Niampanga ho mpandainga an’ireo Iraka ny vahoakan’i Noa, toy izany ihany koa ireo antoko nitambatra taorian’izy ireo, ary samy nanana fikasana ny hisambotra ny Iraka tao aminy ny vahoaka tsirairay, ka niady hevitra tamin’ny hevi-diso izy ireo, mba hitsipahana ny marina. Ka nosaziako izy ireo, ary nanao ahoana ny fandehan’ny saziko !
“ Tomponay ô ! Ampidiro amin’ny Zaridainan’i Edena izy ireo, izay nampanantenainao azy, toy izany ihany koa ireo izay tsara fitondran-tena tamin’ireo razambeny, ny vadiny sy ny taranak’izy ireo. Marina fa Ianao no Ilay Tsitoha, Ilay be fahendrena ”.
Hamafisina, fa toy izao no hambara an’ireo tsy mino : “Lehibe kokoa ny fankahalan’I Allah anareo, noho ny fankahalanareo ny tenanareo, rehefa nantsoina ho any amin’ny finoana ianareo, kanefa nifikitra tamin’ny tsy finoana ihany”.
Izany no izy, satria rehefa nantsoina irery I Allah, dia tsy mino ianareo, fa rehefa akambana amin’ny zavatra hafa Izy, dia nino ianareo. An’I Allah ny Fitsarana ! Ilay avo indrindra, ilay lehibe tokoa.
Izy no mampiseho aminareo ireo porofo avy Aminy, sy mampidina ny anjaram-pivelomana ho anareo avy any an-danitra. Ary tsy misy mahatsiaro, afa-tsy izay miverina amin’I Allah ihany.
Izy no Ilay manandratra amin’ny ambaratonga avo indrindra, Tompon’ny Seza fiandrianana. Izy no mibaiko ny Fanahy ho amin’izay sitrany amin’ireo mpanompony, mba hampitandremany ny amin’ilay andro fihaonana,
Ary mitsara amim-pahamarinana I Allah, nefa ireo izay antsoin’izy ireo ankoatra Azy kosa, dia tsy mitsara na inona na inona. Hamafisina, fa mandre sy mahita ny zava-drehetra I Allah.
Fa hoy ny lehilahy mpino iray avy amin’ny fianakavian’i Faraona, izay nanafina ny finoany nilaza hoe: “ hamono olona ve ianareo, satria izy nilaza hoe: Allah no Tompoko ? Kanefa dia tonga teo aminareo niaraka amin’ny porofo mazava izy, avy any amin’ny Tomponareo. Raha mpandainga izy, dia ho azy ny laingany, fa raha nilaza ny marina kosa izy, dia hihatra aminareo ny ampahany amin’izay nampitandremany anareo ”. Hamafisina, fa tsy mitari-dalana izay mihoam-pefy sy fatra mpandainga I Allah.
Ô ry vahoakako! Ho anareo ny fanjakana androany, fa ho mpandresy eto an-tany ianareo. Nefa, iza no hanavotra antsika amin’ny hatezeran’I Allah raha tonga amintsika izany? Dia hoy i Faraona hoe: “Tsy manoro anareo afa-tsy izay heveriko ho tsara aho, ary tsy mitari-dalana anareo aho raha tsy amin’ny lalana mahitsy”.
Ary hamafisina, fa teo aloha, dia tonga teo aminareo niaraka tamin’ny porofo mazava tokoa i Josefa (Yousouf), saingy tsy nitsahatra nisalasala hatrany tamin’izay noentiny taminareo ianareo. Fa rehefa maty izy, dia hoy ianareo hoe: “tsy handefa Iraka aoriany intsony I Allah”. Toy izany no hamerezan’I Allah lalana ireo mpihoam-pefy sy mpisalasala.
Izay miady hevitra momba ireo fahagagana avy amin’I Allah, kanefa tsy misy porofo tonga teo aminy, dia tsy hankasitrahana tokoa eo anatrehan’I Allah sy ireo mpino izy. Toy izany no hanidian’I Allah ny fon’izay rehetra mpirehareha sy mpanjakazaka.
Ireo lalan’ny lanitra, ka hitazanako ny Tompon’i Mosesy, satria heveriko, fa mpandainga izy”. Ary tahaka izany no nampihaingoana tamin’i Faraona ny asa ratsy izay nataony ho tsara, ary dia nihataka ny lalana mahitsy izy, ka natao ho rava ihany ny tetik’adin’i Faraona.
Izay manao asa ratsy, dia tsy ho valiana afa-tsy mitovy amin’izany ihany, fa izay lehilahy na vehivavy manao asa soa kosa, sady mpino, dia izy ireny no hiditra amin’ny Paradisa, ka hahazo ny anjaram-pivelomany tsy hisy fetrany izy ireo.
Tarihinareo tsy hino an’I Allah aho, ka hampitambatra Azy amin’ny hafa izay tsy ananako fahalalana, nefa ianareo dia antsoiko ho any amin’Ilay Tsitoha, Ilay fatra mpamela heloka.
Tsy hisalasalana, fa ireo izay iantsoanareo ahy, dia tsy afaka hamaly antso, na ety an-tany na any ankoatra. Ary hamafisina, fa any amin’I Allah ny hiverenantsika, fa ireo mpihoam-pefy kosa, dia izy ireo no olon’ny afo.
Ary rehefa hifanditra ao anaty afo izy ireo, dia hiteny amin’ireo mpirehareha ireo osa hoe : “ nanaraka anareo izahay, ka moa afaka hiaro anay amin’ny ampahan’ny afo ve ianareo ? ”
Dia hiteny ireo mpanambon'ny tena hoe : “ hamafisina, fa isika rehetra dia samy ato anatiny daholo ”. Efa namoaka didim-pitsarana ho an’ireo mpanompony I Allah.
Ka hiteny amin’ireo mpiambina ny afobe ireo izay ao anatin’ny afobe hoe : “Angataho ny Tomponareo, mba hanalefaka aminay ny famaizana indray andro fotsiny ”.
Koa mahareta áry, fa ny fampanantenan’I Allah, dia marina, ary mangataha famelan-keloka ho an’ny fahotanao, ary ankalazao ny voninahitry ny Tomponao amin’ny hariva sy maraina.
Tsy mitovy velively ny jamba sy ny mahiratra, ary tsy afaka hampitahana amin’ny mpanao ratsy ireo izay mino sy manao asa soa. Nefa zara raha misy mahatsiaro ianareo!
Ary hoy ny Tomponareo hoe : “ Mangataha amiko, fa hamaly anareo Aho. Fa ireo izay manambony tena tsy hanompo Ahy, dia hiditra any amin’ny َfobe tsy ho ela, feno fahafahambaraka.
Allah no nanao ny alina ho anareo mba hialanareo sasatra mandritra izany, ary ny andro mba hahitanareo mazava tsara. Allah no tompom-pahasoavana ho an’ny olombelona, saingy ny ankamaroan’ny olona, dia tsy mahay mankasitraka.
Toy izany I Allah Tomponareo, Ilay mpahary ny zava-drehetra. Tsy misy zanahary hafa ankoatra Azy. Ka nahoana áry ianareo no miala amin’ny lalana mahitsy?
Fa I Allah no nanome anareo ny tany ho toeram-ponenana, ary ny lanitra ho tafo, nanome endrika anareo Izy, ary akory moa ny hatsaram-bika nomeny anareo! Nanome anjaram-pivelomana tsara ho anareo ihany koa Izy. Izany no Allah Tomponareo, ka voninahitra anie ho Azy, Tompon’izao tontolo izao.
Izy no nahary anareo avy tamin’ny tany, avy eo, dia avy tamin’ny tsirin’aina, ary avy eo, dia avy tamin’ny vongan-drà, ary manaraka izany dia avoakany ho zazakely ianareo, mba hahatratraranareo ny fahamatorana, avy eo ny fahanterana. Ary ny sasany aminareo dia maty mialoha, mba hahatratraranareo ny fe-potoana voafetra, ka mba hisainanareo.
Izy no manome ny fahavelomana sy ny fahafatesana. Ary rehefa mandidy amin’ny zavatra iray Izy, dia izao ihany ny teniny : “ Misia ”, dia misy tokoa izany.
Tamin’I Allah ? ”. Dia hoy izy ireo hoe : “ Niala taminay izy ireo. Nefa tsy nangataka na tamin’iza na iza izahay taloha ”. Toy izany no amerezan’I Allah ireo tsy mpino.
Koa mahareta, fa marina ny fampanantenan'I Allah. Na asehonay anao ny ampahany amin’izay nampitandremanay azy ireo, na esorinay ny ainao [na ho vonoinay alohan’ny fotoana ianao], dia any Aminay ihany no hamerenana azy ireo.
Nandefa ireo Iraka tokoa talohanao Izahay. Misy tamin’izy ireny no efa notantarainay taminao ny momba azy, fa misy kosa no mbola tsy notantarainay taminao. Ary tsy anjaran’ny Iraka ny mitondra porofo famantarana, raha tsy amin’ny alalana avy amin’I Allah. Rehefa tonga ny didin’I Allah, dia ho tsaraina ampahamarinana avokoa ny rehetra, ary dia ho matiantoka tokoa ireo milaza lainga.
Ary misy tombotsoa ho anareo amin’izany, mba hahazoanareo avy amin’izany ny zavatra izay irin’ny fonareo. Eo ambonin’izy ireo sy eo ambon'ny sambo no hitondrana anareo.
Nefa tsy nitera-boka-tsoa ho azy ireo intsony ny finoany, rehefa nahita ny loza avy taty Aminay izy ireo, ka izany no didin’I Allah momba ireo mpanompony tany aloha. Ary amin’izany indrindra no maha fatiantoka ireo tsy mpino.