Surah Az-Zukhruf ( The Gold Adornment )

Surah Az-Zukhruf ( The Gold Adornment ) - Malagasy Aya count 89

Hà, Mîm.
Mianiana amin’ilay Boky mazava Aho.
Izay aty Aminay ao anatin’ny takelaka fototra, ambony indrindra, ary feno fahendrena.
Moa tsy nomenay ny fampahatsiarovana va ianareo, nefa tsy niraharaha ianareo izany, satria olona mpanao ny tafahoatra ianareo ?
Efa nandringana olona matanjaka kokoa noho izy ireo Izahay ! Ary efa notanisaina ny ohatra mikasika ireo teo aloha.
Ary raha manontany azy ireo ianao hoe : “ Iza no nahary ny lanitra sy ny tany ? ”. Dia hiteny tokoa izy ireo hoe : “ ilay Tsitoha, ilay Mahalala ny zavatra rehetra no Nahary azy ireo.”
Ilay nanome anareo ny tany ho fandriana (toeram-pipetrahana), sy namaritra izay ilana tao anatiny, mba hahatonga anareo ho voatari-dàlana.
Ilay mampidina rano avy eny amin’ny lanitra amin’ny antonony, ka amelomanay indray ny tanàna efa maty. Toy izany no hananganana anareo amin’ny maty.
Mba hipetrahanareo eo an-damosiny. Manaraka izany, dia aoka ianareo hahatsiaro ny soa avy amin’ny Tomponareo rehefa tafapetraka eo aminy ianareo, ary hitenenanareo hoe : “ Voninahitra ho an’ilay nampanaiky izao rehetra izao ho anay, nefa tsy afaka nahafehy izany izahay\".
Ary dia nataon’izy ireo ho toy ny singa avy amin'I Allah ny sasany amin’ireo mpanompony. Hamafisina, fa tsy mahay mankasitraka tokoa ny olombelona.
Sa nangala zazavavy tamin’izay nohariany va Izy, ary nanome anareo zazalahy araka ny Safidiny ?
Fa ahoana ?Ilay nobeazina teo anivon’ny haingo, izay tsy afaka miarotena amin’ny alalan’ny hevitra mazava eo anoloan’ny fifandirana (no heverinareo ho singa avy amin’Allah) ?
Ary dia lazain’izy ireo ho vavy ireo Anjely mpanompon’ilay be Fiantrana !Fa vavolombelona tamin’ny nahariana izany va izy ireo ? Ho soratana ny fijoroany ho vavolombelona, ary dia hanontaniana ny amin’izany izy ireo.
Ary hoy izy ireo : “ Raha sitrak’ilay be Fiantrana, dia tsy ho nanompo azy ireo izahay.” Tsy manana fahalalana ny amin’izany izy ireo, fa tombatombana fotsiny ihany.
Ary toy izany koa, tsy nandefa mpampitandrina talohanao tamin’ny tanàna iray izahay, ka tsy notenenin’ireo tsara fari-piainana tao amin’izany hoe : “ Nahita ireo razam-benay tamin'ny fivavahana iray izahay, ka nanaraka ny dian’izy ireo.”
Hoy izy : “ Na dia lalana tsara kokoa noho izay nahitanareo ny razam-benareo aza va no entiko aminareo ? ”. Hoy izy ireo : “ Tsy mino ny hafatra nanirahana anareo izahay.”
Afa-tsy ilay Nahary ahy, satria marina fa Izy no hitari-dalana ahy.”
Fa nomeko fahasambarana ireo olona ireo sy ireo razam-beny, mandra-pahatongan’ny Marina sy ny iraka mazava teo amin’izy ieo.
Ary rehefa tonga teo amin’izy ireo ny fahamarinana, dia hoy izy ireo : “ Majika izao, fa tsy mino izany izahay.”
Ary hoy izy ireo : “Ahoana no tsy nampidinana io Koroany io, tamin’ny olona ambony, tamin’ny iray amin’ireo tanàna roa ?
Ary koa ravaka maro. Izany rehetra izany dia fahafinaretana mandalo eto amin’ny fiainana an-tany ihany, fa ny any ankoatra kosa, izay any amin’ny Tomponao, dia ho an’ireo vonto-mpinoana.
Ary izay minia tsy mahita ny fampahatsiarovan’Ilay be Fiantrana, dia hanendrenay devoly ho namana tsy misaraka aminy.
Mamily ny olombelona tsy ho amin’ny lalana mahitsy tokoa ny devoly, nefa dia mihevi-tena ho voatari-dalana tsara izy ireo.
Rehefa ho avy eo Aminay izany olona izany, dia hiteny amin’ny devoliny izy hoe : “Indrisy ! Ahoana àry no tsy nisy elanelana tahaka ny elanelan’ny atsinanana sy andrefana teo amintsika !” Tena namana ratsy tokoa izany !
Tsy hahazoanareo tombotsoa mihitsy izy amin’izany andro izany ; raha nanao ny tsy rariny tokoa ianareo, dia hiara-voasazy.
Tena fampahatsiarovana ho anao sy ny vahoakanao izany. Ary hanontaniana mikasika izany ianareo.
Nalefanay ny Iraka tamin’ny fahagagana avy Aminay tokoa I Mossa, ho any amin’ny Faraona sy ireo loholony. Hoy izy : “Izaho dia Iraky ny Tompon’izao tontolo izao.”
Fa rehefa tonga teo amin’izy ireo niaraka tamin’ny fahagagana avy Aminay izy, dia nihomehezan’izy ireo.
Dia hoy izy ireo : “Ry mpanao majika ! Mangataha ho anay amin’ny Tomponao, amin’ny alalan’ny fifanekena nifanaovany taminao. Fa hanaraka ny lalana mahitsy tokoa izahay.”
Ary rehefa nahatakay tamin’izy ireo ny fanasaziana, dia indro fa nandika ny fifanekena izy ireo.
Toy izany no nataony hahafanina ny vahoakany, ary dia nankatoavin’izy ireo izy, satria olon’ny faharatsiana (izy ireo).
Ary rehefa nahatezitra Anay izy ireo, dia namaly azy ireo Izahay, ka narendrikay avokoa izy rehetra.
Ka miteny hoe : “Ny Andriamanitray va no tsara kokoa sa izy ?” Hifandirana ihany no nanomezan’izy ireo izany ohatra izany taminao. Fa tena olona fatra mpifanditra izy ireo.
Ary izy, dia ho famantarana mikasika ilay Ora, ka aza misalasala ny amin’izany velively ianareo. Koa manaraha ahy, izany no lalana mahitsy.
Ary rehefa nitondra ny porofo I Jesoa, dia hoy izy : “Tonga eto aminareo miaraka amin’ny fahendrena aho, sady hanazava aminareo ireo zavatra sasany tsy nampitovy hevitra anareo. Matahora an'I Allah àry ianareo, ary mankatoava ahy.
Saingy tsy nitovy hevitra ireo vondron’olona teo amin’izy ireo. Koa loza ho an’ireo mpanao ny tsy rariny, amin’ny famaizana amin’ilay andro feno fanaintainana.
Aoka ianareo sy ireo vadinareo hiditra ao amin’ny Paradisa, fa hanaovana lanonana ianareo any.”
Fa ireo meloka kosa, dia hipetraka mandrakizay ao amin’ny famaizan’ny afobe,
Izay tsy hitsahatra mandrakizay ho azy ireo, ka hahavery fanantenana azy.
Tsy nanao ratsy tamin’izy ireo Izahay, fa izy ireo ihany no mpanao ny tsy rariny.
Ary dia hiantso izy ireo hoe: “Ry Malik (Anjely) ! Aoka hamono anay ho faty ny Tomponao! ” Ka hoy izy: “Raha ny marina dia natao hipetraka ao mandrakizay ianareo.”
Moa nangala fanapahan-kevitra va izy samy izy ireo ? Fa Izahay no manapa-kevitra
Sa mihevitra va izy ireo fa tsy henonay ny tsiambaratelony, na ny bitsik’izy ireo? Eny! Mandray an-tsoratra izany ireo (Anjely) Irakay akaiky azy ireo.
Fa lazao hoe: “Raha nanan-janaka Ilay be Fiantrana, dia izaho no nanompo azy voalohany.”
Voninahitra ho an’Ilay Tompon’ny lanitra sy ny tany, ary Tompon’ny Seza Fiandrianana; Ambonin’izay foronin’izy ireo Izy.
Avelao izy ireo hilona amin’ny fahadisoany, sy handany andro mandra-pahatongavana amin’ilay andro nampanantenaina azy ireo.
Ho hamasinina anie Ilay Tompon’ny Fanjakan’ny lanitra sy ny tany, sy izay eo anelanelan’izy ireo. Izy no manana ny fahalalana ny Ora. Fa any Aminy no hamerenana anareo.
Fa tsy manana fahefana hanelanelana izay antsoin’izy ireo ankoatra Azy, afa-tsy izay mijoro vavolombelona amim-pahamarinana amin’ny fahafantarana tanteraka.
Fa raha anontanianao izy ireo: “Iza no nahary azy ireo ?”, dia hiteny tokoa izy ireo hoe: “Allah.” Ka nahoana àry izy ireo no mihataka (amin’ny fanompoana Azy) ?
Ka hoy ny teniny (tenin’ny Mpaminany amin’Allah): “Tompo ô ! Olona tsy mino izy ireny.”
Raha izany, mihataha amin’izy ireo ianao, ka lazao hoe: “Fandriampahalemana (salam)!”. Fa ho fantatr’izy ireo tsy ho ela izany.
Share