Surah Ad-Dukhan ( The Smoke )

Surah Ad-Dukhan ( The Smoke ) - Malagasy Aya count 59

Hà, Mîm.
Mianiana amin’ilay Boky (Koroany) mazava aho.
Nandritra izany no nanapahana ny didy rehetra feno fahendrena.
Ho famindram-po avy amin’ny Tomponao, fa Izy no Ilay Mahare, Ilay Mahalala ny zavatra rehetra,
Tompon’ny lanitra sy ny tany, ary izay rehetra eo anelanelan’izany! Raha miaiky izany tokoa ianareo.
Tsy misy tompo hafa, afa-tsy Izy. Izy no mamelona sy mamono, ary Izy no Tomponareo sy Tompon’ireo razambenareo taloha.
Nefa izy ireo dia misangy ao anatin’ny fisalasalana.
Izay handrakotra ny olona. Ho famaizana mamirifiry tokoa izany.
Taiza izany fahatsiarovan-tenan’izy ireo izany, nefa dia efa tonga tamin’izy ireo ny iraka mazava.
Avy eo, dia nihataka taminy izy ireo, sady niteny hoe: “Olona nanovo fahalalana izy io, nidiran’ny devoly.”
Ary talohan’izy ireo, dia efa nosedrainay ny vahoakan’i Faraona, tamin’ny fahatongavan’ny iraka manan-kaja teo amin’izy ireo.
Izay niteny hoe: “Atolory ahy ireo mpanompon’Allah! Fa iraka mendri-pitokisana ho anareo tokoa aho.
Ary mitady fiarovana amin’ny Tompoko sy Tomponareo aho, mba tsy ho torahanareo.
Mandehana amin’ny alina miaraka amin’ireo mpanompoko ianao;fa hisy hanaraka ianareo.
Tsy nisy nitomany azy ireo, na ny lanitra, na ny tany, sady tsy nahazo fanemoram-potoana intsony izy ireo.
Hamafisina, fa nofidiay teo anivon’izao tontolo izao izy ireo tamim-pahalalana tanteraka.
Tsy misy afa-tsy ny fahafatesana iray voalohany ihany ho anay. Ary tsy hatsangana amin’ny maty izahay.
Avereno àry ireo razambenay, raha mpilaza ny marina tokoa ianareo.”
Fa tamim-pahamarinana tokoa no naharianay azy ireny. Nefa tsy mahafantatra izany ny ankamaroan’izy ireo.
Hamafisina, fa ny andro ny fitsarana farany no fotoana hihaonan’izy ireo rehetra.
Hamafisina, fa ny hazon’ny zaqqoum (hazo mangidin’ny afobe),
Dia ho sakafon’ny be fahotana.
Tahaka ny fangotrahan’ny rano mamay.
Andramo! Fa ianao ilay nihevi-tena ho mahery, ilay manan-kaja.
Akanjo mangirana sy lamba lasoa no fitafin’izy ireo, ary hipetraka mifanatrika.
Toy izany! Ary tovovavy baribary maso no homenay ho vadin'izy ireo.
Tsy hanandrana fahafatesana izy ireo ao, afa-tsy ilay fahafatesana voalohany ihany. Ary harovana amin’ny famaizan’ny afo mavaivay izy ireo,
Share