Surah Ash-Shura (Consultation )

Surah Ash-Shura (Consultation ) - Malagasy Aya count 53

Hà, Mîm.
‘Aîn, Sin .Qaf
Toy izany no anaovan’I Allah, ilay Tsitoha, ilay be Fahendrena, fanambarana, tahaka izay nataoNy tamin’ireo talohanao.
Toy izany no nanambaraNay taminao ny Koroany amin’ny teny arabo, mba hampitandremanao ilay renivohitra (Lameka) sy ny manodidina azy, ary hampitandremanao ny amin’ilay andro famoriana; izay tsy isalasalana. Misy andiany ho any amin'ny Paradisa, ary andiany hafa ho any amin’ny afo mamaivay.
Manana ireo fanalahidin’ny lanitra sy ny tany Izy. Mizara an-kalalahana ny FanomezaNy amin’izay sitrany Izy, na mametra izany. Mahafantatra ny zavatra rehetra tokoa Izy.
Tsy nisaraka izy ireo raha tsy efa taorian’ny nahatongavan’ny fahalalana tamin’izy ireo, ary izany dia noho ny fifandrafiana teo aminy ihany. Raha tsy ny teny mialoha nataon’ny TompoNao mikasika ny fotoana efa voafetra, dia efa notsaraina izy. Tena ao anatin’ny fisalasalana tanteraka ireo izay nandova ny Boky taorian’izy ireo.
Koa antsoy ho amin’izany àry izy ireo, ary mijoroa ho mahitsy araka izay nanafarana anao ; dia aza manaraka ny sitrapon’izy ireo ianao, fa lazao hoe : “Mino izay Boky rehetra nampidinin'I Allah aho, ary nandidiana ahy ny hanao ny rariny eo aminareo. Tomponay sy Tomponareo Allah. Anay ny asanay, ary anareo ny asanareo, tsy misy hevitra azo tapahina eo aminay sy aminareo, fa havorin’Allah avokoa isika rehetra, ary any Aminy no hiafarana.”
Ary izay miady hevitra mikasika an’I Allah, rehefa avy novaliana ny antsony, dia tsy misy lanjany ny tenin’izy ireo eo anatrehan’I Allah. Hihatra amin’izy ireo ny fahatezerana, ka hahazo ny fanasaziana mafy izy ireo.
Allah no nampidina ny Boky tamim-pahamarinana, toy izany koa ny fandanjana.Koa inona no fantatrao ny amin’izany ?Angamba efa akaiky ilay Ora ?
Feno hamoram-po amin’ireo mpanompon'I Allah. OmeNy izay tiany homena. fa Izy no ilay Matanjaka, Ilay tsitoha.
Izay te-hiasa ho amin’ny fiainana any ankoatra, dia ampitomboiNay ny asa vitany. Ary izay te-hiasa ho amin’ny fiainana ankehitriny, dia omeNay azy izany; fa saingy tsy hanana anjara amin’ny any ankoatra izy.
Sa manana mpitambatra amin’Allah va izy ireo, izay nametraka lalàna ara-pinoana tsy nahazoana alalana tamin’Allah ? Raha tsy efa noraisina ny fetra farany, dia ho notapahina tokoa ny amin’izy ireo. Hamafisina, fa hahazo fanasaziana mamirifiry ireo mpanao ny tsy rariny.
Fa raha manome an-kalalahana ny fanomezaNy amin’ireo mpanompony I Allah, dia hanao ny tafahoatra izy ireo ety an-tany; nefa ampidiniNy amin’ny antonony araka izay tiaNy izany. Fantany tsara ireo mpanompony, ary mahita azy ireo Izy.
Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy, ny fahariana ny lanitra sy ny tany, ary ireo zava-manan’aina izay naparitany tao, manana fahefana hanongana azy ireo araka izay tiany Izy.
Ary anisan’ireo famantarana avy Aminy, ireo sambo mamakivaky ny ranomasina mitovy amin’ireo tendrombohitra.
Raha tiany, dia ampitoniany ny rivotra, ka indro fa tsy mihetsika izy ireo eo amboniny. Misy famantarana tokoa amin’izany, ho an’izay manam-paharetana sy mahay mankasitraka.
Na koa, ho potehiny izany ho sazin’izay nataon’izy ireo. Nefa dia mamela heloka maro Izy.
Izay miady hevitra mikasika ireo famantarana avy Aminay, dia mahafantatra tsara fa tsy manana handosirana.
Ireo izay mamaly ny antson’ny Tompony, manatanteraka ny vavaka fanompoana, mifampidinika izy ireo ny zavatra hataon’izy ireo, ary manao fandaniana amin’izay natolotray ho azy ireo,
Fa izay manam-paharetana sy mamela heloka, dia izany no tsara indrindra amin’ny raharaha rehetra.
Ary na iza na iza ataon’I Allah amin’ny fahaverezana dia tsy manana mpiahy intsony aoriany. Nefa dia hahita ireo olona mpanao ny tsy rariny ianao, hiteny eo am-pahitana ny fanasaziana hoe : “Misy fomba hiverenana va ?”
Valio ny antson’ny Tomponareo, mialohan’ny hahatongavan’ilay andro (farany) izay tsy hanemoran'Allah intsony. Amin’io andro io, dia tsy hisy fialokalofana ho anareo, ka tsy ho azonareo lavina mihitsy.
An’I Allah ny fanjakan’ny lanitra sy ny tany. Mahary araka izay tiany Izy. Manome zazavavy ho an’izay tiany homena izany Izy, ary manome zazalahy ihany koa, ho an’izay tiany homena izany,
Na koa sady manome zazalahy Izy no manome zazavavy ary ataony momba izay tiany ho amin’izany. Hamafisina, fa mahalala sy mahefa ny zavatra rehetra Izy.
Tsy natao hitenenan’I Allah (mivantana) ny olombelona, raha tsy amin’ny alalan’ny fanambarana, na ambadiky ny rakotra, na mandefa Iraka (Anjely) izay nahazo alalana avy Aminy izy, hitondra ny fanambarana, araka izay sitrany. Ambony indrindra Izy sady be fahendrena.
Ary toy izany no nanambaranay taminao ny fanahy (Koroany) avy amin’ny alalan’ny baiko avy Aminay. Tsy nanana fahalalana ny amin’ny Boky sy ny finoana ianao saingy nataonay fahazavana hitarihanay izay tianay amin’ireo mpanomponay izany. Ary hamafisina, fa mitari-dalana ho amin’ny lalana mahitsy ianao,
Share