo anjaram-pahasoavana (orana), izay amelomany ny tany efa maty, ary ny fipariahan’ny rivotra, misy famantarana ho an’ireo olona misaina tokoa izany.
Izany no andininy avy amin’I Allah izay vakianay aminao amim-pahamarinana. Ka teny manao ahoana no hinoan’izy ireo aorian’ny tenin’I Allah sy ireo famantarana avy Aminy ?
Maheno ireo andininy avy amin’I Allah izay vakiana aminy izy, avy eo, dia mikiry amin’ny fiavonavonana tahaka ny mbola tsy naheno izany velively. Koa ambarao azy ny famaizana mamirifiry.
Raha mahafantatra ny ampahany amin’ireo andininy avy Aminay izy, dia ataony izay hanaratsiana azy ireny. Hahazo famaizana mahafabaraka izy ireny.
Fitarihan-dalana izy ity (Kor’any).Fa izay tsy mino ireo andininy avy amin’ny Tompony, dia hahazo fijaliana amin’ny famaizana mamirifiry.
Napetrany ho eo ambany fifehezanareo izay eny an-danitra sy ety an-tany, ary ny rehetra dia avy Aminy avokoa. Misy famantarana tokoa ny amin’izany ho an’ireo olona mieritreritra.
Na iza na iza manao ny tsara, dia manao izany ho an’ny tenany ihany, ary na iza na iza manao ny ratsy, dia manao izany ho an’ny tenany ihany koa. Avy eo, dia any amin’ny Tomponareo no hamerenana anareo.
Loharanom-pahazavana ho an’ny olombelona izy ity (Koroany), tari-dalana sy famindram-po ho an’ireo olona mino tanteraka.
Ary hoy izy ireo: “Tsy misy afa-tsy ny fiainana eto an-tany ihany ny anay, ho faty izahay ary ho velona, fa ny fotoana no hahafaty anay.” Tsy manam-pahalalana ny amin’izany mihitsy izy ireo, fa manombatombana ihany.
Lazao hoe : “Allah no manome fahavelomana anareo, avy eo, dia hampisedra fahafatesana anareo. Manaraka izany, dia havoriny ianareo amin’ny andro fitsanganana, tsy isalasalana ny amin’izany, nefa tsy mahafantatra ny ankamaroan’ny olona\".
Fa rehefa nolazaina hoe: “Marina ny fampanantenan’I Allah; ary tsy isalasalana ny amin’ilay Ora”, “Tsy fantatray izany Ora izany” hoy ianareo; “ary vinavina ihany no ataonay amin’izany, sady tsy resy lahatra amin’izany izahay.”
Ary hilazana izy ireo hoe: “Hadinonay ianareo androany, tahaka ny nanadinoanareo ity andronareo anio ity. Ny afo no fialofanareo, ary tsy hanana mpamonjy velively ianareo\".
Nohon'ny fanesoanareo ireo andininy avy amin’I Allah no anton’izany, sy nohon'ny fitaka nataon’ny fiainana an-tany taminareo. Amin’io andro io, dia tsy havoaka ao izy ireo, ary tsy ho afa-tsiny ihany koa.
Share